“Raha Tsy Hoe Hisy Zava-Mahagaga”: Ny Filoha Manaraka Ao Afghanistan Dia… Ashraf Ghani?

Ashraf Ghani trailed Abdullah Abdullah in the first round but found his second wind in the form of a few million votes to claim victory.

Ashraf Ghani aorian'i Abdullah Abdullah tamin'ny fihodinana voalohany, saingy nahazo vovok'aina vaovao tamin'ny alàlan'ny vatom-pifidianana an-tapitrisa vitsivitsy mba hahafahany milaza tena ho mpandresy. Sary nalaina tao amin'ny Flickr-n'ny Masoivoho Amerikana.

“Raha” ny vokatry ny savaranonando no inoana — ‘raha’ izay manana dikany lehibe vokatry ny fanambaràna miraradraraka avy amin'ny mpifaninana aminy milaza fisianà hosoka tamin'ny fifidianana– dia toa i Ashraf Ghani Ahmadzai no ho lasa filoha voafidy manaraka ao Afghanistan hoy ny Kaomisiona Iraisampirenena Momba ny Fifidianana ao Afghanistan (IEC), sy hoe vatom-pifidianana valo tapitrisa no voaisa tamin'ilay fihodinana faharoa nafampàna tamin'ny 16 Jona, teo amin'ireto minisitra teo aloha ireto, Minisitry nyTetibola Ghani sy Minisitra fahiny nisahana ny Raharaham-Bahiny Abdullah Abdullah.

Fandresena tsy ekena.

Amin'izao fotoana izao i Dr. Ghani, izay avy amin'ny Pashtun, no mitarika amin'ny isam-bato 56% , elanelana mety ho sarotra amin'i Abdullah Abdullah, ny tapany Pashtun, ny tapany Tajik, malaza eny anivon'ireo vondrom-poko tsy Pasthun ao Afghanistan, na dia nitarika 14 isanjato teo ho eo nanoloana an'i Ghani aza tamin'ny fihodinana voalohany. Araka ny ibitsihan'i Jamal Mousavi, mpanao gazety ao amin'ny BBC amin'ny teny Persiana azy [fa]:

Araka ny vokatra savaranonando tamin'ny fifidianana, mitarika i Ashraf Ghani Ahmadzai amin'ny isa 56% amin'ny fifidianana izay ho filoha manaraka ao Afghanistan. Tsy mbola ny vokatra farany. 

Sahady, efa nanomboka niarahaba ny mpandresy ireo mpanohana an'i Ghani. Mivaky toy izao ny bitsika avy amin'i Lutfullah Stanikzai :

Arahabaina Dr. @ashrafghani sy ny ekipany amin'izao fandreseny tamin'ny fifidianana izay ho filohan'i Afghanistan 2014 izao

Hita taratra mialoha ihany, nanambara ny mpitondra tenin'i Abdullah Abdullah fa  holavin-dry zareo ny valim-pifidianana. TOLO News nibitsika hoe : 

Mivantana ao amin'ny TOLOnews ny mpitondra tenin'i Abdullah Abdullah no miteny hoe tsy ekeny ny valim-pifidianana nambaran'ny IEC tamin'ity hariva ity. #Afghanistan

Ampangain'ireo mpanohana an'i Dr. Abdullah ny antsoin'ny ekipa mpanao fampielezankevitra avy aminy hoe “hosoka goavana amin'ny sehatra indostrialy”. Nisafoaka mafy ny iray tamin'ny mpanohana an'i Abdullah, Yar Mohabbat [fa]: 

Tsy azo ekena ny fanambaràna vokam-pifidianana feno hosoka. Tsy filohako ny filoha hosoka.

Raha iray hafa mpanohana an'i Abdullah ihany, Aziz Taheer, nanontany ny amin'ny maha-lanim-bahoaka ny fomba nanaisàna vato:

Ny fiakarana 150% tamin'ny isam-baton'i Dr. Ghani tsy nisy nanam-po velively tao anatin'ny 2 volana latsaka fosiny dia efa zava-mahagaga tsy anampiana tsy analàna. #AfghanElections

Haider Sediqi monina ao Kabul, nanoratra namaly ny fanontanian'ny BBC hoe [fa]: 

Maniry hitondra vahoaka an-tapitrisa amin'ny alàlan'ny hosoka i Ashraf Ghani, saingy tsy handefitra an'izany ny vahoaka.

Nanohy nitatitra ny alahelon'ireo mpomba an'i Abdullah i Ahmad Mukhtar, mpanao gazety : 

RT @HNajafizada: Vaovao mafàna: Milaza aminay ny avy amin'i Abdullah fa hosoka tateraka iny. Maherin'ny 2 tapitrisa ny vato hosoka azon'i Ghani.

 

Noho ireo fiampangana ho nisy hosoka, mety hisy ny famerenana manisa vato any amin'ny distrika sasany. Freshta Kazemi, mpanoratra, metisy Amerikana-Afghana, nandroso ny hoe ny ampaha-efatry ny vato no haverina ny fanisàna azy.

#AfghanElections: Vokatra savaranonando. hamarinina ny 1/4 amin'ny vato noho ny fiampangana marobe momba ny fisian'ny hosoka. pic.twitter.com/WFEirU9P6X

Tsy misy marimaritra iraisana?

Talohan'ny nanambaràna  ny vokatra, toy ny resaky ny moana sy ny marenina ny an'i Ghani sy Abdullah, raha ireo mpanohana an-dry zareo kosa niady tety anaty media sosialy. Nanery an'i Zia ul-Haq Amarkhail, filohan'ny IEC hametra-pialàna izany taorian'ny nilazàn'ny tarik'i Abdullah fa ananany ny tahirim-peo andrenesana azy manome baiko ny hamenoana vata ho fampandresena an'i Ghani.

A truck states its support for Abdullah Abdullah (picture tweeted by @alibomaye)

Fiara vaventy iray maneho ny fanohanany an'i Abdullah Abdullah (sary nobitsihan'i @alibomaye. Abdullah Abdullah ilay sary eo afovoany)

Ny marainan'ny 7 Jolay, nanambara i Ashraf Ghani fa tokony ho hajaina ny vaton'ny vahoaka :

Ao anatin'ny fitonian'ny vahoaka no misy ny fitonian'i Afghanistan.  Manomboka eo, ny hetahetam-bahoaka no tsy maintsy hajaina: pic.twitter.com/ji73sq5A8v

Namoaka hafatra tahàka izay koa i Abdullah Abdullah, miaraka amin'ny fanindriana mafy ny karazam-batom-pifidianana iray – ilay vato madio. 

In-dray mandeha indray, ambarako ny firotsahako an-tsehatra amin'ny fiarovana ny vato madio narotsaky ny vahoaka Afghan!

Ireo vato madio, hoy izy nanazava, dia samihafa amin'ireo vato ‘matoatoa’.

Tsy ho azonay ekena ireo voka-pifidianana navoaka nefa tsy nesorina hiavaka amin'ireo vato madio ny vato ‘matoatoa'!

Araka ny lazain'ilay mpanao gazety fahiny tao amin'ny BBC sady mpiaro ny zon'olombelona, Ramin Anwar, vonona ny hifampiraharaha amin'i Abdullah Abdullah i Ashraf Ghani mba hisorohana ny fifandonana sy ny herisetra.

Miteny ny tarik'i #AshrafGhani hoe mbola azo omena toerana ny “fifampiresahana” ary tokony hatao izay zavatra rehetra mety mbola ho azo atao mba hisorohana ny herisetra. #Afghanistan#election

Raha mbola mivezivezy etsy sy eroa ao amin'ny Twitter ny honohono, voatery kosa ny ambasadaoro Amerikana ao Afghanistan nandà ny tsy fisian'ny fandraisany anjara amin'ny fanampiana ny dingana fanisàm-bato ataon'ny IEC sy ny hoe niasa ho mpanelanelana teo amin'ireo tarika mpanao fampielezankevitra izy.

Tsy ao amin'ny IEC ny Ambasadaoro

 Miankina amin'i Abdullah sisa

Miaraka amin'ny lanja mavesatry ny ho famindràm-pahefana voalohany amin'ny fomba demaokratika ao Afghanistan, toa sahala amin'ny vao mainka mampibaribary ilay fanontaniana napetraky ny Global Voices tamin'ny volana Aprily lasa iny izato izy. Ary raha ny momba ny valinteny indray, miankina amin'ny hevitr'izay voa be ao Afghanistan, Abdullah Abdullah, sy ireo an-tapitrisa manohana azy, hatao aorian'izay ny zavatra maro

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.