Filohan'i Libanona? Eny, Tsia, Angamba…Atao Inona?

Misaotra, noho ny fitiavako, hijanona hiaraka aminao aho

Nanamarika ny fiafaran'ny fe-potoam-piasany tamin'ny 25 Mey 2014 teo taminy alalan'ity sioka ity ny filoha Libaney Michel Sleiman. Nanome tombatombana mahaliana sy amin'ny antsipirihany mikasika ny fe-potoana fiasany ny bilaogy politika Moulahazat.

“(…) 36% of Michel Sleiman’s time in power lacked a functioning executive power. Needless to say that the Lebanese parliament cannot legislate with no government in power, and cannot meet in summer, which means that during Sleiman’s 6 years, the parliament had a  maximum of 3 years to pass laws and amendments (around 50% of the time).”

“Tsy nahitana ny fiasan'ny fahefana mpanatanteraka ny 36% ny fotoana nahateo amin'ny fitondrana an'i Michel Sleiman. Tsy ilaina intsony ny milaza fa tsy afaka manao lalàna tsy misy governemanta eo amin'ny fahefana ny Parlemanta Libaney, ary tsy afaka mivory anaty fahavaratra, izay midika fa nandritra ny 6 taona nitondran'i Sleiman, nanana 3 taona farafahabetsany ny parlemanta handinihana sy hankatoavana lalàna sy fanitsian-dalàna  (eo amin'ny 50% n'ny fotoana) “.

Nanamarika takelam-pandokafana iray midera an'i Sleiman ao amin'ny arabe ny Beirut Report, ary nisafidy ny handinika mikasika ny lova napetrany ihany koa:

“(…) how will Sleiman be remembered? Will it be for his tweet calling for civil marriage or his criticism and very public disagreements with Lebanon's most powerful force, Hezbollah? Or will it be his de-facto pardon of indie rock star who was arrested for mentioning his name in a song? Meanwhile other tweeps and journalists still face criminal charges for insulting him.”

Ahoana no hahatsiarovana an'i Sleiman? Amin'ny siokany miantso ny mariazy sivily ve sa ny tsikerany sy ny tsy fanekeny am-pahibemaso ny vondro-kery matanjaka indrindra ao Libanona, ny Hezbollah? Sa ny fialan-tsininy tamin'ilay mpiangaly rock malaza izay nosamborina noho ny fanononana ny anarany tanaty hira? Ao anatin'izany, mbola niatrika fiampangana bevava ho nanevateva azy ireo mpandefa sioka sy mpanao gazety hafa”.

Na izany tsy izany, efa lasa avokoa izany rehetra izany. Ny hahafantatra izay hitranga manaraka no mahamatimaty ny tsirairay?  Miditra amin'ny fahabanga-toeran'ny filoham-pirenena efa fantatra mialoha i Libanona taorian'ny tsy fahombiazan'ny Parlemanta tamin'ny fifidianana filoha vaovao tao anatin'ny fe-potoana voalazan'ny lalàmpanorenana saingy tsy vao voalohany ny tao Baabda (lapam-panjakana Libaney) no banga. Niala tsy nanambara izay ho solony tamin'ny taona 2008 ihany koa ny filoha Michel Lahoud ka tsy nanana filoham-pirenena nandritra ny enim-bolana maninjitra ny firenena tamin'izany fotoana izany.

Ao anatin'ny fahabangan'ny toeran'ny filoha miverimberina indray ankehitriny ny Libaney mampiaraka sy mampifandanja ny fanaovana tarehy ratsy, vazivazy ary ny filôzôfia. Matetika tsy nikorontana, saingy angamba ireo taonan'ny fahadisoam-panantenana no nampianatra ny Libaney mba tsy hanantena be loatra amin'ny politika ao an-toerana.

Manazava ny fanamarinana ny zava-misy nataon'ny @DyalaBadran ity:

Miaina amin'ny tahotry ny fahabangan'ny toeran'ny filoham-pirenena isika, toa tahaka ny hoe efa mety ny fandehan-draharaha amin'izao fotoana izao?

Na ny fomba fijerin'i @Georges_Sassine:

Zavatra mety hitranga eto Libanona: (1) olona navoakan'ny marimaritra iraisana no voafidy ho filoha taorian'ny fahabangan-toerana naharitra ela; (2) miharatsy ny filaminana ary mihamahazo vahana ankolaka ny tafika

Saingy afa-manantena an'i @KarlreMarks hatrany isika rehefa hijery lafin-javatra tsara:

Filoha Arabo nandao ny birao rehefa nahavita ny fe-potoana fiasany. Tsy hain'ny fampahalalam-baovao Arabo ny fomba hanazavana izany amin'ny olona

Na dia izany aza, tao anatin'ny fahamatorana tanteraka ilay bilagera Elias Muhanna nanontany raha mila filoha marina i Libanona :

“More relevant than the matter of who the next president will be is the question of whether Lebanon needs a president at all, a quarter century after the Ta’if Agreement. Consider the President’s powers and duties (articles 49-63 of the Lebanese Constitution). Apart from serving as “the symbol of the nation’s unity” and safeguarding “the constitution and Lebanon’s independence, unity, and territorial integrity,” the President of the Republic does very little without the say-so of the Council of Ministers. He or she accredits ambassadors and promulgates laws, but doesn’t have a vote in cabinet, cannot select a Prime Minister without binding consultations with the Parliament, cannot dissolve Parliament without permission of the Council of Ministers, and cannot effectively block a law from being passed.”

 

“Tsara kokoa noho ilay resaka mikasika izay ho filoha manaraka ny fanontaniana hoe mila filoha marina ve i Libanona, ampahaefatry ny taon-jato taorian'ny Fifanekena Taëf. Diniho ny fahefana sy ny andraikitry ny filoha (andininy faha-49 ka hatramin'ny faha-63 ao amin'ny Lalàmpanorenana Libaney). Ankoatra ny adidy «mariky ny firaisam-pirenena» sy ny fiarovana ny “lalàmpanorenana sy ny fahaleovan-tenan'i Libanona, ny mahairay azy ary ny tsy fivakivakisan'ny faritry ny firenena», dia tena vitsy loatra ny andraikitra sahanin'ny filoham-pirenena ankoatra ny Filankevitry ny minisitra. Izy ihany koa no manome fankatoavana ireo masoivoho sy mampanankery lalàna, saingy tsy manan-jo hifidy mandritra ny filankevitra, tsy mahazo misafidy Praiminisitra raha tsy misy ny fangalàna ny hevitry ny Parlemanta, tsy afaka mandrava ny Antenimiera raha tsy mahazo alalana avy amin'ny Filan-kevitry ny minisitra, ary tsy mahazo manakana lalàna tsy hodinihana na hankatoavina. “

Roa herinandro taty aoriana, mbola tsy ahitana mangirana ny kizo politika ary noho ny fahamaroana be loatra amin'ny olana hovahana, dia efa vaovao lany andro ny fahabangan'ny toeran'ny filoham-pirenena fa mihamahazo laka tsikelikely ny Mondialy:

Teoria vaovao ao Libanona. Hisy fiantraikany amin'izay ho filoha manaraka ve ny mpandresy amin'ny Fiadiana ho Tompon-daka Manerantany  2014 ho atao ao Brezila.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.