Misavoana Avo Ny Lazan'ny Tor Ao Rosia

Has Vladimir Putin's Internet crackdown spurred the explosion in Tor use in Russia? Images mixed by author.

Ny fanenjehan'i Vladimir Putin ny Internet ve no mahatonga ny firohotana amin'ny fampiasana ny Tor any Rosia? Sary namboarin'ny mpanoratra.

 Tsy mbola tratran'ny tsindry tahaka izany ny fahalalahan'ny Internet ao Rosia hatramin'izay, saingy efa mampiseho fahaiza-midify tsikelikely ny ezaka ataon'ny governemanta hanaraha-maso sy hifehezana ny zavatra ataon-dry zareo ny mpiseran'ny RuNet. Hatramin'ny tapaky ny volana aogositra 2013 no mankaty, nitombo avy efatra heny ny isan'ny Rosiana mpisera nampiasa ao anatin'ny indray andro ny Tambajotram-piafenana anarana antsoina hoe Tor, rindrambaiko maimaim-poana ahafahana tsy mampiseho ny misy anao sy ny momba anao (fiafenana) sady mahasedra ny sivana. Misy fisongàna (fiakarana tampoka manatratra tendro iray) roa lehibe tamin'ny fampiasan'ny Rosiana ny Tor: ny voalohany dia tamin'ny Aogositra 2013 lasa teo, ary ny vao haingana dia ny fisondrotana mandeha amin'izao fotoana izao izay nanomboka hatramin'ny fanombohan'ny volana lasa teo.

Ireo tendro maranitra roa voatondron'ny antotanisan'ny Tor dia mametraka fa mamaly amin'ireo fotoana lehibe isian'ny fanivanana ny mpisera aterineto rosiana, na dia tsy mazava avy hatrany aza hoe inona no nahatonga ny songa tamin'ny volana Aogositra 2013. (Ny zavamisy ara-politika malaza tamin'izany fotoana izany dia ny fifidianana nahitana ilay politisiana bilaogera Alexey Navalny nifaninana tamin'i Sergey Sobyanin teo amin'ny toeran'ny Ben'ny Tanànan'i Moskoa.) Ny songa amin'izao fotoana izao indray dia tarataratra fa setriny ataon'ny mpisera aterineto amin'ireo andian-dalàna “miady amin'ny fampihorohoroana” izay mihatra manomboka amin'ny voalohany Aogositra 2014, izay ahitana karazam-pamerana sy fepetra vaovao ho an'ny bilaogera sy tranonkala mpampiatrano.

Users in Russia connecting to the Tor anonymity network. Screen capture from metrics.torproject.org.

Ireo mpisera ao Rosia miditra amin'ny tambajotram-piafenana Tor. Pikantsary avy amin'ny metrics.torproject.org.

 Raha mahatalanjona ny fitomboan-dazan'i Tor any Rosia, dia mbola hita ihany fa latsaky ny 6 isanjaton'ny mpiseraseran'ny tambajotra ihany ny Rosiana. (I Etazonia, izay ahitana ny mpiserasera betsaka indrindra ao anatin'ny firenena iray voasariky ny Tor, dia mbola manana mpisera indroa avy henin'izany.) Hatramin'ny Jona 2014, eo ho eo amin'ny 134.000 isan'andro ny Rosiana miditra ao amin'ny tambajotra Tor. Manodidina ny 65 tapitrisa ny isan'ny mpisera aterineto any Rosia, nefa, midika izany fa mbola latsaky ny 1 isanjaton'ny Rosiana rehetra afa-miditra aterineto ireo mampiasa ny Tor ao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.