Apoakan'ity Hetsika ity Amin'ny Marina Tsy Tiana Hivoaka Momba ny Mondialy Ny Foiben'ny FIFA ao Brezila

Facade of the luxury Hotel Copacabana Palace in Rio de janeiro, June 30, 2014. Photo by Coletivo Projetaçao on Facebook.

Manoloana ilay fandraisam-bahiny mirentirenty Copacabana Palace ao Rio de Janeiro, 30 Jona 2014. Mivaky hoe “Mampiantrano ny fiadiana ny amboara erantany i Brezila fa tsy afa-mividy na dia iray aza amin'ireo tapakilan'ny FIFA lafo loatra ireo ny Breziliana”. Saripikan'ny Coletivo Projetação zaraina Facebook.

Lasa sehatra fanipazan-kafatra ho fanoherana ny fiadiana ny amboara erantany, tamin'ny 29 jona 2014 ny Fandraisam-bahiny mirentirenty Copacabana Palace Hotel ao Rio de Janeiro — foiben-toeran'ny FIFA ao Brezila — . Atsipin'ireo mpikatroka amin'ny jiro sy hazavana ny zavamisy sy ny tarehimariky ny fiantraikan'ny fampiatranoana ilay hetsika ara-panatanjahantena goavana dia goavana ho an'ny Breziliana, tahaka ny fanerena hifindra toerana hanokafana fananganana foto-drafitrasa.

Coletivo Projetação (fanakambanana ny teny portiogein'ny tetikasa, vinavina ary katroka), vondron'olona mibodo ny toeram-bahoaka ho endrika fanehoan-kevitra politika, mitaky fandraisana andraikitra ao amin'ny hetsi-panoherana. Efa nanao hetsika mitovitovy amin'izao ny vondron'olona tao anatin'ny volana vitsivitsy izao tany an-tanàna Breziliana hafa sy tany ivelany. Tsidiho ny pejy Facebook sy ny habaka Projetacao.org raha hijery sary maromaro kokoa.

The collective projected on the wall some figures of Cup-related evictions in Rio de Janeiro.

Tarehimarika mifandraika amin'ny fanesorana ny olona amin'ny fonenany noho ny tetikasa mifandraika amin'ny mondialy ao Rio de Janeiro.

Na Cidade do rio :
16.700 people relocated
4772 families removed
plus 4.916 families
and 16 communities
with threat of removal

Ao An-tanànan'i Rio:
16.700 ny olona nafindra toerana
4772 ny fianakaviana nesorina
miampy 4.916 ny fianakaviana
sy 16 ny fokonolona mety mbola hafindra

"Brazilian investment, Fifa profit". Pictures were shared on Facebook and Twitter under the hashtag #projetaçodacopa

“Fampiasam-bola Breziliana, tombontsoa FIFA”. Saripika nozaraina tamin'ny Facebook sy Twitter hita amin'ny diezy #projetaçodacopa.

The Brazilian flag reads "bread and circus" instead of "order and progress".

Saina Breziliana mivaky hoe “mofo sy kianja filalaovana” fa tsy hoe “rindra sy fandrosoana”.

Copacabana Palace Hotel is considered South America's premier hotel.

Copacabana Palace Hotel heverina ho fampiatranoambahiny laharana voalohany ao Amerika Atsimo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.