#WorldCup2014 : Socceroos-n'i Aostralia Mirehareha Amin'ny Fandresen'i Shilia Azy

Tim Cahill - The Age 15 June 2014

Tim Cahill amin'ny gazety  The Age nivoaka tamin'ny 15 Jona 2014.

Manana fahazarana maharitra amin'ny fitadiavana ny hambom-pom-pirenena ao anatin'ny faharesenay izahay Aostraliana. Ny zavatra niainana tamin'ny ANZAC tany Gallipoli tamin'ny Ady Lehibe Voalohany no ohatra malaza amin'izany. Ny faharesena 1 noho 3 nanoloana an'i Shilia tamin'ny #WorldCup2014 (fiadiana ny amboara erantany 2014) no ohatra farany.

Nolazain'i Lisa Singh, Loholona avy amin'ny antokon'ny mpiasan'i Tasmania ao amin'ny parlemanta federaly  tamin'ny teny fohy izany :

Arahabaina ry @Socceroos  mampirehareha an'i Aostralia ianareo  #GoSocceroos (alefa ry Socceroos)

Niaraka tamin'ny Tafika Maitso sy Ranom-bolamena (@GGArmy) i Francis Leach,  ‘mpanao gazety ara-panatanjahantena’ manana ny fihaingony manokana toy ny fihaingon'ireo mpanohana ny ekipam-pirenen'i Aostralia 

Francis Leach

Fanomezana malalaka avy amin'i Francis Leach.

Tena nampifaly tena tanteraka izy :

Ahitana Aostraliana eny rehetra eny ! nanala ny lambany @gomvfc ! ilay Breziliana mpandroso sakafo anay tao Gramado ( ao amin'ny ankavanana) @GGArmy @Socceroos

Maneho fihetsika mihantsy i @geeksrulz, i Aostralia rahateo no hilalao amin'ny Espaina amin'ny fihodinana voalohany :

Socceroos ratsy vintana. Ezaka mivaivay. Toe-tsaina miady bebe kokoa noho Espaina, tompon-daka erantany  #CHIAUS #SBSworldcup

Hain'ny Socceroos ny fomba hankasitrahana ireo mpitia azy :

@Godders_20 Misaotra noho ny fanohananareo. Ity misy sarin'ny ekipa @Socceroos vita sonia avy amin'i Mile Jedinak #GoSocceroos

Tsy misy ny baolina kitra raha tsy farafaha-ratsiny misy ny tsy fetezan'ny fitsarana sy ny fangalarana. Niray feo tamin'ny rehetra ilay mpamono baolina tokanay, i Tim Cahill :

Nitabataba i Cahill ‘ Shiliana mpangalatra’, ny mpitsara : Lazain'ireo kintan'i Socceroos fa norobaina taminy ny  ‘penalty’ mazava tao amin'ny….http://t.co/Vh7aXzrY18

Fa mbola mitohy ihany ny olana momba ny anarana ho an'ny Piraiminisitra Tony Abbott izay nandeha tany ivelany nandritra ny diany. Rehefa naka ohatra an'i Canadia izy dia nafangarony ny anaran'ny  kapiteny Mile Jedinak, izay nahatonga ny tenifototra hoe #Mike ho latsaka ambany. 

Nirakotra ny lamban'ny Aostraliana, mandefa ny hafatra fanohanana ho an'ny #Socceroos sy mahazo ny anarana dison'ny kapiteny ny PM http://t.co/bonFF07JLJ

Nibitsika i Van Badham, mpanao gazety politika sady mpanao tsikera ny PM :

Nahazo ny anarana dison'ny kapitenin'ny Socceroos i Tony Abbott. JESOA ô!  raha sitrakao aza takiana aminy ny fanazavana ny lalàn'ny tsy ao anaty lalao ( hors-jeu) http://t.co/wcp22H0P8f

Fa aoka tsy ho faranana aminà lahatsoratra mahakivy. Nozarain'i  Sam McMillan ity fotoana ity : 

Ambony kokoa noho ny mandresy na resy tsotra izao ny baolina kitra. Bresciano= fihetsiky ny olona ambony @Socceroos sary avy amin'i @Godders_20 pic.twitter.com/HpLGlQXGF6

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.