Fortaleza, Brezila : Tantara Roa Momba Ny Fiadiana Ny Amboara Erantany

"Enough with evictions. We want housing", says the yellow banner by MCP. Photo shared on Twitter by Jornalismo B profile (@jornalismob).

“Aoka izay ny fandroahana. Mila trano fonenana izahay”, izany no sora-baventy hita eo amin'ilay lamba mavo entin'ny Hetsiky ny Filankevi-Bahoaka. Sary zarain'i  Jornalismo B profile (@jornalismob) ao amin'ny Twitter.

Mifangaro amin'ny hiran'ireo mpanao hetsi-panoherana ny vovozela sy ny afomanga  nialohan'ny lalao nihaonan'i Meksika sy Brezila amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany  tamin'ny 17 Jona 2014 teo akaikin'ny kianjan'i Arena Castelão ao an-tanànan'i Fortaleza any Brezila. Raha toa ka nanala azy nialoha ny lalao ireo mpanohana Meksikana, ny mpanao fihetsiketsehana kosa dia nanohitra ny FIFA sy ny governemanta noho ny fidangan'ny fandaniana natokana ho an'io hetsika io izay nalaina tamin'ny volam-panjakana sy ny vahoaka ka nahatonga ny sasany amin'izy ireo ho tsy manan-kialofana noho ny fananganana fotodrafitrasa.

Vao tamin'ny herintaona no nilalao tao Fortaleza ireo ekipa roa ireo tamin'ny fiadiana ny amboaran'ny  konfederasiona. Raha toa nandresy an'i Meksika 2-0 i Brezila tao anatin'ny kianja, ny tety ivelany kosa vahoaka an'arivony no nanao hetsi-panoherana teny amin'ny làlamben'i  Alberto Craveiro sy Paulino Rocha manohitra ny fanavaozana ny tontolo an-drenivohitra sy ny fandaniana ny volam-panjakana, ka nifandona tamin'ny mpitandro filaminana izay nampiasa baomba mandatsa-dranomaso, tsifotra dipoavatra ary bala fingotra hanoherana ny vahoaka 

Tamin'ity indray mitoraka ity, nirava ady sahala ny lalao, ary nametraka mpitandro filaminana am-polony avy amin'ny andiany manokana tao amin'ny làlamben'i  Alberto Craveiro, toeram-pivorian'ireo mpanao hetsi-panoherana ny polisin'ny tafika. Tao ry zareo no nanao sàkana mba hiarovana ny manodidina ny kianja.  

Tamin'ny fahatongavan'ireo mpanao fihetsiketsehana  – sendikàn'ny mpiasa, tanora, mpianatra ary vondrom-behivavy- dia nozarain'ny mpanao gazety tsy miankina, Nigéria Collective, tao amin'ny Facebook-ny ny sary.

Protesters start to gather in Alberto Craveiro Avenue, before one the police blockades around Arena Castelão stadium. Photo by Nigéria Collective, published on Facebook, June 17.

Nanomboka nivory teo amin'ny làlamben'i Alberto Craveiro ireo mpanao fihetsiketsehana. Sary avy amin'i Nigéria Collective, nozaraina tao amin'ny Facebook, 17 Jona 2014.

Heavily armed police form a double blockade to prevent protesters from getting closer to the stadium. Photo by Nigéria Collective, published on Facebook, June 17.

ny mpitandro filaminana mirongo fitaovam-piadiana mavesatra manao sakana roa sosona mba hisakanana ireo mpikomy tsy hanatona akaiky ny kianja. Sary avy amin'i  Nigéria Collective,  tao amin'ny Facebook, 17 Jona 2014.

Mirongo fiadiana ary tsy ahitana ny anarany eny amin'ny akanjony, manatona sy misava ireo mpikomy ny mpitandro filaminana no sady miteny fa “manatanteraka ny asany izy ireo, manadihady izay fihetsika rehetra ahiahiana, toy ny fitondrana baomban-tsolika”, araka ny nolazain'ilay mpikambana ao amin'ny vondron'ny haino aman-jery Na Rua (Eny an-dàlambe) izay natokana hitaterana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona mandritra ny hetsi-panoheraa any Fortaleza.

Heavily armed and unidentified police officers search protesters in Fortaleza before the game. Photo shared by platform Na Rua on Facebook.

Mirongo fiadiana ary tsy mitondra ny anarany, misava ireo mpikomy any Fortaleza mialoha ny lalao ireo mpitandro filaminana. Sary nozarain'ny vondron'ny Na Rua ao amin'ny Facebook.

Kilaometra roa miala eo, nanatevin-daharana ireo fianakaviana voarahona tamin'ny fandroahana an-keriny  ireo mpikambana ao amin'ny Hetsiky ny Filankevi-Bahoaka (Movimento dos Conselhos Populares – MCP) ary ireo fianakaviana voaroaka na voarava trano noho ny asa fananganana fotodrafitrasa ho an'ny fiadiana ny amboara eran-tany. Niarahan'izy ireo nobahanana ny ilan'ny lalambe fandehanana haingana mba hanoherana ny fanesorana an-keriny sy ny ben'ny tanàna, ary miampanga azy ho tsy ampy fandraisana andraikitra amin'ny lafiny sosialy momba ny zava-miseho. 

Hagagana ho an'ireo mpanohana Meksikana 

Mandritra izany, hita ho tena nientanentana momba ilay lalao ny Meksikana. Nisy vondrona mpanohana Meksikana nampiditra ny akanjo ahafantarana an'ilay Meksikana malaza, El Chapulín Colorado, fantatra any Brezila amin'ny hoe Chapolin Colorado. Mpanohana maherin'ny 20 no niakanjo toa an'i Chapulín ary vehivavy iray nanao tahaka an'i La Chilindrina (Chiquinhano ahafantarana azy any Brezila), ao amin'ilay andian-tantara “El Chavo del Ocho“, izay adika hoe “Chaves” any Brezila. Andian-tantara roa, samy  noforonin'ilay Meksikana Roberto Gómez Bolaños  izay milalao ao anatinizy ireo rahateo dia tena tian'ny olona any Brezila hatramin'izay.

Nozarain'i Alysson, mpisera amin'ny Twitter, ny sarin'ireo mpanohana ny Chapulín Colorado tamin'ny fotana nahatongavan'izy ireo tao an-kianja :

NY FIADIANA NY AMBOARA ERAN-TANY TSARA INDRINDRA ! Lasa ao amin'ny Arena Castelão hijery ny fihaonan'i Brezila sy Meksika ny Chapulíns

Chapulíns be dia be manoloana ny Castelão! HAHAHHAHAHAAHAHAHAH

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.