Dihy Amin'ny Tsatoby Nandritra Ny Andro Iraisam-pirenena Hoan'ny Ankizy Tao Amin'ny Tanàna Rosiana Iray

What would conservative Russian politician Yelena Mizulina say about Tolyatti's entertainment on Children's Day? Images mixed by author.

Inona no tian'ilay politisiana konservatera Rosiana Yelena Mizulina holazaina mikasika ny Fialam-boly tao Tolyatti nandritra ny Andron'ny Ankizy? Sary natambatambatry ny mpanoratra.

Nankalaza fety roa sosona vao haingana ny tanàna Rosiana Tolyatti, ivontoeran'ny fanamboarana fiara tahaka an'i Detroit ao Etazonia. Nahatratra ny faha-277 taonany ity tanàna ity tamin'ny 1 Jiona 2014, nifanindry tamin'ny Andro Iraisam-pirenena ho Fiarovana Ny Ankizy izany andro izany. Ho fankalazana izany fety roa sosona izany, dia maro ny lanonana ho an'ny daholobe nokarakaraina manerana an'i Togliatti. Saingy tsy voatery natao hoan'ny fianakaviana manontolo ny fialamboly rehetra. Nikarakara fampiratiana fiara ankalamanjana ihany koa ny tanàna izay nahitana vehivavy mila hitanjaka mandihy amin'ny tsatoby. Tsy mahagaga raha sady nahasarika no nahatezitra ireo Rosiana marobe antserasera ny sarin'ny fampisehoana.

Nampakatra ny sasany tamin'ireo andian-dahatsary voalohany misy ireo mpandihy amin'ny tsatoby tao amin'ny Habaka ilay mpisera Vkontakte, Mikhail Kalashnikoff, izay milaza ny tenany ho avy ao Tolyatti. Nahafahan'ireo mpiserasera mahita mazava izany fampisehoana izany ny lahatsary nampakariny sy ireo sary (mampihoro-koditra) iray avy amin'ny nanatri-maso, ankoatra ny fifangaroany fitsikilokilovana zavatra tsy fampiseho masoandro tsy manao afa-tsy ny misarika ny olona. Nanjary malaza tao amin'ny tabilaontsary Rosiana, Pikabu.ru ankehitriny izany vaovao izany, ka niteraka fanehoan-kevitra maherin'ny 100 sy “up-votes” [fankasitrahana amin'ny ankihiben-tanana] maherin'ny 900 tao anatin'ny 11 ora.

https://www.youtube.com/watch?v=pnswgvnK45E&feature=youtu.be
Sarin-Danonana tao Tolyatti tamin'ny 1 Jona 2014.

Tsy niandry ela ireo mpisera RuNet namazivazy ny esoeso fa nampiantrano dihy vetaveta amin'ny andro mazava mandritra ny andro fety natokana hoan'ny ankizy mba tsy hiharan-doza i Togliatti. Ny mpaneho hevitra sasany nandefa ny sarin'i Yelena Mizulina  – mpanao politika Rosiana tompon'andraikitra tamin'ny lalàna manohitra ny “propagandin'ny pelaka”, sary vetaveta amin'ny aterineto, ny fisaraham-panambadiana sy ny fananganan-jaza ataon'ny vahiny amin'ireo kamboty Rosiana – toa manonona ankolaka fa tsy nahomby ny fanentanana ara-tsosialy nataony. Ny hafa kosa nanatsonga hatsikana malaza avy amin'ny tropy Comedy Club, izay ahitana olona lalaovina iray, ben'ny tanàna mpanao kolikoly ao amina tanàna tsy misy fa noforonina ao Ust-Olginsk izay miaro ny fanapaha-kevitra hanangana klioba “fandihizana mitanjaka” eo amin'ny tranon'ny sekoly rava iray, ary milaza hoe, “Inona izany tabataba be izany? Ankizy koa ireo mpandihy mitanjaka ireo. Mandehandeha miaraka amin'ny atin'ankanjo sy matory mandritra ny tontolo andro izy ireo”.

Ny hafa kosa mbola niady voambolana (semantika), mikiry milaza fa tsy mitovy ny dihy mitanjaka sy ny dihy amin'ny tsatoby. Eny, literatiora iray manokana ny famaritana ny fetran'ny dihy mitanjaka, ny tsinjaka, ny strip-tease (dihy manala akanjo), ny dihy amin'ny tsatoby, sy ny sisa hafa.

Faly niady hevitra amin'ny mety ho fifangaroan-teny ireo mpiseran'ny RuNet.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.