Voafehin'ny Mpikomy Islamista Ny Tanànan'i Mosul, Tanàna Faharoa Lehibe Indrindra Ao Iràka

Thousands of Iraqis flee their homes as Mosul falls under ISIS control today. Photo source: Twitter user @mohsinani

Irakiana an'arivony mandositra ny fonenany ao Mosul izay voafehin'ny ISIS amin'izao fotoana izao. Sary: Mpisera Twitter @mohsinani

Eo am-pelatanan'ireo mpikomy Islamista ny tanàna faharoa lehibe indrindra ao Iràka, Mosul nanomboka tamin'ny 10 Jiona. Nilaza ny vaovao fa avy amin'ny Fanjakana Islamika ao Irak sy Syria (ISIS), vondrona mpisintaka tao amin'ilay fikambanana malaza Al Qaida, izay miady ao Syria ihany koa ireo mpikomy ireo.

Irakiana an'arivony no nandositra ny trano fonenany taorian'ny fifampitifirana ao an-tanàna. Nitantara ny fahorian'ny fianakaviany nandritra ny zava-nitranga tao amin'ny Twitter ilay bilaogera Irakiana Maryam Al Dabbagh monina ao Emirà Arabo Mitambatra.

Mivaky toy izao ireo siokany nanomboka tamin'ny 7 Jiona:

Tifitifitra ao Mosul. Faritra marobe no mandre ireo fipoahana sy tifitifitra ary mbola tsy misy ny filazana izany amin'ny fampahalalam-baovao iraisampirenena.

Azo jerena ny fivezivezin'ny fanehoa-piraisankina maro ao amin'ny tambajotran-tserasera momba ny toe-draharaha ao Mosul

Nanamarika ny fisian'ny hatsaram-panahy i Dabbagh:

Voalaza fa misokatra ireo hotely ao Mosul mba hampiantrano ireo fianakaviana nafindra toerana ao Ninive

Mizara mofo maimaim-poana hoan'ireo olona ao Mosul, Ninive sy Irak ireo mpanao mofo ao (Adan, Al thubbat ary al sukkar)

Raha mbola mitohy manerana ny tanàna ny ady, nandefa sioka hoan'ny fianakaviany, mbola ao Irak i Maryam Al Dabbagh:

Tsy mbola nahita ny ray aman-dreniko niraikitra tamin'ny fahitalavitra aho hatramin'ny 2003. Mivavaka ho fiarovana ny fianakaviako sy ireo Irakiana ao Mosul sy Irak aho.

Nampitaha ny ady amin'izao fotoana ao amin'ny firenena mifanolo-bodirindrina, ao Syria ihany koa izy :

Mampisafotofoto ny daholobe ao Irak ankehitriny ny fomab fitantaran'ny fampahalalam-baovao. Mitovy lasitra mitovy amin'ny ady ao Syria

Nitodika tamin'ny tantara vao haingana indray izy teto mba hampitaha ny tahotra manjaka ao amin'ny tanindrazany:

Sambany teo amin'ny tantaran'i Mosul izao fifindra-monina izao, na dia tamin'ny taona 2003 aza tsy nahitàna fepetra tafahoatra tahaka izao tao tanàna.

Tamin'ny 9 Jiona, niova indray ireo siokany. Hoy izy nitatitra:

Tatitra avy amin'ny fianakaviana ao Mosul: tapaka ny jiro. Tapaka tanteraka.

Tsy ela fa nanapa-kevitra hanatevin-daharana ireo olona an'arivony nandositra ny tanàna ny fianakaviany:

Hiala ao amin'ny trano fonenany ao Mosul ny fianakaviana.

Ary avy eo…

Nanamafy ny vaovao fa afaka fotoana fohy, dia hofehezin'ireo mpikatroka mitam-piadiana ny tanàna. Nandositra tamin'ny maraina ny tafika

Milaza momba ny fianakaviany tafahitsoka ao akaikin'ny sisintany Kiorda ireo siokany nanomboka androany. Hoy izy nanazava:

Tafahitsoka anaty fiara ao amin'ny sisintany mankany Duhook ny fianakaviana, tsy misy fiara mahazo alalana. Nilaza ny tatitra fa nisy ireo trano lay nokarakaraina hoan'ireo nifindra-monina

Nikatona tanteraka ny faritra Al Kharez ao amin'ny sisintany mankany Irbil. Korontana! Tapaka ny fifandraisana an-tariby. Tsy afa-miserasera ny olona.

Mandritra izany, miezaka mijery ny marina manoloana ireo tatitra mifanipaka izy:

Nilaza ny praiminisitra Kiorda fa misokatra hoan'ireo mpitsoa-ponenana avy ao Mosul i Kiordistan. Kanefa milaza ny vaovao avy amin'ny Irakiana fa nikatona ny sisintany

Eo am-pijerena fahitalavitra i Zaid Benjamin no zendana mahita ny fandaharana ho hirahira fotsiny kanefa lasa eo ampelatanan'ny mpikomy djihadista ny tanàna faharoa lehibe indrindra ao amin'ny firenena:

zendana aho mahita ny Fahitalavitra Irakiana mandefa hirahira fotsiny nefa eo ampelatanan'ny mpikomy djihadista ny fifehezana ny tanàna faharoa lehibe indrindra eto amin'ny firenena:

Mpanao gazety Hassan Hassan naneho hevitra hoe:

Mampiseho antsafa nifanaovana tamin'ilay mpihira Abdulhusain Allami ny fahitalavi-panjakana Irakiana kanefa tsy mahafehy intsony ny fitantanana ny tanàna faharoa i Bagdad

Mandritra izany, manaraka ny fizotry ny korontana ny tontolo Arabo.

Avy ao Bahrain, Huda Al Mahmood nanontany hoe [ar] :

Loza vaovao milatsaka eo amin'ny tontolo Arabo. Tsy mino aho fa mahatsara ny rehetra ny fifehezan'ny Al Qaida an'i Mosul. Nankaiza avokoa ireo ezaka manohitra ny fampihorohoroana?

Palestiniana Maath Musleh nanontany hoe:

Namotsotra gadra 2725 avy ao amin'ny fonjan'i Mosul ny ISIS. Firy amin'izy ireo no hanatevin-daharana ny ISIS?

Mpanao gazety Saodiana Jamal Khashoggi nilaza ny zavatra miharihary:

Nofehezen'ny ISIS ny tanànan'i Mosul. Mino aho fa hisy fiantraikany ivelan'i Iràka ity vaovao ity

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.