Asehoy Ahy Ny Vola : Tsy Mbola Voaloa Ny Onitra Noho Ny Trangam-panavakavahana Karaibiana

The Caribbean Court of Justice Logo; photo by Mark Morgan, used under a CC license.

Sary Famantarana ny Fitsaràna Karaibiana ; sary avy amin'i Mark Morgan, nampiasàna ny lisansa CC.

Anisany zava-niseho nanamarika tamin'ny “jurisprudence” Karaibiana ny tranga Shanique Myrie. Tamin'ny volana Oktobra lasa teo, namoaka didy ny Fitsaràna Karaibiana fa diso ny mpisahana ny fifindrà-monina any Barbade tamin'ny nanaovany fizahàna niboridana an'i Ramatoakely Myrie, ary ny tsy namelàna azy niditra tao amin'ny firenena. Ankehitriny, valo volana taorian'ny namoahana ilay didy, mbola tsy nahazo onitra ihany i Myrie, izay azony tamin'ilay raharaha – ary tsy faly ny amin'izany izy.

Ao amin'ny resadresaka ao amin'ny Facebook Real Change For Jamaica (Fiovàna Marina Ho An'i Jamaika), manontany tena ny sasany amin'ireo mpitondra fanehoan-kevitra ny amin'ny tena antony mandrisika ao ambadik'io tranga io. Te hahalala ny zavatra niseho i Gyntaf Gsg

‘ILAIKO NY VOLAKO'…??? Izany ve no tena MARINA tao ambadik'iny sehom-pitsaràna iny??

VALO volana taty aorian'ny namoahan'ny Fitsaràna Karaibiana (CCJ) didy hoe tokony nahazo onitra tamin'ny zavatra nitranga taminy ilay Jamaikana Shanique Myrie, noho ny fizahàna tsy ara-dalàna ny lavaka tamin'ny vatany, ny fitazonana azy tao anatina efitra mando tao amin'ny Seranam-piaramanidin'i Grantley Adams, ary ny fandroahana azy, tsy mbola nahazo na dia 1 cent aza izy hatramizao.

VOALOHANY…ZAVATRA IRAY NY HOE MANDRESY AMINA RAHARAHA IRAY …ARY HAFA MIHITSY NY FAHAZOANA NY ONITRA…Afaka miandry valo taona izy.
FAHAROA..Mivoaka amin'ny làlana hafa ny marina…

 Tsy hitan'i Paulette Stanley izay olana raha resaka vola amin'ny ampahany no nanosika an'i Myrie :

Dia maninona anefa??? Vita iny ny fitsaràna, ary mino aho fa ireo manam-pahaizana mpitsara/ mpisolo vava ireo, tsy ‘nikiakiaka sy nijery azy tamin'ny fijery ratsy’ sy ny nandrisika azy. Nandresy tamin'ny ady izy ary navoaka ny didy. Noho izany, tokony hahazo ny volany izy. Iza no miraharaha izay mandrisika / nandrisika azy? Mino aho fa i Rosa Parks na i Martin Luther King ohatra, (nety) nanana fandrisihana ho an'ny tenany samirery saingy nisy ny zava-nitranga tany aloha napetraka – nisy tsipika nosoritana – tsy natao hihoarana mihitsy. Aleo ajanona ny fiadian-tsika samy isika. Raha afaka hanampy izay tsara ho an'ny hafa ny tsara iombonana ( fa tsy izay mandrisika), vao maika tsara DAHOLO izany!

Boyous Mortley nanamarika fa ny vola no olana hatramin'ny voalohany:

Nanambara tsy niolankolaka ilay tanora vavy hoe resaka fotokevitra sy vola ilay izy. Teniny izany, tsy [ahy]. Toa mampiseho fifanoherana ny zavatra ijoroany ny fitarainany amin'ny resa-bola. Tsy azonao  ovàna ny zava-nisy eo amin'ny olona.

Nieritreritra anefa i Garnett Spence fa zony ny mitaraina sy mitaky raha tsy mbola nahazo izay tokony aloa aminy izy:

Tsy misy diso ny fitakiana ny vola…zavatra nomena azy izany…izany no ilàna ny fitoriana eny amin'ny fitsaràna – mba hamaizana izay diso – ary raha tsy azony ny volany, tokony hohadinoiny ve izany?

Tsy mahita hadisoana amin'ny fitakian'i Myrie ihany koa i Ainatarb Bre Kay :

Ooh…eny ary, tsy misy diso mihitsy ny amin'ny itakiany ny vola…ny sasany hilaza hoe tokony tsy atao resa-bola ilay izy, fa raha nomeny [an'ireo] olona niteny ireo ilay vola…tsy niteny izany izy ireo.

Ao amin'ny Twitter, maro amin'ireo mpampiasa no miantso ny Barbade handoa ny vola rehetra an'i Myrie, izay nomen'ny fitsaràna azy, ny sasany nilaza fa ny maha-ara-drariny ny didin'ny fitsaràna CCJ no miditra an-tsehatra eto:

 

Nilaza ny media fa nandresy tamin'ny ady teny amin'ny fitsaràna i #ShaniqueMyrie nifanandrina tamin'ny #BarbadianGovt, ka nahoana no miholankolana handoa ny volany?

— alwaysblessed (@authenticity01) June 9, 2014

 

 

Raha toa ka ohatra an'izao ny fanampian'i Jamaika ara-bola ny CCJ, aleo tonga dia ajanona avy hatrany. Tsy miasa ho antsika sy ny olom-pirenentsika io (Shanique Myrie)

— Dreamz31‏ (@Dreamz31) June 10, 2014

 

 

Miainiana aho fa hosokosoka io raharaha CCJ io, 8 volana ary hatramizao, mbola tsy nahazo na dia ny ampahany amin'ny tokony haloa aminy ihany aza i Shanique Myrie, avy aminà firenena toa an'i Barbade (mpanankarena)

— Dreamz31‏ (@Dreamz31) June 10, 2014

 

 

Tokony aloan'i Barbade izao ankehitriny izao ny volan'i Myrie. Tokony hiditra an-tsehatra i AJ ary hanampy azy andefa hafatra! tsy famafan'ny olona tongotra isika!!

— El Comandante (@Aujae_Dixon) June 10, 2014

Avy amin'i Mark Morgan ny sary nampiasaina tato amin'ity lahatsoratra ity, nampiasàna ny lisansa Attribution 2.0 Generic Creative Commons. Tsidiho ny sary mifandimby ao amin'ny  Flickr an'i Mark Morgan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.