Mpiady Anaty Akata Taloha No Mitondra Ao El Salvador Ankehitriny, Afa-Mampitsahatra Ny Famonoan'Olona Ve Izy?

ElSalvador

Fametrahana amin'ny fomba manetriketrika ny filohan'i Salvador Sánchez Cerén tamin'ny 1 Jona 2014 tao San Salvador. Saripikan'i Jamie Stark

Nanatontosa ny fianianany amin'ny mahafiloha azy tamin'ny alahady (voalohany jona) teo nandritra ny lanonam-panjakana tsotsotra kely ny filoha Salvador Sánchez Cerén. Ny antoko mifikitra aminy moa dia miantso azy ho “profe” [fanafohezana ny “profesora”, mpampianatra amin'ny teny espaniola] ho fanomezam-boninahitra ny asa nataony voalohany amin'ny maha-mpampianatra azy, raha manonona azy ho “komandin'ny mpiady anaty akata marxista taloha” kosa ny fanoratan-gazety. Fa vitsy kosa no liana amin'ny fanamby ara-politika miandry azy amin'izao fotoana izao. Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izao dia mitombo avo roa heny isan'andro ny tahan'ny famonoan'olona ao amin'ity Repoblika kely iray ao Amerika Afovoany manana mponina enina tapitrisa ity

Voampanga ho manitsakitsaka ny fampitsaharan'ady niaraha-nosoniavina tamin'ny governemanta, roa taona lasa izay, ireo andian-jiolahy matanjaka ao El Salvador antsoina hoe MS13 sy Barrio 18 ary nataon-dry zareo angamba izany mba hanaovana adivarotra vaovao amin'ny filoha hoavy.

Nandova ny iray amin'ny firenena mampidi-doza indrindra manerantany, toe-draharaha miharoharo amin'ny fahantrana, ny filoha voafidy Cerén. Mihoatra ny ampahatelon'ny Salvadoriana no miaina ambanin'ny tokonam-baravaran'ny fahantrana amin'ny refy ao an-toerana? Ny ampahatelony hafa eo ho eo kosa dia nifindra monina, ka misahana ny 16 isan-jaton'ny toekarena salvadoriana ny vola alefan-dry zareo any an-tanindrazana.

Saingy eo am-piaingana moa ny governemanta aovao ary tian'ny vahoaka raha afa-mampitsahatra ny famonoana ilay efa ho dadabe Cerén mpitsikitsiky. Mety ho moramora kokoa ho an'i Cerén ny mahafantatra ny fahavalo fony izy mpitarika ny mpioko amin'ny ady nahazatra.

Ho fiavahana amin'ny toko (fizarana) vaovao ara-politika, dia toy ny niato hanandratra lanonam-pitiavan-tanindrazana ny firenena tamin'ny voalohany volana jona, izay asongadin'ny fitadiavan'i El Salvador fifandraisana matanjaka kokoa amin'ny any ivelany.

Raha ampitahaina amin'ny lanonam-panokafana any Etazonia, izay ahitana ny saina Amerikana rehetra sy ny fiarahaban'ny tafondro 21 vava, dia mampisongadina ny sainan'ireo filoham-panjakana sy filohan'ny governemanta ny lanonam-pianianan'ny (filohan'i) El Salvador (sy ny tafondro 21 vava).

Ny filoha Amerikana Latinina avy eo amin'ny manodidina no mandrafitra ny delegasiona iraisampirenena. Nahazo ny tehaka mavesatra sy maresaka indrindra nandritra ny fanolorana i Rafael Correa, ilay mpitarika tsy mitsaha-miteny sy mampiady hevitra indraindray avy any Ekoatera, sy ny filoha Boliviana Evo Morales.

Correa nampahatsiahy ilay eveka Katolika Oscar Romero, maherifon'ny fironana havia tao El Salvador ary mihoatra noho izany ho an'i Amerika Latina, nisy namono.

Niverina vy any El Salvador, izay manana governemanta FMLN indray, izahay. Mirary soa ho an'ny Filoha Salvador Sánchez sy ho an'ny vahoaka maherifon'i Mons. Romero.

Mahita ny lalany any amin'ny Twitter ny fanehoan-kevitra ao an-toerana, sady mampisongadina fa mampiditra fanantenana kokoa noho ny teo alohany amin'ny fanaovana fifampiresahana tsy misy fitongilanana ny filoha teo aloha. Maro amin'ireo ao amin'ny fanoherana moa no miampanga ny filoha eo am-pialàna ho manao fomba fifandraisana tsy miraharaha ny hafa. Nisioka i Enrique Valdés, mpikambana ao amin'ny kongresy mpandala ny mahazatra avy ao an-drenivohitra San Salvador:

Tsara rehefa miresaka fifampiresahana sy fahatakarana i Sánchez Ceren [sic].
Miala amin'ny fizahozahoan'i Funes izany.

Tsy maninona izay mahalasa politika ny fanehoan-kevitra amin'ny tambajotran-tserasera, fa tsy afa-miala amin'ireto teboka roa ireto ny ankamaroan'ireo hafatra: efa mitarika ady anaty akata io filoha vaovao io (taloha), ary ny famonoan'olona no olana voalohany ho azy amin'ny mahalohan'i El Salvador azy.

Mandray ny fitantanana ho Filohan'i El Salvador ilay lehiben'ny mpiady anaty akata teo aloha Sánchez #Cerén.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.