Brezila: Toerana 5 Nanaovan'ny Olona Hetsi-Panoherana, Fa Tsy Fanohanana, Nandritra Ny Fanombohan'ny Fiadiana Ny Amboara Eran-Tany

Protests throughout the country during the first World Cup day asked FIFA to go home.

Vahoaka nanao hetsi-panoherana nanerana ny firenena nandritra ny andro fanokafana ny fiadiana ny Amboara Erantany. Sary: Mídia Independente/Facebook

Raha nanafana tena tany São Paulo ny ekipam-pirenena Breziliana hiatrika ny lalao voalohany amin'ny fiadiana ny Amboara Erantany lafo indrindra teo amin'ny tantara, dia feno olona manohitra ny FIFA sy ny governemanta Breziliana kosa ireo làlana tany ivelan'ny Kianja Corinthians sy manerana ny firenena.

Seho nitovy tamin'ilay efa nitranganandritra ny fiadiana ny Amboaran'ny Konfederasiona tamin'ny herintaona izany, izay natao tany Brezila ihany. Na tany amin'ireo tanàna nandraisana ny lalao, na tany amin'ireo tsy nandray izany toa an'i Belém any avaratra, dia nirotsaka an-dalàmbe ny vahoaka ho fanoherana ny fandaniam-bolam-panjakana be loatra tamin'ny fanomanana ny lalao fiadiana ny Amboara Erantany raha toa ka tokony nolaniana tamin'ny sehatra toy ny fanabeazana sy ny fahasalamam-bahoaka, ankoatra ireo maro hafa. Araka ny voalazan'ny governemanta Breziliana, 25 lavitrisa reais ( 11 lavitrisa dolara amerikana) no lany tamin'io hetsika io.

Ho an'ireo mpikomy dia tena zava-mampitaintaina tokoa ny herisetra nataon'ny mpitandro filaminana hatramin'ny nampiasàna herisetra henjana nanoherana ireo onjam-panoherana ny governemanta fantatra amin'ny hoe Fanoheranà Vinaingitra izay nanozongozona ny firenena tamin'ny 2013. Tao São Paulo, olona 40 mpilatsaka an-tsitrapo no nanambara fa hirakitra sy anao lisitra ireo tranganà herisetran'ny mpitandro filaminana.

Nanaraka ny fironana ireo hetsi-panoherana tamin'ny 12 Jona 2014, ary maro no naratra nandritra ireo fifandonana tamin'ny mpitandro filaminana, isan'izany ireo mpanao gazety. Topazo maso eto ambany ny dimy amin'ireo ireo hetsika izay tena goavana : 

An indigenous teen managed to fool FIFA to protest during the opening ceremony.

Nandehandeha tanatin'ireo media sosialy ity sarinà adolantsento iray manao hetsi-panoherana nandritra ny lanonam-mpanokafana ny fiadiana ny Amboara Erantany ity.

1. SÃO PAULO | Mpanao gazety efatra no naratra teny an-dàlana, ary zatovo iray tompon-tany no nitarika hetsi-panoherana tao anatin'ny kianja.

Toerana nisehoan'ny fifandonana mahery vaika indrindra teo amin'ny mpitandro filaminana sy ireo mpanao hetsi-panoherana i São Paulo. Mpanao gazety efatra no naratra, isan'izany ny mpitatitra roa avy amin'ny CNN. 

Na teo aza ireo dingana rehetra ho fiarovana tao amin'ny kianjan'i Itaquerão mba hanakanana ireo petadrindrin'ny mpikomy, dia nisy lehilahy tanora tompon-tany iray nahavita nanangana hetsi-panoherana fohy teo amin'ny kianja nandritra ny lanonana fanokafana. Voaasa ho fanehoana ny lovan-drazana ara-kolontsaina ao Brezila izy sy ireo tanora adolantsento roa, ny iray taranakà Afrikana ary ny iray taranakà Eoropeana.

Ho an'ireo izay nijery izany tanaty TV dia nanofahofa tànana tamin'ny vahoaka ireo tanora ireo raha nivoaka – dia izay. Kanefa ireo tanatin'ny kianja dia nahita azy nampiseho sorabaventy menamena misy soratra hoe “Demarcação” (Tsipika manasaraka), fiarovana  ampahibemaso ny fanavahana ny tanin'ireo teratany. Naparitaka be tao amin'ny media sosialy ireo sarin'ilay hetsi-panoherana. 

2. PORTO ALEGRE | olona 15 nanohitra no voasambotra ary mpaka sary iray voan'ny baomba mankarenina nalefan'ny mpitandro filaminana .

Tany amin'ny tanàna atsimon'i  Porto Alegre, nisy hetsika nokarakarain'ny vondrona Ady Farimbona Ho an'ny Fitateram-Bahoaka  (Bloco de Luta pelo Transporte Público) ary nahavory olona teo anelanelan'ny 300 sy 1.000.  Efa antoandro ihany vao nanomboka ilay hetsika ary tsy nifarana raha tsy noravan'ny mpitandro filaminana teo an-toerana  tamin'ny fanipazana baomba mandatsa-dranomaso na grenady mankarenina. Mpaka sary izay nitatitra ilay diabe no voan'ny iray tamin'ireny grenady nalefan'ny mpitandro filaminana ireny. 

Tena voatsikera ireo mpikambana ao amin'ny vondrona tsy tàn-dalàna Black Bloc ( vondrona mainty mpanao fanjakan'i Baroa) tamin'ny namakiany ny varavaran-kelin'ny banky sy ny nandrobàny ireo tsenam-barotra hafa nandritra ireo fihetsiketsehana.

3. RIO DE JANEIRO | olona an'aliny no nanao hetsi-panoherana tahaka ireny manao karnivaly ireny, saingy noravan'ny mpitandro filaminana ny lanonana. 

Nanodidina ny 10.000 ireo mpikomy tany afovoan-tanànan'i. Nanomboka tamim-pilaminana izany niaraka tamin'ny filalaovan'ireo mpikomy ny mozikan'ny Karnivaly, jereo eto ny lahatsary YouTube:

Nefa araka ny fitantaran'ny firaisan'ny  haino aman-jery mahaleo tena  (Mídia Indepedente) dia ny mpitandro filaminana no nahatonga fihenjanana teo amin'ireo mpitandro filaminana sy ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny fanosehana ny vahoaka sy vely kibay. Tonga ny herisetra rehefa tonga teo amin'ilay tata-drano manan-tantara ao amin'ilay tanàna manan-tantaran'i Lapa ry zareo. Raha kely indrindra dia mpanao gazety tsy miankina roa avy amin'ny Collective Mariachi no voadaroka sy nosamborin'ny mpitandro filaminana satria nanary fako teo amin'ny tany

3 no naratra ary 14 no voasambotra tamin'ny fiafaran'ny hetsika.

4. BELO HORIZONTE | Mpanao gazety iray mahaleotena no voasambotra sy voalaza ho nampijalian'ny mpitandro filaminana dimy. 

Raha mbola nivory hanao hetsi-panoherana ny tany Belo Horizonte, Breziliana iray mpaka sary avy amin'ny Reuters kosa no voaan'ny vato nifampitorahan'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana teo amin'ny lohany.

Karinny de Magalhães, mpanao gazety mahaleo tena miasa ho an'ny fikambanana NINJA, no voasambotra ary voalaza fa nampijalian'ny mpitandro filaminana dimy. Nolazainy fa  reny ireo mpitandro filaminana ireo niteny hoe ny mpanao fihetsiketsehana no ” homamiadan'izao tontolo izao” ka ” tokony ho faty daholo” . Ny fampiasan'ny mpitandro filaminana hery no nampiseho ny tsy fiomanany manoloana ny olon-tsotra araka io mpanao gazety io.

5. FORTALEZA | Nalainà mpiambina olon-tsotra manao fitafin'olon-tsotra ny fakantsarinà mpanao gazety tsy miankina iray nandritra ny hetsi-panoherana nanoloana ny mpankafy ny lanonana nataon'ny FIFA. 

Ny vondron'ny mpanao gazety tsy miankina  Nigéria no nitantara ny hetsi-panoherana tany Fortaleza, notaterin'izy ireo fa nivory nanoloana ny tora-pasik'i Náutico ao aminà toerana malaza noho ny fisian'ilay trano fandraisam-bahiny tena raitra sy ireo trano iaraha-manana natao ho an'ireo sangany, ireo olon-dehibe, ny tanora ary ny ankizy avy amin'ny hetsika sosialy, ireo vondrona mpiaro ny tompon-tanàna, ny vondrona manohitra ny fangoronan-karena.

Arahana mpitandro filaminana nahazo fiofanana manokana akaiky ry zareo raha nandeha nandalo ireo tangoron-trano vitsivitsy mba hihazo ny tora-pasik'i Iracema, toerana izay nivorian'ireo mpanohana ny FIFA miaraka amin'ireo mpijery baolina an'arivony. Nanao hiakam-panoherana, mitsikera ny hetsi-‘panararaotana’ ataon'ny FIFA ary mitaky ny ‘ fanafoanana ny asan'ny tafika ataon'ny mpitandro filaminana ireo mpanao fihetsiketsehana.

Nisy vondrona nandoro Fuleco – endrika ofisialy hahalalàna ny fiadiana ny amboara eran-tany- tao. Nisy fotoana nifandonan'ireo mpanao fihetsiketsehana sasany sy ny mpitandro filaminana ary nampiasa ny ‘ taser’ ( fitaovana manangoly) ny sasany mba hahafahana misambotra azy ireo. Niditra an-tsehatra ny mpiambina manokana ny FIFA. Nisy mpanao gazety Nizeriana iray nodarohana avy eo nalainà lehilahy iray mitafy tsotra ny fakàntsariny izay natsipiny avy eo, ary mpitandro filaminana iray hafa no nanakana ilay mpanao gazety tsy haka azy io.

The collective published footage of the confrontation, including unsuccessful attempts to reclaim the camera:

Navoakan'ny fikambanana ny lahatsary mampiseho ny fifandonana, ahitàna ny andrana tsy nahitam-bokany haka indray ilay fakantsary :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.