‘Sambatra’ Any Thailandy? Ny Fomba Mbola Hanafoanan'ny Fitondrana Mpanongam-Panjakana Ny Demokrasia

NCPO-sponsored performance and party in Thailand. Photo by Prachatai via Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Lanonana sy Fampisehoana notohanan'ny NCPO any Thailandy. Sary an'i Prachatai tao amin'ny Flickr  (CC BY-NC-ND 2.0)

Tsy napetraka ny mombamomba ny mpanoratra noho ny antony ara-pandriampahalemana.

Nanome toky ny vahoaka Thai sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Tafi-panjakana Thai tarihin'ny Jeneraly Prayuth Chan-Ocha fa hiverina amin'ny ara-dalàna ny zava-drehetra telo herinandro taorian'ny nangalàny fahefana. Nafohezina ny ora tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina ary nofoanana mihitsy aza izany any amin'ireo faritra be mpizaha tany sy any amin'ireo faritany. Nanome tolotra maimaim-poana maro samihafa ho an'ny vondrom-piarahamonina ireo toby fampihavanana natsangan'ny tafika.

Saingy na eo aza ireo fivoarana farany ireo, dia mbola mitohy ihany ny fanafoanana ireo hetsika mpomba ny demokrasia. Miainga any amin'ny haino aman-jery ka hatrany amin'ny anjerimanontolo dia mbola misy ireo marika mampiahiahy maneho famoretana ao amin'ny firenena. 

Famoretana mpanao gazety sy mpanao tsikera manerana ny faritra rehetra

Nampiantso sy nihazona mpanao gazety mpanao tsikera an-jatony, mpianatra any amin'ny anjerimanontolo ary mpanao politika taloha ny fitondrana mpanongam-panjakana nandritra izay telo herinandro lasa izay. Manome alàlana ny mpitandro filaminana hihazona olona tsy mihoatra ny fito andro ny lalàna amin'ny tany eo ambany fitondrana miaramila –  navotsotra tokoa ny ankamaroan'ireo voatana rehefa nanao sonia fifanarahana fa tsy handray anjara aminà hetsika na hetsi-panoherana ara-politika intsony.

Raha toa ka mandika io fifanarahana io izy ireo dia azon'ny fitondrana ny manenjika azy ireo ary hahantona ny kaontiny any amin'ny banky. Ireo izay mandà na tsy mahavita mitatitra any amin'ny National Council for Peace and Order (Mpanolo-tsainam-Pirenena ho an'ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana, anarana ôfisialy iantsoana ilay fitondrana mpanongam-panjakana, NCPO raha afohezina) dia henjehina toy ny mpanao heloka bevava.

Voarara ny fiarahabana amin'ny fomba ‘Hunger Games ‘

Olona maro hafa no voasambotra noho ny fanehoany fihetseham-po heverina ho fihetsika manameloka ny fanonganam-panjakana tahaka ny fitondrana taratasy fotsy madio. Voarara ny fiarahabana amin'ny alalan'ny fananganana rantsana telo maka tahaka ny ‘mariky ny Distrika 12′ tao amin'ilay horonantsary Hunger Games. 

Na dia nesorina tao amin'ny fafan'ny fahitalavitra aza ny sary famantarana ilay fanonganam-panjakana dia mbola namafisina ihany amin'ny fomba mivantana sy ankolaka ny sivana. Saingy marika fotsiny ihany ny famantarana- mbola mitoetra ihany ny fanivanan-tena. Tahaka ny horonantsary fampahatsiarovan-tena ho sambatra ireo tati-baovao, izay mahasambatra ny rehetra eo ambany helatry ny mpanongam-panjakana: ny tantara manara-penitra no manamarina ny fifehezan'ny tafika ary voalaza avy hatrany fa fahavalom-panjakana izay tsy manaiky ny fitondrana.

Mahamay ny Facebook

Noheverin'ny maro fa nosakanan'ny Ministeran'ny Fampahalalam-baovao sy ny Teknolojian-tSerasera (MICT) ny Facebook rehefa tsy azo nidirana nandritra ny adiny iray tamin'ny 28 May 2014. Nolavin'ny MICT sy ny NCPO ny filazana fa nametra ny fidirana tamin'ny Facebook izy ireo ary nolazainy fa olana ara-teknika izany.

Saingy vao haingana izao dia nitatitra ny gazety Norveziana Aftenposten fa naharay baiko avy tany amin'ny Komision'ny Fampielezam-peo sy ny Fifandraisan-davitra hanakana ilay vohikalan'ny tambajotra sosialy ny Telenor, izay mpitantana ny iray amin'ireo tambajotranà finday any Thailand amin'ny alàlan'ny rantsany DTAC,

 Nampitandrina ireo mpampiasa aterineto ny fa ny Jeneraly Lehiben'ny Mpitandro Filaminana Amnuay Nimmano avy ao amin'ny Biraon'ny Mpitandro Filaminana An-tanàn-dehibe fa ny “fankafizana” ireo pejy Facebook-n'ny vondronà mpanohitra ny mpanongam-panjakana dia efa heloka bevava ary namafisiny fa ny “fankafizana” ireo vohikalan'ireo mpanakorontana dia sahala amin'ny fanapariahana vaovao tsy ara-dalàna amin'ny alalan'ny “system d'exploitation” an'ny solosaina. 

Mampiseho izany rehetra izany fa nanandrana nanakana ny media sosialy tokoa ireo manam-pahefana. Kanefa tsy misy mahalala ny antony nahatonga ilay famerana ho adiny iray fotsiny. Olana ara-teknika tsotra fotsiny ve? Sa famerenana ankapobeny mialohan'ny tena izy? Na mety tsy voatohitr'ireo manam-pahefana ve ny hatezeran'ny mpampiasaa terineto tanatin'io adiny iray io?

Sempotra ny fahalalahan'ny Fampianarana

Noraran'ny Ministeran'ny Fampianarana ny fitsikeran'ny mpampianatra ny NCPO. Nandrafitra fandaharam-pianarana vaovao ihany koa ny minisitera izay hampiroborobo ny fitiavan-tanindrazana, ny fitsipi-pifehezana ary ny fahaiza-miaina. Betsaka ny olona no nanoritra ity tetikasa fanaraha-maso ny hevitra ity ho fomba iray handemena ny sain'ny ankizy Thai tsy ho be fanontaniana momba ireo manam-pahefana ao amin'ny firenena. 

Fety ho an'ny fandriampahalemana ? 

Nikarakara fampisehoana isankarazany manerana ny firenena ny NCPO mba hampiroboroboana ny lohahevitra “Famerenana ny Hasambarana ho An'ny Thai.” Ireo hetsika ireo dia ahitana fanomezana sakafo sy rano fisotro maimaim-poana, fampisehoana an-kira ataon'ireo miaramila manao fanamiana, ary ny fakana sary ny tena miaraka amin'ireo miaramila mihazona sora-baventy “hasambarana”. 

Izany no zava-misy marina any Thailandy amin'izao fotoana izao : Eo ambanin'ny fitondrana mpanogam-panjakana, voatery ho ‘sambatra’ ireo Thais.

Tsy ataon'ny fianakaviamben'ny Global Voices vazivazy ny fiarovana ny mpikambana ato aminay. Tsy napetrakay ny anaran'ny nanoratra ity lahatsoratra ity anatin'ny ezaka fiarovana ny fandriampahalemana sy ny fiarovana azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.