Fiadiana Amboara Erantany : Afaka Manìvana Ireo Fitakiana Any Anaty Kianja Ve Ny FIFA ?

Sorabaventin'ny FIFA mivaky hoe “Ho an'nyLalao. Ho an'ny Tontolo” avy amin'i Thomas Couto tao amin'ny Flickr – CC License-NC-2.0

Mahafantatra izany daholo izao tontolo izao : mahabe resaka be tsy nisy toy izany ny fiadiana ny amboara erantany (an'ny  FIFA) 2014 ao Brezila. Toy izany koa ny manaraka. Ilay hatao any Qatar amin'ny 2022 mazava loatra, fa koa ny fiadiana ny amboara erantany any Rosia amin'ny 2018 izay tsy ny rehetra no mankasitraka azy. Saingy tsy ny rehetra no mainty na fotsy, na maintsy sy fotsy. Raha ny mikasika an'i Qatar, ny tsirairay mihitsy no samy afaka mitanisa tohan-kevitra iray farafahakeliny hanoherana ny maha-mpikarakara an'i Qatar. Ity àry ny lahatsoratra iray miaro ny firotsahan'i Qatar mba hahafahan'ny tsirairay manome ny heviny. Manazava toy izao ny filohan'ny federasionan'ny baolina boribory ao Qatar :

Nandresy ny firotsahanay, tsy hoe satria tsy nisy noraisina tanaty kajikajy na iray aza ireny fanontaniana goavana ireny, fa satria nanome valinteny maharesy lahatra izahay. Nahay naka tombony tamin'ny lafiny rehetra izahay. Nandresy satria ny antontan-taratasy firotsahanay no noheverina ho ny tsara sy mendrika indrindra.

Saingy, amin'izao fotoana izao, i Brezila no anton-dresaka, ary ny fanontaniana hoe : afaka hiantoka ny fanivànana ireo fitakiana eny anaty kianja ve ny FIFA ? Ny hany tohankevitra tonga ato an-tsaiko hanekena  an'izay dia ilay iray hoe tsy fikambanana miahy ny resaka sosialy akory ny FIFA (tsy vao in-dray mandeha no efa noporofoiny izany) ary te-hipetraka hatrany lavitr'ireo disadisa politika na sosialy izy. Nefa, etsy ankilany, mirotsaka an-tsehatra manohitra ny fanavakavahana volon-koditra izy.

Raha izany, nahoana no nosivaniny ny sarin'ilay tovolahy Guarani nanainga sorabaventy talohan'ny lalao fanokafana ny fiadiana ny amboara erantany ? Io tovolahy io, tafaresaka taminy i Daniel Cohn-Bendit nandritry ny diany tany Brezila. Miaritra famoretana ry zareo Guarani, vondrom-iarahamonina breziliana tompontany. Ary dia ny FIFA ihany anefa no nanasa ilay vohitra guarani handray anjara tamin'ny lanonana. Te-hiseho ho manam-pandeferana izany ny FIFA. Mihambo ho mampiray ny vahoaka izy amin'ny fampakàrana tanora telo teny ambony kianja. Iray fotsy, iray mainty ary iray indizena. Saingy ireo olona nanatrika tao an-kianja irery ihany no hany afaka nahita ilay sorabaventy novelarin'ny iray tamin'ireo tanora ireo. Te-hiseho ho mijery ny sosialy ny FIFA araka izany no sady mandràra ihany koa an'io vahoaka io tsy haneho ny heviny. Miady amin'ny fanavahana volon-koditra izy, miady hisian'ny fitoviana sy ny firaisankina amin'ny alàlan'ny baolina boribory, fa manivana kosa io fitakian'ny Guarani io taorian'ny nanomezany azy ireo sehatra hahafahany manao izany. Manome fahafahana ho an'ireo olona izay, na nesorina tamin'ny tranony, na nohazaina tany amin'ny toeram-ponenany izy, ary manolotra ny fikarakarana ny fiadiana ny amboara erantany manaraka eo ho anà Fanjakàna iray efa mahabe resaka sahady (izay rariny loatra amiko)  nandritry ny Lalao Olaimpika fanao amin'ny ririnina natao farany teo.

Araka izany dia mirotsaka amin'ny resaka sosialy ny FIFA no sady mametraka teritery amin'ny fahalalahana maneho hevitra ihany koa, tonga hatramin'ny fandeferana na fandrisihna mihitsy ireo fihetsika manohintohina ny sosialy. Fa nahoana no afaka manohy ny tahaka izao izy ? Satria mifamatotra akaiky ny hoe baolina boribory sy ny hoe FIFA. Ao Brezila, marobe ny mpanao hetsi-panoherana izay manakiana ny  “fiadiana amboara erantany karakarain'ny FIFA” no mpankafy lalao baolina boribory. Mijery manaraka mivantana eny imasom-bahoaka ireny fihaonana ireny ry zareo. Na izaho aza, rehefa nahafantatra ny fizotry ny fomba nanomanana ny fiadiana izay ho tompondaka erantany, dia niditra tamin'ny hoe tsy hijery afa-tsy ireo lalao tena mahaliana (arakaraka) sy ireo an'i Belzika (satria sambany izahay no mandray anjara tato anatin'ny roambinifolo taona, tsy vitako ny tsy hanaraka ny fivoaran'ny ekipam-pirenenay). Saingy, amin'ny maha-mpankafy baolina boribory ahy, tsy aritro nony farany ny tsy hijery ireo fihaonana marobe. Sarotra sy tsy azo saintsainina araka izany ny hibodoana ny fiadiana ny amboara erantany. Araka izany, na ireo mpilalao manonofinofy ny ho afaka hilalao aminà fiadiana izay ho tompondaka erantany aza, hatramin'ny hoe hivoaka ho mpandresy amin'izany raha ny faniriana, na ireo mpijery baolina, dia tsy misy hibodo velively an'io fiadiana ny amboara erantany io. Sady izao koa, tsy manohitra ny fiadiana ny amboara erantany atao ao amin'ny fireneny ny mpanao hetsi-panoherana ao Brezila, fa manohitra ny fomba fizotrany, manohitra ireo fepetra apetraky ny FIFA ary manohitra ny vidinà tapakila tsy ahafahan'ny ankamaroan'ny vahoaka breziliana hanatrika ireo fihaonana ao anaty kianja.

Miaraka amin'ireo hevitra rehetra ireo, tena adinoko tanteraka ny niresaka momba ireo mpilalao toa an-dry  Afonsinho na Sócrates. Mpilalao manana fironana ara-politika. Hitako ho mahaliana ny fifandrohizan'ny politika sy ny lalao baolina boribory, na ny fanatanjahantna amin'ny ankapobeny mihitsy. Izay hitako ho mivaingana, dia ny hoe, raha toa ny FIFA te-hitàna marina anjara toerana eo amin'ny resaka sosialy, dia tsy maintsy mifikitra amin'io tanjona io izy. Amin'ny fomba ataony amin'izao fotoana izao io, very ny fitokisana azy. Ananany ny fahefana rehetra hanova zavatra betsaka, saingy tsy mbola sahy izy. Na angamba efa tena anjakan'ny kolikoly tanteraka mihitsy ao anatiny ao araka ny lazain'ny sasany, ary tsy manana tanjona afa-tsy ny hampanan-karena fotsiny ihany ny tenany ireo mpikambana ao aminy. Raha izay no zava-misy, mety ho fotoana izao hihetsehana!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.