Tolona Ho Amin'ny Zo Hahazo Rano Ao An-tanànan'i Mexico

Nanjary iray amin'ireo fanamby lehiben'ny taonjato faha-21 ny fahavitsiana, ny fahalotoana sy ny fanavakavahana amin'ny fitsinjarana ny rano manerantany. Ao Meksika, zava-misy iainana isan'andro ny olan'ny rano, indrindra eny amin'ny fiarahamonina ambanivohitra sy manodidina ny tanàndehibe. Tanàna Meksikana 38 ankehitriny no mijaly amin'ny famatsian-drano, voaloto avokoa ny 90%-n'ireo renirano, ary tsy misy ny kolontsaina mafonja momba ny fiarovana ny rano.

Ao amin'ny Lemak'i Meksika, ny faritra ahitana hakitroky ny mponina an-tanàndehibe betsaka indrindra ao amin'ny firenena sy be mponina indrindra, mihoatra noho ny fisian'ny rano (tolotra) ny tinady famatsian-drano, toe-javatra izay mitaky ny fahazoan-drano avy any amin'ny faritra lavitra kokoa, sy amin'ny alalan'ny fitrandrahana be loatra ny zavatra misy rano. Harena tsy azo havaozina ny rano, ilaina hivelomana sy hanatanterahana ireo zon'olombelona hafa (sakafo sy fahasalamana ohatra). Noho izany, singa lehibe amin'ny fivelaran'ny mahaolona izy, izay tokony ho laharam-pahamehana ao anatin'ny famolavolana ny lalàna sy ny politikam-panjakana.

Ao an-tanànan'i Mexico,  noresahana tao amin'ny antenimieram-panjakana mpanao lalàna ny maodely fitantanana ny rano ho setrin'ireo fisantaran'andraikitra enina ho fanitsiana ny Lalàna momba ny Rano ao An-tanànan'i Mexico, izay nampahafantarina nandritra ny volana vitsy lasa tao amin'ny antenimiera mpanao lalàna.

Anisan'ireo zavatra tsara fantarina, ny fanomezan-danja ny [fisantaran'andraikitra momba ny rano] (eny, matahotra aho).

Namoaka hevitra taminà fifanakalozan-kevitra isan-karazany ireo mpampianatra oniversite sy fikambanan'olo-tsotra, na dia tsy nisy aza ny sehatra ara-dalàna ho fandinihana ireo fisantaran'andraikitra. Toy izany koa ny fisantaran'andrakitra nambaran'ny filoham-pirenena tamin'ny volana Martsa izay navoaka ampahibemaso, na dia efa notapahana tamin'ilay antsoina hoe “Zo hanana Rano sy Fampandrosoana maharitra momba ny Rano” aza.

Mitaky fanazavana mazava mikasika ny fanovana eo amin'ny fandraisan'anjaran'ny sehatra tsy miankina amin'ny raharaha momba ny rano ao an-tanànan'i Mexico ny COMDA [Firaisamben'ny Fikambanana Meksikana Momba Ny Zo hahazo Rano].

Araka ny volazan'ny fampahalalam-baovao [es], notapahana nandritra ny fivoriambe tsy ara-potoana voalohany (9-10 Jiona) ny fisantaran'andraikitra, na dia nilaza aza ny fanamarihana sasany fa nahemotra amin'ny faran'ny volana Jiona amin'ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoa ny adihevitra farany [es]. Manoloana izay mety ho fankatòavana “ankamehana”, nanao hetsika manohitra ny andry mpanao lalàna ny Fikambanana avy amin'ny Firaisamben'ny Fikambanana Meksikana Momba Ny Zo hanana Rano tamin'ny Alatsinainy lasa teo.

Amin'ny Alatsinainy manomboka amin'ny 12 ora. Fanentanana manohitra ny ALDF [Antenimiera Mpanao Lalàna ao an-tanànan'i Mexico] mba hitaky amin'izy ireo tsy hifidy ny Lalàna momba ny rano raha tsy avoaka amin'ny Gazety aloha izany!

Sasany amin'ireo lohahevitra resahana amin'ny fisantaran'andraikitra ny fitsinjarana ny Rafitry ny Rano ao An-tanànan'i Mexico, ny  fitomboana sy ny fiovana amin'ny fisantaran'andraikitra ataon'ny tsy miankina [es], ny famaritana ny taha, ary fampidirana ny zo hahazo rano, no sasany amin'ireo lohahevitra horesahina amin'izany.

Tena zava-dehibe ny mampiroborobo ny fomba fandraisana anjara amin'ny fandinihana indray sy fiadiankevitra momba ny lalànan'ny rano…

Any amin'ireo sehatra sasany, tahaka ny Firaisamben'ny Fikambanana Meksikana Momba Ny Zo hahazo Rano, na ny Sehatra Fandraisana Anjara amin'ny Zo Hahazo Rano, ny Fanaraha-maso sy Fanombanana ny Fandaharan'asa momba ny Zon'olombelona ao An-tanànan'i Mexico [es], dia efa niadian-kevitra ny vokatra sy ny fiantraikan'ireo fisantaran'andraikitra. Na dia izany aza, noho ny maha-lohahevitra ara-teknika manontolo sy manokana ny momba ny rano – na dia kitro ifaharan'ny zon'olombelona – dia zara raha fantatra sy tsy dia mahasarika ny daholobe izany.

Nohamafisina ho fanitsiana ny lalàna momba ny rano natolotra ny mpanao lalàna ny Zo hahazo rano avy amin'ireo fisantaran'andraikitra 6 .

 

Raha toa ka mahafantatra ireo izay afaka niditra tamin'ireo fisantaran'andraikitra isan-karazany fa manome lafin-javatra tsara sy maranitra mety hanitsakitsaka ny zo hahazo rano; dia ilaina ireo mpikatroka sy mpiaro ny zon'olombelona hafa – tsy ireo misahana ny tontolo iainana sy ny rano ihany – sy ireo sampana mpiaro ny zon'olombelona mahazaka tena, mpampianatry ny oniversite sy olom-pirenena tsotra mba handray anjara amin'ny adihevitra sy ny fampielezana vaovao momba ireo lohahevitra mahakasika antsika rehetra ary miantraika mivantana any amin'ny rehetra .

Raha liana amin'ny rano ao amin'ny tanànanao ianao, araho, zarao ary mandraisa anjara amin'ny diezy Twitter #LeyAgua / #LeyAguas#LeyAguaySustentabilidadHídrica. Fantaro ny zava-misy ary resaho izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.