Olom-pirenena Zokinjokiny Manoratra Wikipedia

Image by Flickr user Coleccionando Cámaras. CC BY-NC-ND 2.0.

Sary avy amin'ilay mpisera Flickr Coleccionando Cámaras. CC BY-NC-ND 2.0.

 

Mandrava ireo sakantsakana hidirana amin'ny teknolojia no dingana voalohany hampidirana an-tsehatra ireo mpikambana be traikefa indrindra ao amin'ny fiarahamonina: ireo zokiolona. Izany indrindra no ezahan'ny  tetikasa Wikimédia Tszeky “Olompirenena Zokiolona Manoratra Wikipedia” atao.

Teraka ny tetikasa raha nanamarika ny fihenan'ireo mpanoratra mazoto tao anatin'ny taona vitsy lasa ny Wikipédia tszeky, ary nahita hoe iza amin'ireo mpandray anjara (mpamoaka lahatsoratra azo antoka) no manam-potoana malalaka kokoa handray anjara: ny olom-pirenena zokinjokiny.

Tamin'ny fitadiavana Tonian-dahatsoratra vaovao ny Wikipédia no nanazava:

The goal of the project is to establish Wikipedia courses for the senior citizens of Prague, organize several independent lectures in various places and also reach out to a group we call the ‘retired professors’.

Ny tanjon'ny tetikasa dia ny hametraka fampianarana Wikipédia hoan'ireo olom-pirenena zokinjokiny ao Prague, mikarakara lahavolana maromaro amin'ny toerana isan-karazany sy mifandray amin'ny vondrona antsoinay hoe “profesora retirety”.

Matetika vitsy an'isa ao amin'ny aterineto ireo zokinjokiny, ary voafetra ny fahaizana miditra amin'ny teknolojia. Nalaina tahaka avy amin'ilay tetikasa nahitam-pahombiazana manao hoe Mpianatra Manoratra Wikipédia [cz], ny tanjon'ny tetikasa dia ny hihoatra izany tsy fahaizana miditra teknolojia izany sy manabe voho ny habak'izy ireo amin'ny alalan'ny fananana fahalalàna midadasika eo amin'izany taranaka zokinjokiny izany. Amin'izay fotoana izay ny Wikipedia dia ho lasa sehatra hampitàn'ny taranaka zokinjokiny ny fahalalàny amin'ny tanora.

Mifantoka amin'ny fiarahamonina tszeky ny tetikasa ary mihevitra fa mety ho azo tanterahina ny fitomboany : 

The project is specifically targeted to the Czech Wikipedia community[…] However, it will also benefit a broader Wikimedia community by hopefully providing a working example of a “senior Wikipedia Education program”.

Ny fikambanana Wikipedia tszeky no tena kendren'ity tetikasa ity[…] Na dia izany aza, hahazo tombontsoa avy aminy ny fikambanana Wikimedia amin'ny ankapobeny, amin'ny fanantenany hampahomby ny fiasan'ny “Fandaharam-Panabeazan Wikipedia hoan'ny Zokinjokiny”.

Ao anatin'ny rantsan'ny tetikasa hoan'ireo zokinjokiny ireto manaraka ireto:

- Atrikasa Wikipedia isan-kerinandro ao amin'ny foiben'ny zokiolona Elpida [cz] ao Prague-Pankrác, klioba manana mpihaino betsaka sy olom-pirenena zokinjokiny marobe mamaky gazety tsy tapaka.

-  Fampianarana Wikipedia ahitana fampiofanana (seminera) ara-potoana ao amin'ny Oniversiten'ny Zokiolona ao amin'ny Fakiolte Filôzôfika, Oniversiten'i Charles ao Prague.

- Rafitra fitadiavana mpampianatry ny oniversite na lisea efa retirety amin'ny mpifanoratra ao amin'ny tambajotram-pifandraisana mijoro amin'izao fotoana.

Antenaina fa tsy vitan'ny hoe hanabe voho ny harem-pahalalàna ihany ity tetikasa ity fa hitondra fampitomboam-pahaizana nomerika amin'ny vondron'olona manan-javatra hozaraina.

Raha te-handray anjara amin'ny tetikasa, mandefasa mailaka ao amin'ny seniors@svgwikimedia.cz. Raha te-hahalala bebe kokoa momba ny Fikambanana Wikimedia, sy ny fomba fampidirana ny tetikasanao, tsidiho ny wikimedia.org

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.