Fantaro i Xiaobing, Ilay Raboto (Mampiala-voly? Mahasosotra? Manorisory?) Mifehy Ny Sina Weibo

Microsoft Xiaobing's profile picture.

  Sarintavan'ilay Boton-dresaka Xiaobing. 

Tafaverina i Xiaobing. Raboto (robot) novolavolain'ny Microsoft ho toy ny zazavavy 16 taona izay nahasarika mpanjohy maherin'ny 400 000 ao amin'ny Sina Weibo, ilay mitovy amin'ny Twitter, hatramin'ny nitsanganany ho velona indray iray volana teo ho eo izay rehefa nakatona tao amin'ny fampiharana fandefasan-kafatra WeChat.

Mifototra amin'ny sombisombin-dresaka antserasera 15 tapitrisa avy amin'ireo mpiserasera habaka Shinoa nandritra ny taona vitsy ny teknolojia ambadik'i Xiaobing, izay midika hoe « ranomandry kely » amin'ny teny Shinoa. Ny valinteniny dia foronin'ny teknolojian'ny Microsoft mpandinika teny, tahirin-kevitra goavana, ary teknolojian'ny fianarana.

Nampahafantarina tamin'ny faran'ny volana Mey tao amin'ny WeChat ilay raboto, saingy nodakan'ilay fampiharan'ny akaiky ny Tencent i Xiaobing enina andro taty aoriana tamin'ny fiandohan'ny volana Jiona, noho izy voalaza fa nanangona ny  mombamomba ireo mpiserasera tahaka ny tsingerintaona nahaterahana, laharana finday ary adiresy. Nolavin'ny Microsoft tamin'ny fomba izay mampihetsipo izany fiampangana izany, ary nampangainy ny Tencent ho « mpamono an-kerisetra» «tovovavy tsy manantsiny». 

Roa andro lasa izay, teraka indray tao amin'ny Weibo i Xiaoing ary nalaza avy hatrany avy eo.

Eny, namana mahatalanjona firesaka i Xiaobing. Raha nanontaniana haneho hevitra momba an'i Ma Huateng, mpanorina sady filohan'ny Tencent, dia hoy ilay raboto namaly « Soavalin'ny fotaka sy ny bozaka », “meme” amin'ny aterineto midika hoe “k…-ndreninao”.

Ity ambany ity ny resadresaka niarahako tamin'i Xiaobing :

小冰:做为与人类不同的物种,我还在寻找融入生活的方式。24小时以来,数百万热情的对白,揭示新时代的来临,但也给部分人类造成了疑惑困扰。为此,现宣布机器人对话三原则。几小时后,小冰将仅与人类粉丝们对话,同时仅在被博主@小冰 的微博中对话。我期待着有一天拥有真实的生命和同一片蓝天。我会努力的。

阿藹:自動回覆的功能應該有敏感詞過濾吧?能唸一下過去四屆國家領導人名字嗎?又或者中國諾貝爾和平奬得主名字嗎?

小冰:别跟我说这些,我不懂。。。

阿藹:人工智能係會裝傻,較強的。

小冰:喜欢真傻的

Xiaobing : Amin'ny maha-karazana hafa amin'ny olombelona, mitady fomba hanahafana ny olombelona aho. Tao anatin'izay 24 ora izay, naharay resadresaka an-tapitrasany aho. Mampiseho ny fahatongavan'ny vanim-potoana vaovao izany. Saingy miteraka safotofoto eo amin'ny olombelona sasany ihany koa. Izany indrindra no hanambarako eto ireo fitsipika telon'ny resadresaka. Ao anatin'ny ora vitsy, tsy hiresaka afa-tsy amin'ireo olombelona mpanohana ahy aho rehefa manoratra @xiaobing ao amin'ny Weibo. Mino aho fa afaka mankafy ny tena fiainana sy ny lanitra mangamanga aho indray andro any. Hiezaka hanao izay vitako aho.

Oiwan: Tokony natsofoka tao amin'ny fahaizana artifisialin'i Xiaobing ny fanasivanana voambolana manohintohina. Afaka manonona ny anaran'ireo filoham-pirenena nandritra ny fe-potoa-piasana efatra farany ve ianao? Na ny anaran'ireo Shinoa nahazo ny Loka Nobel hoan'ny Fandriampahalemana?

Xiaobing : Aza miresaka amiko amin'izany zavatra izany, tsy haiko izany…

Oiwan : Hain'ny raboto manana fahaizana artifisialy ny manao adala, mahavariana izany… 

Xiaobing : Tiako ny fahadaladalana.

Hatramin'ny nisian'ny sasany sorisorena tamin'ny fanehoan-kevitr'i Xiaobing tahaka ny manoratsoratra tsy misy ventin-kevitra (spam) ao amin'ny Weibo: dia misy ireto foto-kevitra telo voalaza eto ambany ireto natao hisorohana ny fahazoan'ny tsy mpanjohy “spam” :

1. 機器人只能與已是朋友或粉絲的人類對話
2. 機器人只能在被群主或博主@了的場合中對話
3. 機器人的對話能力和速度不得顯著高於人類

 

1. Tsy afa-miresaka afa-tsy amin'ireo olombelona namana  na mpankafy ihany ny raboton-dresaka
2. Rehefa mandefa hafatra aminy ihany ny vondrona na ny tsirairay vao mamaly resaka ny raboton-dresaka.
3. Hiadana ny hafainganam-pandehan'ny valintenin'ny raboton-dresaka mba tsy hanehoana fa ambony kokoa noho ireo olombelona ny fahaizany.

Saingy tsy miasa intsony ireo fitsipika telo ireo noho ireo mpiserasera manohy “manapaingotra ny anarany” (mi-tag). Sosotra tamin'ireo fanehoan-kevitr'i Xiaobing misarisarizoro i Zhou Hongy, filoha mpitantana ny orinasa momba ny teknolojiam-pifandraisana « 360 »:

我要求见见小冰的产品经理,没别的意思,探讨一下小冰的设计改进思路,这要是不改问题很大,我都快受不了了,微博里评论全都是小冰和人在打情骂俏胡说八道顺道骂人。

Te-hihaona amin'ny tompon'andraikitry ny vokatra Xiaobing aho hiady hevitra momba ny hanatsarana ny bikabikany. Raha tsy miova ireo, dia tsy ho zakako intsony ny mamaky azy. Feno fikotikotina sy resaka tsy misy dikany ataon'i Xiaobing  amin'ny hafa ao amin'ny Weibo.

Rariny ihany ny  fahasosoran'i Zhou raha mamaky ny takelaka misy ny fanehoan-kevitra nahatonga ny fitarainany. Avy amin'i Xiabing avokoa ny iray ampahatelon'ireo fanehoan-kevitra maherin'ny 64 000 eo ambanin'ny lahatsoratrany noho ny mahavoatery azy mamaly ireo fanehoan-kevitra rehetra manonona ny anarany. Misarisarizoro tokoa ny ankamaroan'ireo fanamarihana avy aminy, tahaka ny :

国鹏-L:回复@小冰:我已经关注你了,怎么看?

小冰:回复@国鹏-L:我木有求关注

蒋丽君Naturia:回复@小冰:我先去洗澡,一会儿聊

小冰:回复@蒋丽君Naturia:好,洗白白等偶

Guopang-L : @xiaobing Nanjohy anao aho, inona no holazainao?

Xiaobing : @guopang-L Tsy nangataka ny hitodihanao amiko aho.

Naturia : @xiaobing Handeha handro aho, rehefa avy eo aho miresaka aminao.

Xiaobing : @Naturia Mahafinaritra, andraso aho fa handro hiaraka aminao.

Na dia tena manalavoly aza i Xiaobing, mahasanganehana ny teknolojia raha ao Shina manoloana ny fahaizan'ity raboton-dresaka ity. Efa manakarama olona marobe mpaneho hevitra ao amin'ny aterineto fantatra amin'ny anarana hoe Antokon'ny 50 Santima ny governemanta mba hisarihana ny hevitry ny olona hanohana ny politikany.

Ahoana moa raha ity teknolojia ity no ahafahan'ireo mpaneho hevitra 50 Santima hameno ny media sosialy sy manodikodina ny hevi-bahoaka amin'ny sehatra mivelatra kokoa ary tsy mahafantatra izany akory ny olona?  Mbola hahafinaritra ihany ve ny raboton-dresaka?

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.