FANAMBARANA: Mitaky Ny Famotsorana An'ilay Mpampianatry Ny Oniversite Alexander Sodiqov Ny Global Voices

Ny fikambanana Global Voices dia miantso ny famotsorana an'i Alexander Sodiqov, teratany Tajik sy mpianatra doktorà ao amin'ny Oniversiten'i Toronto ary mpanoratra ato amin'ny Global Voices izay nogadraina ao Tadjikistan amin'izao fotoana izao.

Nosamborina tamin'ny 16 Jiona tao amin'ny Faritra Mahazakatenan'i Gorno-Badakhshan ao Tadjikistan i Alex, faritra nanaovany fikaroham-bahaolana momba ny ady izay tafiditra ao anatin'ny tetikasa ifarimbonana andalam-panatanterahana amin'izao fotoana ary iarahana amin'ny Oniversiten'i Exeter. Teo am-panaovana antsafa tamin'i Alim Sherzamonov, solontenam-paritra avy ao amin'ny Antokon'ny Mpanohitra Sosialy-Demaokraty ao Tadjikistan i Alex raha nohatonina sy nalain'ireo polisy manamboninahitra mitafy sivily an-keriny izay voalaza fa nilaza ny tenan'izy ireo ho mpitandro ny filaminan'ny fanjakana.

Namoaka fanambarana manamafy ny fisamborana an'i Alex ny Komitim-panjakana misahana ny Filaminam-pirenena avy eo ary nilaza fa voarohirohy ho manao fitsikilovana iraky ny governemanta avy any ivelany tsy fantatra anarana i  Sodiqov. Na dia izany aza, tsy nanamafy ireo manampahefana fa nampidirin'izy ireo am-ponja izy.

Miha-mitovy amin'ny fanjavonana noterena ny fanagadrana an'i Alexander, izay tsy ara-dalàna araka ny voalazan'ny lalàna iraisam-pirenena. Tamina fanambarana, nilaza ny Mpanara-maso ny Zon'Olombeona fa miseho ny fanjavonana noterena rehefa “mandà tsy hiaiky fa nampiditra olona am-ponja na manafina ny manjò sy ny toerana misy ny olona ireo mpitandro ny filaminan'ny fanjakana, ka mametraka azy ho ivelan'ny fiarovan'ny lalàna.”

Fikambanana bilaogera, mpikatroka, mpanoratra sy mpandika teny avy amin'ny firenena 167 ny Global Voices. Laharam-pahamehana amin'ny andraikitray ny zon'olombelona manerantany mikasika ny fahalalaham-pitenena: manambara ireo tantara zara-raha voatatitra manerana izao tontolo izao sy miaro ny zon'ny tsirairay  haneho hevitra an-kalalahana sy tsy amin-tahotra. Amin'ny maha-mpampianatra ambony eny amin'ny oniversite azy, mavitrika tanteraka amin'ny famoahana tantaran'ny olona avy amin'ny lafy marobe amin'ny adihevitra politika ao amin'ny firenena nahaterahany i Alex. Tafintohina izahay noho ny fanitsakitsahana ny zony amin'ny fahalalaham-pitenena ary miahiahy tanteraka ny amin'ny fiarovana azy. Mitaky amin'ireo manampahefana Tadjik izahay mba hamotsotra an'i Alex tsy misy hatak'andro sy tsy misy fepetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.