Amboara Erantany : Fihetsik'ireo Shileana Tamin'ny Fandreseny An'i Espaina

Thousands of people gathered in the center of Santiago to party after Chile beat Spain 2-0 in their Group B FIFA World Cup match. Photo by Fernando Lavoz. Copyright Demotix.

Olona an'arivony no mijery ny fandresen'i Chile an'i Espaina 2-0 ao amin'ny vondrona B tamin'ny fizarana nataon'ny FIFA ho amin'ny lalao fiadiana ny amboara eran-tany. Sary avy amin'i Fernando Lavoz. Fizakàmanana  Demotix.

Nandroaka an'i Espaina, tompon-daka erantany tamin'ny 2 no 0 tany Estádio do Maracanã any Rio de Janeiro ny ekipam-pirenen'ny baolina kitran'i Chile tamin'ny fiadiana ny amboara erantany FIFA 2014 atao any Brezila, baolina matin'i Eduardo Vargas teo amin'ny minitra faha-20 sy i Charles Aránguiz teo amin'ny minitra faha 43. 

Saika teo no ho eo ihany, ny andron'ny 18 Jona 2014 dia nidina teny an-dàlambe ny Shiliana maneran-tany hankalaza izany. Nanomboka ihany koa ny sera fanehoan-kevitra tanaty aterineto, toy ny El blog de mi fútbol ecuatoriano (Ny bilaogin'ny baolina kitra Ekoaterianako) izay mampahatsiahy tantara sasantsasany :

La Roja, humillada por Holanda en la primera jornada (5-1), consumó la debacle este miércoles al caer derrotada por Chile y se queda ya sin opciones de clasificarse, incluso antes del tercer partido ante Australia.

El equipo de Vicente del Bosque se convierte en el cuarto campeón en la historia en despedirse a las primeras de cambio al no haber sumando un solo punto tras dos partidos.

Tamin'ny Alarobia 18 jona 2014, samy nanamafy izany fahavoazany izany ny La Roja [Ny Mena, anarana nomena ireo ekipam-pirenena roa ireo, ny Chileana sy ny Espaniola], nalain'i Holande baraka tamin'ny lalao voalohany nataony (5-1), rehefa resin'i Shilia ry zareo, ary tsy misy fomba ahazoan-dry zareo hiakatra amin'ny dingana faharoa intsony, na dia talohan'ny lalao fahatelo ataon-dry zareo amin'i Aostralia aza.

Ny ekipa zarin'i Vicente del Bosque no ekipa tompon-daka faha-efatra amin'ny tantara hametra-beloma aty am-piandohana rehefa tsy afaka nitoko na dia isa iray aza tamin'ny lalao anankiroa nataony.

Fintinin'ny vohikalan'ny Florida Diario izany :

España, el último campeón del mundo que prometía en Brasil, fracasó en sus primeros dos partidos y terminó eliminado por una destacada selección de Chile.

Resy tamin'ny lalao roa nataony ary naondriky ny ekipam-pirenena nisongadin'i Chile i Espaina, tompon'ny anarana maha-tompondaka eran-tany amin'izao fotoana izao any Brezila.

Nirotsaka an-tsehatra nanohana izany ireoy mpisera amin'ny Twitter, ny sasany nankalaza ny fandresen'ny ekipan-dry “zareo” miakanjo mena:

LOL!!! resinay teo an-kianja ry zareo !!!!

Mahafinaritra ny mahita ny Chileana mankalaza ny fandresena! Hatrany Arzantina, mahafinaritra ny mahita azy tahaka izao!

Mankalaza ihany koa izahay aty Antarktika.

Ny sasany tamin'ny mpomba ny Espaniola nanandrana nijery ny lafy tsaran'ilay faharesena  :

Mihoatra lavitra noho izay fandresena na faharesena ny fitiavana ekipa iray. Misaotra noho izay taona rehetra izay ry ekipam-pirenena Espaniola. Miarina mandrakariva ny tompon-daka. Mitsikia.

Nanome teny fampaherezana i Pau Gasol, matihanina mpilalao baolina baskety malaza ao amin'ny Lakers any Los Angeles : 

Mamporisika ny ekipam-pirenenay aho. Nanome anay fotoana tena nahafinaritra ianareo ary azoko antoka fa mbola hampiaina anay fotoana tahaka izany indray ianareo.

Nitatitra ny fialantsinin'ny mpiandry tsatokazo, Iker Casillas, taorian'ny lalao ny Fútbol Mediaset, vaovao ara-panatanjahan-tena : 

Iker Casillas: “Miala tsiny amin'ny vahoaka izahay, efa nanao izay rehetra azonay natao izahay “.

Tsy dia misy fitserana loatra ny olona sasany tahaka ity kaontyTwitter an'i @iauraB ity :

E, Iker Casillas, raha toa ianao ka te-hianatra ny hoe inona no atao raha te-ho mpiandry tsatokazo tsara, azoko atao ny mampifandray anao amin'i  Memo Superman Ochoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.