Misolo Toerana An'i Solana Larsen Amin'ny Maha-Lehiben'ny Famoahan-dahatsoratra Global Voices Azy I Sahar Habib Ghazi

Outgoing Managing Editor, Solana Larsen (L) will be succeeded by Sahar Habib Ghazi (R)

Lehiben'ny famoahan-dahatsoratra nametra-pialàna, Solana Larsen (ankavia) hosoloin'i Sahar Habib Ghazi (Ankavanana)

Tamin'ny faran'ny volana Mey, nanao veloma an'i Solana Larsen, mpitantana ny famoahan-dahatsoratra ela nihetezana tato amin'ny Global Voices izahay, ary niarahaba ilay mpandray anjara  vaovao an-tsitrapo, izay tsy iza fa i Solana Larsen ihany.

Niala amin'ny maha-mpitantana ny famoahan-dahatsoratra azy tato amin'ny Global Voices i Solana Larsen , andraikitra izay nosahaniny nandritra ny fito taona. Matetika noho ny “antony manokana” no mahatonga ny olona hametra-pialàna, saingy niala am-pahatsorana tamin'izany andraikitra izany kosa i Solana mba ahafahany manokana fotoana bebe kokoa hoan'ny fianakaviany, indrindra hoan'ny zanany vavikely roa taona.  ”Izay no tsara indrindra ho ahy sy ho an'ny Global Voices”, hoy izy tamin'ny mailaka nosoratany hoan'ny fikambanana, “hametra-pialàna aho ankehitriny mba hampisy zava-baovao indray ato amin'ny Global Voices.”

Nitantana ny famoahan-dahatsoratra tato amin'ny Global Voices tamim-pahakingana tanatin'ny fivoarana haingana dia haingana i Solana, fa nandritra izany fotoana izany dia voatakon'ny tambajotra sosialy ho toy ny sehatra voalohany amin'ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena ny bilaogy. Faly izahay satria mbola hanohy tsy ho mpandray anjara mpilatsaka an-tsitrapo ihany i Solana fa hiasa amina tetikasa manokana maro sy hisolontena anay amin'ny fihaonambe (lahavolana).

Hiala amin'ny fitantanana ny famoahan-dahatsoratra ato amin'ny Global Voices i Solana ary nanolotra izany hotantanin'i Sahar Habib Ghazi, izay niaraka taminay amin'ny maha mpitantana lefitry ny famoahan-dahatsoratra azy tamin'ny volana Jiona 2012.

Mpanoratra gazety, bilaogera ary mpikatroka mandany ny fotoanany ao Etazonia sy Pakistana i Sahar. Nanampy tamin'ny fananganana ny Fahitalavitra Dawnnews izy ary efa nanangom-baovao ho an'ny New York Times. Nandritra ny fianarany tao amin'ny Oniversite Stanford azy, noho ny vatsim-pianarana azony tamin'ny fikambanana mpanasoa John S. Knight ho amin'ny Asa Fanoratan-gazety, no nananganany ny Hosh Media, sehatra an-tserasera ho amin'ny asa fanoratan-gazety eo amin'ny tanora.

Niasa tamin'ny fananganana ireo taridalan'ny Global Voices i Sahar, nandravona ny maro tamin'ny fizotran'ireo famoahan-dahatsoratra ato aminay,  ary nanangana ny rantsana mpamoaka lahatsoratra. Ny tena zava-dehibe dia manam-pahaizana ambony sy mpikambana mahafatra-po ato amin'ny fikambanana Global Voices izy, izay antenainay fa hampandroso kokoa ny sampana famoahan-dahatsoratra, hoany amin'ny toerana tokony alehany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.