Misy Tsara Sy Ratsy Ao Anatin'ilay Lalàna Vaovao Mifehy Ny Asa Ao Kiobà

Entra en vigor el nuevo Código de Trabajo cubano (Foto: Alejandro Menéndez Vega)

Fampiharana Ilay Lalàna Vaovao Mifehy ny asa Kiobàna (Sary an'i Alejandro Menéndez Vega, fampiasàna nahazoana alàlana)

Taorian'ny adihevitra nandritry ny volana maro tao amin'ny Antenimieram-Pirenen'ny Fahefam-Bahoaka, manomboka miditra amin'ny fampiharana azy hanan-kery ilay lalàna vaovao mifehy ny asa, ao anatinà vanim-potoana iroboroboan'ny sehatra tsy miankina sy ny fanentanana ireo vahiny mpampiasa vola. Niteraka resabe tao amin'ny nosy anefa na izany aza ny fanilikilihana ireo toko sy andininy mifandraika amin'ny fanavahana ny lahy sy ny vavy sy ny fanaovana antsojay.

Manindry mafy ny fandraràna ny fampiasàna zaza tsy ampy taona ilay lalàna vaovao, ary ny fiarovana manokana ireo tanora eo anelanelan'ny 18 sy 18 taona. Etsy andaniny, mametraka fepetra momba ny zon'ireo mpiasa ihany koa izy io amin'ny resaka ora ambony ampanga sy ny fotoana fialantsasatra isan'andro na isan-kerinandro, hatramin'ireo fialantsasatra andraisan-karàma.

« Avoitran'ireo gazety ao amin'ny firenena betsaka ny amin'io lalàna vaovao io », hoy ny voamarik'i Camilo García ao amin'ny bilaoginy, « indrindra fa ireo mamepetra ny fifandraisana arak'asa any amin'ireo orinasa tantanan'olon-tsotra, lalàna iray tena ilaina mihitsy manoloana ny firongatry ny fitomboan'izy ireny, izay no ilàna ny fiarovana ireo mpikaràma ».

Notsinontsinoavina ny fanavahana ny lahy sy ny vavy

La identidad de género no fue incluida como causa de discriminación en el nuevo Código de Trabajo (Foto: Jorge Luis Baños)

 (Sary an'i Jorge Luis Baños, fampiasàna nahazoana alàlana)

Tsy noraisina ho toy ny antony iray mety hampisy ny fanavakavahana ny fijerena ny maha-lahy sy vavy ao anatin'ilay lalàna vaovao mifehy ny asa, izay nanatsofohana fotsiny ny hoe « fironana ara-pananahana ». Ny toko faha-20b, izay miresaka ny anton'ny fanavakavahana, dia niteraka fifamalian-kevitra lalina tany amin'ny bilaogy sy ny tambajotra sosialy. Milaza io andinin-dalàna io fa :

Todo ciudadano en condiciones de trabajar tiene derecho a obtener un empleo atendiendo a las exigencias de la economía y a su elección, tanto en el sector estatal como no estatal; sin discriminación por el color de la piel, género, creencias religiosas, orientación sexual, origen territorial, discapacidad y cualquier otra distinción lesiva a la dignidad humana.

Ny olom-pirenena rehetra dia samy manana zo hahazo ny asa iriny na mifandray amin'ny fitakian'ny ara-toekarena, na izany amin'ny sehatry ny asam-panjakana, na any amin'ny sehatra tsy miankina ; tsy anavahana volon-koditra, na lahy na vavy, na finoana, na fironana ara-pananahana, na fiaviana ara-poko, na fahasembanana ary izay endrika rehetra mety hanohintohina manokana ny maha-olombelona.

Manamarika ao amin'ny bilaoginy i Francisco Rodríguez, mpanao gazety sady mpikatroka mafàna fo amin'ny resaka zo ara-pananahana :

Estoy indignado porque ocurrió lo que no debía suceder. El nuevo Código de Trabajo acaba de ser publicado, sin incluir de forma explícita a la identidad de género como uno de los motivos para no discriminar, dentro de los principios fundamentales que rigen el derecho al empleo.

Tohina aho satria izay tsy tokony hitranga akory no nitranga. Vao avy navoaka mihitsy izao ilay Lalàna vaovao Mifehy ny Asa, ary tsy ahitàna mazava ny firesahana momba ny famantarana ny lahy sy vavy ho toy ny anton'ny fanavakavahana, ao anatin'ireo fotokevitra fototra izay mifehy ny lalàn'ny asa.

Isan'ny tetikasa niadiana hevitra tamin'ny Desambra lasa teo tao amin'ny Antenimieram-Pirenena Kiobàna ny ady amin'ny fanavakavahana noho ny fironana ara-pananahana. Nanampy ny resak'reo solombavambahoaka ihany koa ny fahasembanana. Kanefa, tsy noraisina ny tolo-kevitr'i Mariela Castro, ilay solombavambahoaka sady talen'ny Foibem-Pirenena momba ny Fanabeazana Ara-pananahana (Cenesex), momba ny filàna ny hampidirana ny famantana ny lahy sy ny vavy mba hiarovana ireo olona nanova tavam-pananahana.

Manamarka i Rodríguez :

El asunto es muy grave. Pone en entredicho los métodos y formas de trabajo de la Asamblea Nacional del Poder Popular, el cumplimiento de los procedimientos legislativos por parte de la dirección del máximo órgano del Estado y la transparencia en la toma de decisiones a partir de la voluntad de los diputados y las diputadas, los únicos que pueden ejercer el derecho de aprobar o modificar leyes en representación del pueblo cubano.

Lohahevitra matotra io. Mahatonga fisalasalàna amin'ireo fomba fiasan'ny Antenimieram-Pirenen'ny Fahefam-Bahoaka, ny fanajàna ny dingana feran'ny lalàna napetraky ny rantsana faratampony ao amin'ny Fanjakàna aryny mangarahara eo amin'ny fandraisan'ireo solombavambahaka ny fanapahankeviny, ireo hany afaka mapiasa ny zony handàny na hanova lalàna amin'ny anaran'ny vahoaka kiobàna.

Araka ny hevitr'i Rodríguez, « nolavin'ny sekreteran'ny Filankevi-Panjakana fotsiny izao ny fampidirana ny famantarana ny lahy sy ny vavy ho toy ny anton'ny fanavakavahana, ny sekretera izay, na dia nitsotra ny tsy fahatakarany an'ilay lohahevitra, dia nanohitra ihany ny fandaniana azy ». Manazava i Rodríguez :

También presentó sus reservas hacia las propuestas de la diputada Mariela, el presidente de la Comisión de Asuntos Constitucionales y Jurídicos, quien fue encargado para dirigir la comisión que concluiría la redacción del cuerpo legal. No fue atendida ni siquiera la sugerencia del primer vicepresidente cubano, Miguel Díaz-Canel, quien medió en la discusión y abogó por tener en cuenta lo allí planteado por Castro Espín.

Misy fanamarihana manodidina ny tolokevitry ny solombavambahaka Mariela nalefan'ny filohan'ny Kaomisionan'ny Raharaha momba ny Lalam-panorenana sy ny Fitsaràna, izay natao hitarika ilay kaomisiona tsy maintsy mamarana ny fanoratana ilay volavolan-dalàna. Tsy noraisiny tanaty kajikajy akory ilay sosokevitry ny filoha lefitra Miguel Díaz-Canel, izay nitantana ny adihevitra sy niaro ny tokony ho nandraisana tanty kajikajy ny tolokevitr'i Castro Espín.

Alberto Roque Guerra, mpitsabo ary mitolona ho an'ny zon'ireo vehivavy samy vehivavy mifankatia, ny pelaka, ireo manana taovam-pananahana roa, ireo nanova tavam-pananahana sy olona manambady ny tsy mitovy taova aminy,dia mihevitra ao amin'ny bilaoginy fa « ireo kiobàna, olona nanova taova, dia sahirana vao tafiditr amin'ny asa ; mihoatra ny famantarana ny lahy sy vavy izay mamaritr azy ireo, manery azy ireo koa io hiseho sy hitondra tena mifanaraka amin'ny famantarana nanasokajiana azy araka ny lalàna ».

Fanaovana antsojay eny amin'ny asa, fandroahana, famondronana ary fampanarahana fenitra: olana hafa mbola miandry

Voamarik'i Roque ny tsy fisian'ny filazana mikasika ny fanaovana antsojay any anivon'ny asa ao amin'io lalàna io “na eo aza ireo tranga mahazatra ny be sy ny maro saingy  mitoetra ho sarotra porofoina”. 

Las trabajadoras y los trabajadores cubanos no tienen ni la menor idea de cómo identificar el acoso laboral, a pesar de que estos perfiles han sido descritos por la psicología, la psiquiatría y la medicina del trabajo hace muchos años. En mi práctica profesional he conocido numerosas víctimas, tanto pacientes como compañeros de trabajo. Al parecer tendremos que esperar unos treinta años para incluirlo como «una novedad» de la post-postmodernidad.

Tsy fantatr'ireo kiobàna mpiasa mihitsy ny fomba hanavahana ny atao hoe antsojay enyanivon'ny asa, na dia voafaritry ny resaka psikolojia, ny mpitsabo saina ary ny fitsaboana momba ny asa aza ny endrik'izy ireny efa hatry nytaona marobe nifandimby. Tafiditra amin'ny traikefa azoko tamin'ny asako dia betsaka ireo niharam-pahavoazana fantatro, tsy he ny marary tsaboina ihany fa na dia ny mpiara-miasa koa aza. Raha ny fahitàna azy, tsy maintsy miandry telopolo taona isika mba ampiditra azy io ho toy ny “fiovàna iray” mialoha ny vaninandro maoderina.

Rogelio Díaz, avy amin'ny tranonkala Observatorio Crítico, dia manamarika ihany koa fa tsy fitaovana mahombymba hiadiana amin'ny fanavakavahana ilay Lalàna, “farafaharatsiny mba any amin'ny sehatra tsy miankina, sehatra ampiasàna sy anararaotana ny filazàna hoe “fiafàran'ny fifandraisana arak'asa” amin-javatra tsotra kely hoe ‘fanapahankevitry ny iray tamin'ireo mpifanaiky”.
Lohahevitra noresahana ihany koa ny “fampanarahana fenitra” ny mpiasam-panjakana. Ho an'i Díaz dia,

A mí me preocupaba también, por ejemplo, la situación de riesgo de los trabajadores del sector estatal de quedar declarados “no idóneos” y, por lo tanto, despedibles, sin muchas garantías. El Código y su Reglamento complementario establecen los mecanismos para este proceso y, según lo que entendí, dependerá sobre todo de la ética de las personas involucradas.

Manahy ihany koa aho, ohatra, ny amin'ny mety hanambaràna ireo mpiasam-panjakana ho “ratsy toerana” ary, vokatr'izay, hotrandrahana, tsy misy antoka na toy inona na toy inona. Ilay Lalàna sy ny Fepetra fanampiny dia mametraka arofanina ho an'io dingana io izay, raha azoko tsara, hiankina betsaka amin'ny etikan'ireo olona tafiditra amin'izany.

Ao amin'ny Toko faha-II, izay miresaka ireo fikambanana sendikaly, ny artikla 13 dia manamafy fa “manana zo ireo mpiasa hitambatra tsy an-tery sy hamorona fikambanana sendikaly, mifanaraka amin'ireo fotokevitra tokana iraisana ho fananganana , ny sata sy ny fitsipika, izay iadiana hevitra sy nankatoavina tamin'ny fomba demaokratka ary mifanaraka amin'ny lalàna”.
Kanefa, ity fahafahana mifamory malalaka sy mandeha tsy voizina ity no “tonga manohintohina ny adidy amin'ny fanarahana ireo fotokevitra ‘tokana’ izay, mazava loatra, ho ampiasaina hamoretana ireo rehetra izay hanao hetsi-panoherana, amin'ny anaran'izay hany fikambanana sendikaly tokana neken'ny governemanta”, hoy i Rogelio Díaz manipika azy.

Misy singa hafa mbola mijanona ho tsy raharahain'ilay Lalàna mifehy ny Asa, toy ny zo hitokona sy ny fanavakavahana noho ny fanehoankevitra politika.

Lesona mazava momba ny dingana arahan'ny Antenimieram-Pirenen'ny Fahefam-Bahoaka

Ny Antenimieram-Pirenen'ny Fahefam-Bahoaka, mifanaraka amin'izay nofaritan'ny artikla 69, 70 sy 71, no rantsana faratampony amin'ny Fanjakàna ; izy no misolo tena sy maneho ny sitrapon'ny vahoaka, izy no hany rantsana manana ny fahefana araka ny lalàm-panorenana sy ny lalàna ary ahitàna solombavambahoaka voafidy ain'ny latsabatomalalaka, mivantana sy miafin'ireo mpifidy, mifanaraka amin'ny isa sy ny dingana nofaritan'ny lalàna.

Tamin'ny Desambra lasa iny, nanoloana ny tsy fahafahana nametra fifanarahana nandritryn fotoam-pivorian'ny Antenimieram-Pirenena, nisy Kaomisiona iray natsangana hjery ny endriny mba hanoratra ny dika farany indrindra tamin'ilay lalàna, nifottra tamin'ireo adihevitry ny solombavambahoaka.

« Ho an'ny olom-pirenena sy ireomisolo tena azy ao amin'ny Parlemanta, tsy maintsy mazava ny lesona : tsy mety ny miantehitra amin'ny latsabaton'ireokaomisiona, na ny manana mpanelanelana ivelan'ny kiboribory demaokratkan'ny Antenimiera. Sady tsy araka ny lalàm–panorenana izany no tsy araka ny etika  », hoy i Francisco Rodríguez mampitandrina. 

Si hay que discutir cada letra de una ley, tendrán que hacerlo. No son posibles los conformismos ni las presiones a partir de los restringidos tiempos parlamentarios de las sesiones ordinarias de la Asamblea Nacional (…) 

El Parlamento tiene que sesionar las horas y los días que sean necesarios hasta que haya una votación sobre textos y principios definitivos. No es admisible que nuestros diputados y diputadas otorguen un cheque en blanco a ninguna persona o grupo de personas para que determinen sobre cuestiones sustantivas de derechos con posterioridad al ejercicio del voto (…) 

Solo así conseguiremos que haya respeto a las políticas aprobadas y a la voluntad expresa del Partido Comunista de Cuba en sus documentos rectores, sin que nadie se arrogue la potestad de interpretarlos y adoptar decisiones sobre la base exclusiva de su conveniencia o sus limitaciones culturales o de otro tipo.

Raha toa ka tsy maintsy hiadiana hevitra ny andalana tsirairay ao anaty lalàna iray, dia ataovy. Tsy mety intsony ny fampanaraham-penitra amin'izay sokajy misy ny tena sy ny tsindry, noho ny fotoana tery ho an'ireo parlemantera mandritry ny fotoam-pivorian'ny Antenimieram-Pirenena(…) 

Mila mijery mialoha ny isan'ny ora ilaina ny Paremanta mba handaniana ireo tolo-dalàna sy ireo fotokevita farany indrindra. Tsy ho azo ekena ny he hanome taratasim-bola tsy misy mari-bolanefa vita sonia ireo solombavambahoakantsika mba handraisana fanapahankevitra mikasika ireo olana miseho any aorian'ny fifidianana ilay lalàna(…)

Io no hany fomba hahazoana fampanajàna ireo fanapahankevitra nolaniana sy ny sitrapon'ny Antoko Kaominista ao Kiobà, mba tsy hisian'ny olona ho afaka hilaza ho manana zo hampiantso azy ireo na handàny ireofanahìpahankevitra araka izay iiavany azy na araka ny fetra ara-kolotoraly ananany na karazany hafa koa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.