Any Tonizia, Hifidy Sa Tsia No fanontaniana

2014 elections logo, via the Facebook page of the independent election commission

Fangon'ny fifidianana 2014, avy amin'ny pejy Facebook -n'ny kaomisiona tsy miankina misahana ny fifidianana.

Satria efa manakaiky ny fifidianana ao Tonizia, adihevitr'ireo mpisera amin'ny aterineto ny hoe mendrika handrotsaka ny vatony ve ry zareo amin'ireo fifidianana solombavambahoaka sy izay ho filoham-pirenena hatao ato ho ato.

Hatao ny 26 Oktobra ny fifidianana solombavambahoaka ao Tonizia raha voaomana ho ny 23 Novambra kosa ny fiodinana voalohany amin'ny ho filoham-pirenena.

Kanefa, tsy ny rehetra no mientanentana momba izay hoe handeha hifidy atsy aoriana kely amin'ity taona ity. Ireo mandà tsy handeha hifidy dia mitanisa ny tsy fahafahampony tamin'ny zava-bitan'ny kilasy politika nandritry ny telo taona lasa, tamin'ny filazàna fa ‘tsy nitondra fovàna na kely aza’ ny fifidianana tamin'ny 2011.

Ny Oktobra 2011, nifidy Antenimieram-pirenena Mpanorina ry zareo Toniziana hisahana ny fandrafetana lalàm-panorenana vaovao taoran'ny nanonganana an'ilay mpanao jadona, Zeine el Abidin Ben Ali. Nahazo ny 40 isanjaton'ny vato ny antoko Islamika Ennahdha.

Toy ny maro, nanontany tena i Nymeria :

Inona no tsy maintsy ho ataoko amin'ny  #tnelec (fifidiananaTonizia)? Tsy misy tiako ireo antoko ary tsy isaina ny vato fotsy.

Ny 24 Jona, i Papillon mpampiasa Twitter, izay manana mpanjohy manakaiky ny 13.000, dia nandefa [fr] ity fanontaniana manaraka ity :

Personne de ceux qui encouragent au vote ne peut répondre à la question pourtant simple: a quoi ça a servi de voter le 23/10 ?

Tsy misy na iray aza amin'ireo mandrisika [ny hafa] hifidy no afaka hamaly ilay fanontaniana izay tsotra kely anefa: nitondra soa nanakory ny nifidianana tamin'ny 23 Oktobra [2011]?.

Saber Arabasta, bilaogera manana mpanjohy manakaiky ny 12.000 followers, namaly hoe [fr] :

@Papiillon: à connaitre l'équilibre des forces politiques dans le pays, à changer de gouvernement, à changer de président, à écrire une const

Hamantatra ny fifandanjan-kery politka eto amin'ny firenena, hanova ny governemanta, hanova ny filoha, hamolavola lalàm-panorenana

Nanampy izy tanaty bitsika iray hafa hoe [fr]:

@Papiillon à débattre des lois, à débattre du budget, à décider d'un processus élctoral, de justice transitionnelle, changer de diplomatie

Hiady hevitra momba ny lalàna.hiady hevitra momba ny tetibola, hanapa-kevitra momba izay dingam-pifidianana sy fitsarana teezamita ary hanova ny diplaomasia.

Nanontany [fr] i Chikh Magon :

@Papiillon à quoi sert de boycotter les élections, je te retourne la question ?

Averiko aminao ny fanontaniana: inona no mahatsara ny fibodoana ny fifidianana?

Ao amin'ny Facebook, i Haythem El Mekki , mpanao gazety sady bilaogera, nanoratra hoe [fr] :

Bon les pro boycott et abstentionnistes : J'aurais bien aimé vous suivre et vous soutenir, mais il faudra me dire ce que vous avez prévu concrètement et de façon pragmatique… Quel résultat espérez-vous en prônant le boycott ? Enfin mis à part le fait de nous priver des voix de ceux qui souhaitent un changement plus que quiconque… Je suis aussi insatisfait et remonté contre la classe politique que vous, voire plus, mais je ne vois que du nihilisme dans votre approche que je trouve destructrice et infantile… Pourriez-vous me convaincre du contraire ?

Ka izao, ireo izay mankasitraka ny fanaovana fibodoana sy tsy fandehanana mifidy, mety ho tiako ihany ny hanaraka sy hanohana anareo saingy mila milaza amiko ianareo ny amin'izay zavatra tena nomaninanareo ary amin'ny fomba manaraka ny tena zava-misy…Inona no vokatra antenainao ho hita amin'ny fanentanana ny olona hibodo? Ankoatry ny tsy fanomezana anay ny vaton'ireo mikatsaka fiovàna toy ny hafa rehetra ihany..Toa anao sy afapo amin'ny kilasy politika aho, mety mbolamihoatra an'izay aza. Saingy ny ‘halako hatramin'ny tsinay mainty’ no hany hitako amin'ny fomba fanaoanareo izay tsinjoko ho mandrava sy sain-jaza…Afaka mandresy lahatra ahy momba ny mifanohitra amin'izay ve ianareo?

Bechir Bizertino naneho hevitra hoe [ar]:

قبل كل شي فسرلنا انت كيفاش بمشاركتك في الانتخابات لاختيار اي طرف من القذارة المفروضة علينا بش تغيير حاجة في البلاد … اما انا فمقاطع لانه صوتي لاي طرف حامج من الموجودين موش بش يصلح حتى شي وما عنده حتى قيمة بما انه الطبقة السياسية باكملها ما تسمع كان للسفراء الاجانب موش للشعب اللي وكلها لنيابته …. وبمقاطعتي فعلى الاقل رابح انه ما عطيتهمش اي شرعية ولم اوكلهم ولا يمكنهم ادعاء ذلك ….

Voalohany indrindra, hazavainao aminay, amin'ny fomba ahoana no hisian'ny fiovàna eto amin'ny firenena amin'ny fandraisana anjara aminà fifidianana anerena anay hisafidy iray amin'ireo antoko maloto ireo. Ho ahy, mibodo aho satria tsy hisy dikany ny vato atolotro ny iray amn'ireo antoko maloto ireo raha toa ny kilasy politika manontolo ka mbola mihaino fotsiny ireo masoivoho vahiny fa tsy nvahaka nifidy [azy ireo]…amin'ny hoe fibodoana, farafahakeliny  mba tsy manome azy ireo ny maha-mamim-bahoaka azy aho ary tsy afaka ny hihambo ireo mpisolo toerana azy ireo [hoe nifidy aho].

Zenova Gamha Fehmi nandefa ity fanehoankevitra ity [fr]:

A mon avis il faut aller voter, pour un parti ou un autre, dans cinq ans si on n'est toujours pas satisfaits on votera pour un autre et ainsi de suite, c le jeu.
Il faut aller voter, c un devoir envers ceux qui sont morts pour nous l'octroyer ce droit.
Ne vous attendez pas à un miracle suite aux élections, les tunisiens ont tendance à vouloir tout tout de suite ce qui relève de l'impossible!

Raha ny hevitro, adidy ny mifidy ho anà antoko. Ao anatin'ny dimy taona, raha mbola tsy afapo ihany isika, afaka hifidy antoko iray hafa indray isika dia toy izay hatrany, izay ilay lalao. Adidy manoloana ireo izay na,oy nhy ainy mba hananantsika io zo io ny mifidy. Aza miandrandra zava-mahagaga aorian'ny fifidianana, manana fironana te-hahazo ny zavatra rehetra eo noho eo ry zreo Toniziana, zavatra izay tsy ho tanteraka mihitsy

Mandritra izay fotoana izay, nanao fanentanana niantsoany ny Toniziana ny vaomiera tsy miankina misahana ny fifidianana ao amin'ny firenena mba hisoratan'izy ireo anarana alohan'ny 22 Jolay, raha toa maniry ny hifidy izy ireo. Tsy afaka ny hanatanteraka izany ireo izay tsy misoratra.

Mikendry ireo mpifidy miisa 4 tapitrisa ilay fanentanana, ireo izay tsy nisoratra tamin'ny fifidianana Antenimera mpanorina tamin'ny Oktobra 2011.

Niaraka tamin'ny taha avon'ny tsy fandehanana mifidy novinavinaina ho nahatratra 50 izanjato tamin'ny 2011, mampiasa loha ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana sy ny vondronà fiarahamonim-pirenena ny hoe ho ambany ny taham-paharisihana amin'ity taona ity manoloana ny lonilonim-bahoaka tsy mitsaha-mitombo amin'ireo antoko politika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.