Nilaza i Rosia Fa Mampiely “Extremisma” Ny Aterineto

Is the Internet Russia's greatest extremist threat? Images mixed by author.

Ny aterineto ve no atahorana indrindra ivoahan'ny extremisma ao Rosia? Sary namboarin'ny mpanoratra.

Namolavola tetikady maharitra folo taona hiadiana amin'ny extremisma maherisetra ny Minisiteran'ny Atitany ao Rosia, izay apetraka ao anatin'ny lalàna federaly efa ahitana ny zava-drehetra manomboka amin'ny heloky ny fankahalàna ka hatramin'ny revolisiona mitam-piadiana. Amin'ny alalan'izany drafitrasa lavitra ezaka izany, izay tafaporitsaka tao amin'ny gazety Kommersant izany, mety hanenjika izay loharanom-baovao extremista ny manampahefana ary miasa amin'ny fijoroana tsara manoloana ireo hevitra extremista.

Mametraka ny hetsi-panoherana an-dalambe ho “fitaovana fototra mahatonga ny fiarahamonina te-hanova hatrany” ilay drafitrasa, tamin'ny fandresen-dahatra fa afaka manova ny fihetsiketsehana milamina hivadika rotaka ireo extremista (mahery fihetsika) amin'ny alalan'ny fanapariahana hevitra feno fankahalàna ato amin'ny aterineto.

Araka ny filazan'i Kommersant, ny tetikady vaovaon'ny ministeran'ny atitany dia ny hamafa ny fifantohan'ny fanjakana amin'ny “fihetsiketsehan'ny extremista”  mba hanoherana mivantana ny “fotokevitra extremista”.Eo amin'ny fampiharana, mety hanitatra ny fahefana ara-politikan'ny governemanta izany amin'ny fanomezana alalana ireo manampahefana hamafa ireo fitaovana (votoaty) antserasera izay ahitana hetsipo ara-poto-kevitra tsy mampiseho herisetra mivantana.

Ahitana dingana efatra lehibe hiadiana amin'ny extremisma ny  drafitrasa  :

  1. Manara-maso akaiky ny fampahalalam-baovao antserasera sy ny fampahalalam-baovao mahazatra izay mampiely foto-kevitra extremista. 
  2. Mamelatra fomba vaovao hamerana ny fidirana amin'izany fitaovana (votoaty) izany. Ohatra, manoro hevitra ny mpanoratra  vitsivitsy mba hanitatra ny lisitra maintin'ny Aterineto ao Rosia.
  3. Mikarakara fanentanana “hanoherana ny propagandy (extremista) ” amin'ny tranonkalan-tambajotra.
  4. Manitsy ny fampianarana ireo ankizy mpianatra sy mpianatra asa fanoratan-gazety hamolavolana mpanohitra ny extremisma sy hahatsapa adidy ara-pitondrantena sy arak'asa hiady amin'ny extremisma sy ny fampihorohoroana.

Nitatitra ny Kommersant fa manantena “fanohanana ara-poto-kevitra” avy amin'ny firaisamonim-pirenena sy ny haino aman-jery ireo mpanoratra ny tetikady.”

Tsy i Rosia ihany no firenena tokana mahita ny aterineto ho fitaovam-piadian'ny extremisma. Tatitra avy amin'ny governemanta Amerikana tamin'ny taona 2011, ohatra, niantso ny Aterineto ho “singa mety hanome tanjaka ny herisetra, ahafahan'ireo extremista maherisetra any ivelany hifandray mivantana amin'ireo olona kendrena”. Nitarika ilay antsoina hoe “fiaraha-mientan'ny governemanta manontolo” hanohitra ny extremisma ny Trano Fotsy, izay ahitana fandaharan'asa atao aorian'ny fianarana an-tsekoly (parascolaires), fikambanana miankina amin'ny fiaraha-monina hanampy ireo mpifindra monina vaovao, fandaharan'asa fisorohana ny herisetra, ary ireo “mpiara-miasa hafa tsy misahana ny resaka fiarovana”.

Na dia izany aza, mety hisy fiantraikany goavana ihany amin'ny aterineto ny politikan'ny ady amin'ny extremisma ao Rosia.  “Tsy tahkaa ny drafitrasan'ny Minisiteran'ny Atitany”, nanoratra tao amin'ny habaka fanaraha-mason'ny RuNet, TJournal.ru, i Viktor Stepanov, fa “ny tolona ataon'i Amerika amin'ny extremisma antserasera dia tsy misy filazana fanakatonana loharanom-baovao amin'ny Habaka na “miasa miaraka amin'ireo mpamatsy tolotra Aterineto. “

Nilaza ny tati-baovao fa mety misy ifandraisany betsaka kokoa amin'ny fampihorohorona sy ny filaminam-pirenena ny tahotr'i Washington amin'ny extremisma sy ny Aterineto fa tsy amin'ny foto-kevitra. Etsy ankilany i Moskoa miresaka momba ny ady amin'ny tambajotra sosialy antserasera sy ny fihetsiketsehana an-dalambe, izay mametraka fa manahy kokoa amin'ny mpanohitra politika ao Rosia ny ahiahin'i Kremlin fa tsy amin'ny fampihorohoroana.

Vao haingana ny minisiteran'ny atitany no nampahafantatra ny tetikadiny hanoherana ny extremisma manoloana ny Filan-kevitry ny filoham-pirenena misahana ny Zon'olombelona, vondrona mpanoro hevitra izay manampy an'i Kremlin amin'ireo olana ara-pahalalahana politika sy ny firaisamonim-pirenena. Naneho hevitra tamin'ny fomba tsy dia mazava (manana hevi-droa) ireo mpikambana tao amin'ny Filan-kevitra amin'ny andian-dalàna tsy mety tapitra mikiky tsikelikely ny fahalalahana ao amin'ny RuNet.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.