Fanazavana Sasantsasany Mikasika Ny Fitsipika Vaovao Mifehy Ny Bilaogera Rosiana

Nikita Khruschev and Dmitry Medvedev. Anonymous image found online.

Nikita Khruschev sy Dmitry Medvedev samy mankafy ny teknolojia avo lenta. Sary avy amin'ny olona tsy fantatra, hita tamin'ny aterineto.

Namoaka tahirin-kevitra milaza antsipirihany mikasika ny fomba fampiharana ny lalàna mifehy ny bilaogy izay hanan-kery amin'ity fahavaratra ity farafahatarany ny sampan-draharaha Rosiana misahana ny fandaminana ny aterineto, Roskomnadzor. Tsy mazava teo aloha ny tena tian'ny  Roskomnadzor faritana ny amin'ny hoe bilaogera «malaza» – nofaritana ho tompon'ny pejy habaka sy mpiserasera tambajotra sosialy manana mpitsidika maherin'ny 3000 isan'andro.

Araka ny voalazan'ny fitsipika nampahafantarina izay navoaka hoan'ny daholobe tamin'ny 10 Jiona 2014, mila manombana manokana (ny isan'ny olona iray) mpitsidika isan'andro ireo bilaogera amin'ny alalan'ny fangatahan'ny Roskomnadzor. Raha tsy mahavita na mandà hanatanteraka izany fangatahana izany izy ireo, dia manana alalana hampiasa ireo fepetra mifehy ny mpamaky amin'ny aterineto (mety mitovy amin'ny Alexa Ranking) ny Roskomnadzor, na koa amin'ny “fandaharan'asa” miavaka izay mety ahafahana manatanteraka ilay asa takiana. Manendry ny tenany ho manampahefana manapaka farany amin'ny isan'ny mpitsidika (iray) mety hampifanditra (amin'ny alalan'ny vaomiera anatiny iray) ihany koa ny Roskomnadzor. Farany, mba hanasokajiana azy ho “mpitsidika iray”, mila mijanona ao amin'ny pejin'ny habaka mandritra ny 15 segondra na mihoatra ilay mpisera aterineto.

Raha hita fa mitavozavoza sy sarotra hampiharina ireo fitsipika ireo, izany izy ireo. Miezaka manazava ny voasoratra amin'ny lalàna izay tsy nanoratra ny antsipirihan'ny lafiny ara-teknika ny Roskomnadzor rehefa lany tao amin'ny Duma (-mpanjakana). Mbola sarotra ihany koa ny fomba hamaritana ny isan'ireo mpijery isan'andro ao amin'ny kaonty Facebook, rehefa afaka mamaky lahatsoratra avy ao amin'ny “riam-baovaony” manokana tsy mila mitsidika ilay kaonty voalaza ireo mpamaky. Mbola misitery ihany koa ny fampiharana ireo fepetran'ny Roskomnadzor hoe iza avy ny habaka tokony hanome ny isan'ny mpitsidika azy. Raha manjavozavo ny fizotry ny fanapaha-kevitra, dia mety hivoha midanadana mankany amin'ny fanararaotana – tahaka ny fikendrena bilaogera politika, izay tena mahazatra tokoa tao anatin'ny volana maromaro izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.