Loharanom-Baovao 10 Ilain'ireo Mpikatroka Miteny Arabo

Namoaka vaovao sasantsany mikasika ny Tasharuk izahay raha iverenana ny tamin'ny volana Febroary, izay tahiry fakana loharanom-baovao avy amin'ny SMEX. Nanomboka teo, nampitomboin'izy ireo ny loharanom-baovao amin'ny teny Anglisy sy amin'ny teny Arabo. Indreto loharanom-baovao 10 amin'ny teny Arabo izay mety hanampy ireo mpikatroka hanatrarana ny tanjon'izy ireo. 

1. Taridalana amin'ny Tolona tsy Mahery setra Mahomby amin'ny teny Anglisy, Arabo ary Farsi – navoakan'ny Canvasopedia.

2. Taridalana amin'ny Famokarana Media Am-pilaminana sy Voaaro amin'ny teny Anglisy ay Arabo – navoakan'ny Small World News. Manana loharanom-baovao sasany ihany koa izy ireo ao amin'ny finday SAT.

3. Rindrambaiko malalaka sy Fanovozam-Pilozofia Misokatra hoan'ny rehetra amin'ny teny Arabo – navoakan'ny SourceForge

5. Taridalana amin'ny Fifandraisana Ara-Stratejika eo amin'ny Fikambanan'ny Firaisamonim-pirenena amin'ny teny Anglisy sy Arabo avy amin'ny Fandaharanasan'ny Firaisamonim-pirenena ao Jordania ao amin'ny USAID’.

6. Ireo Fototry ny Fandraketana am-peo  amin'ny teny Arabo avy amin'ny SMEX The Basics of Audio Recording in Arabic by SMEX

7. Bokikely Fampiofanana hoan'ny Olo-tsotra Mpanoratra Gazety amin'ny teny Arabo avy amin'ny Foiben'ny Firaisamonim-pirenena sy ny Demaokrasia ao Syria

8. Inona no atao hoe Creative Commons License, ary Ahoana Ny fomba Ampiasanao izany? amin'ny teny Arabo, lahatsary novokarin'ny WeZank

9. Ahoana no fampiasana Twitter Hisian'ny Fanovana Ara-tsosialy amin'ny teny Arabo, lahatsary avy amin'ny NewMediaKSU.

10. Fitsipika Iraisam-pirenena momba ny Fampiharana ny Zon'olombelona Eo Amin'ny Sehatry ny Fanarahamaso ny Fifandraisana amin'ny teny Anglisy, Arabo, sy ny sisa maro hafa. Tahirin-kevitra manazava ny fomba fampiharana ny zo iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona eo amin'ny tontolon'ny nomerika amin'izao fotoana.

Tombony: Araho hatrany ny vaovao mikasika ny Bokikely fampiasa amin'ny Tahiry Misokatra (Open Data Handbook), torolalana amin'ny endrika araka  ny lalàna, ara-tsosialy sy ara-teknika momba ny tahiry misokatra. Amin'ny teny Anglisy sy ny dikanteny an-dalampanaovana amin'ny teny Arabo amin'ny alalan'ny Transifex.

Sary: The Day We Fight Back Banner (r, avy amin'i Alex Perkins (CC-BY 4.0)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.