Mampakatra Vidin-tsolika Hatrany Amin'ny 78 Isanjato i Ejipta

A copy of the order to more than double the cost of fuel in Egypt. Photo source: Ahmed Kheir on Twitter

Dika amin'ilay didy hampakarana ny vidin-tsolika ao Ejipta ho ambonin'ny avo roa heny. Loharanon-tsary: @AhmedKheir on Twitter

Tezitra mafy tamin'ny fampakarana vidin-tsolika ireo Ejiptiana mpisera anaty aterineto, fampakarana lazain-dry zareo fa mitondra ho any amin'ny fisondrotan'ny saran-dàlana, ny vidin-tsakafo ary ny tolotra rehetra.

Araka ny hevitr'i Ahmed Kheir, mmpampiasa Twitter avy ao Kairo, manana mpanjohy 2.200 :

lasantsy 92 Octane , hatramin'ny 40 isanjato
lasantsy 80 Octane , hatramin'ny 78 isanjato
ny gaz-oil, ampiasain'ireo ‘minibus’ sy ny fitaterana, hatramin'ny 63 isanjato
lasantsy 95 Octane , ampiasain'ireo sarangan'ny manam-bola eo amin'ny fiarahamonina, hatramin'ny 7 isanjato #social_justice

Niverina ao anatin'ity tatitry ny Reuters ity ireo tarehimarika ireo, tatitra milaza fa nakarina ny vidin-tsolika satria “miezaka manapaka ireo tohana ara-bola ho an'ny angovo mba hanamaivanana ny fatiantoka mianjady amin'ny kitapom-bolany” ny governemanta Ejiptiana.

Manamarika i Kheir ao anaty bitsika iray hafa hoe:

Nakarin-dry zareo mihoatra ny antsasany ny vidin-tsolika, tsy nakàna ny hevitry ny Antenimiera. Noraisin-dry zareo tanaty tsiambaratelo tanteraka nandritry ny andro fialantsasatra ilay fanapahankevitra. Fihetsika fanaon'ny mpangalatra ny toy izany.

Peter Ramez, manana mpanjohy 500 ao amin'ny Twitter, dia manakiana ny filoha vaovao ao Ejipta,  Abdelfattah El Sisi, tamin'io fampakarana io, tamin'ny hoe:

Fisondrotana maherin'ny 40 isantajo hoe ry ilay tsy azo itokisana ireto?
Hihatra aminareo anie ny fitsaran'Andriamanitra. Mendrika anareo izay ozona rehetra ho azonareo eo

Ary manampy i Ahmed Fathi El Badry hoe :

Heverinareo ve fa mbola hisy dikany inona ny fitiavan'ny vahoaka anareo aorian'io fanapahankevitra io? Famonoan-tena ara-tsosialy sy ara-politika tanteraka io.

Ny sasany nizotra tamin'ny làlan'ny hanihany mba hanehoany ny fahasorenany. Shay Sokar Bara, solonanarana iray manana mpanjohy 83.000, miteny hoe :

Tsy nikomy nanohitra [an'ingahy filoha teo aloha Mohamed] Morsi noho ny fanafoanana ny tohana ara-bola aho na ny fanapahana ny an'ny herinaratra na hanome  [ny volako ho an'ny governemanta]. Tsy manana na inona na inona aho sady tsy maniry ny hifonja raha miteny ny tsia.

Manamarika izy ao anaty bitsika iray hafa :

Milahatra eny amin'ny tobin-tsolika ny Ejiptiana ary samy miteny ny tsirairay fa hameno ny dàbany alohan'ny hisondrotan'ny vidin-tsolika. Firenena manan-tsaina isika. Tahaka ny hoe tsy mety ho ritra mihitsy ny solika any anaty dàban-dry zareo

Ary mivazivazy i Hesham Mansour :

Fampiakarana mifono tetikady io fampakarana vidin-tsolika io. Aorian'ny fampakarana vidin-tsolika sy herinaratra, te-hahazo antoka ny governemanta fa hoe tsy hahita vola handoroany tena intsony ny olom-pirenena

Mitondra antsika hiverina hahatsiaro ny pitikafo izay nandrehitra ny Lohataona Arabo io bitsika io, tamin'ny Desambra 2010., rehefa injay nandoro tena i Mohammed Bouazizi mpivarotra voankazo.

Mandritra izany, mampiseho ny filaharana lava ben'ireo fiara eo amin'ny tobin-tsolika iray ity lahatsary avy ao Mansoura ity, fiara izay lany solika :

Inona no havoaky ny ampitso ho an-dry zareo Ejiptiana?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.