VAOVAO FARANY: Twitter, Facebook, YouTube Nakatona Ao Iràka

Screenshot of block message from EarthLink ISP in Iraq.

Pikantsarin'ny hafatra fanakatonana avy amin'ny Orinasa Mpanome Servisy Aterineto EarthLink ao Iràka.

Bahar Jasim, Mohamad Najem, Afef Abrougui, Collin Anderson ary Ellery Roberts Biddle ireo nandray anjara tamin'ity tatitra ity.

FARANY [13 Jona 2014, 22:00 UTC]: Ny kinova voalohany tamin'ity lahatsoratra ity dia nitatitra fa voasakana ny [karoka] Google search ao Iràka ao. Filazalazana taty aoriana avy any an-toerana no nanamarika fa mbola idirana ireo servisy ireo.

Mpiserasera aterineto amin'ny faritany maro any Iràka no nitatitra fa tsy afa-miditra amin'ny tambajotran-tserasera lehibe sy tranonkala maro hafa. Nilaza ny fampitam-baovao ao an-toerana [ar] sy ny Mpanome servisy aterineto iray farafahakeliny tamin'ny 13 jona 2014 lasa teo fa nanome baiko ireo orinasan'aterineto ny Minisiteran'ny Serasera hanakatona ny “Facebook, Twitter, YouTube ary ny Google search.” Miahiahy ny mpanara-baovao fa noho ny fiharatsian'ny toe-draharaha ara-pilaminana ao amin'ny firenena no mahatonga ny fanakanana sy ny fiada-pikorianan'ny fifandraisana antserasera.

Nisioka ny mpanoratra gazety iray fa ny anton'ny fanakatonana dia noho ny fatahoran'ny governemanta fa amin'ny alalan'ny tambajotran-tserasera no “handaminana sy hanetsehan”-‘ny vondrona mpampihorohoro Islamic State of Iraq and Syria (ISIS) [Fanjakana Islamikan'i Iràka sy Siria]. Mila ny media sosialy (tambajotran-tserasera) tokoa ny ISIS hampitan-kafatra sy hifandraisana. Tamin'ny 12 Jona ry zareo no nanambara tao amin'ny Twitter [ar] fa nahafaty miaramila 1700 ry zareo tao Tikrit.

Nanamafy ny fisian'ny baiko avy amin'ny Minisiteran'ny Serasera amin'ny fanakatonana ny Twitter ny Orinasa Mpanome Servisy Aterineto Tigrisnet

Nisy hafatra avy amin'ny ISP (FAI na Orinasa Mpanome Servisy Aterineto) TigrisNet fa avy amin'ny baikon'ny Minisiteran'ny Serasera no anton'ny fanakatonana ny Twitter. Na dia mbola nitatitra aza ny mpanoratra gazety fa mbola azo idirana ny Facebook sy ny Twitter ao Baghdad, ny sasany indray niteny fa mihamiadana ny fikorianan'ny aterineto ao an-drenivohitra. Nisioka ny Manampahaizana momba ny Blaogera sy ny tambajotran-tserasera Qais_Qazaz fa heverina hikatona ny aterineto ao amin'ny faritanin'i Kirkuk, izay onenan'ny naman'i Qais nefa tapaka ny fifandraisany amin'ireo olona ireo ka ahiahiany fa efa notontosaina ny fanapahana.

Ny pikantsary eto ambany, nopihana tamin'ny 13 Jona mampiseho ny hafa-pahadisoana tsy fahafahana miditra hitan'ny mpisera any Iràka niezaka niditra Twitter sy Facebook.

Screenshots of Twitter, Facebook block messages.

Pikantsarin'ny fanakatonana Twitter sy Facebook.

Tamin'ny 9 Jona ny orinasa mpanara-maso ny tambajotra Renesys no nitatitra fa habaka 141 any Iràka no tratran'ny fahatapahana, fa maro tamin'izy ireo no voatatitra fa tafaverina ny andro manaraka.

Namoaka hafatra ny pejy Facebook-n'ny Minisiteran'ny Serasera Irakiana androany [13 jona]  marainabe fa ny anton'ny fanakatonana aterineto tsikelikely manerana an'i Iràka amin'ny 15 jona dia ho “fikojakojana ny hosina.” Tsy mazava moa raha mifandray amin'izany drafitra izany na tsia ny fanakatonana androany [13 jona].

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.