Thailandy : Maka Aingam-Panahy Avy Amin'ny ‘Hunger Games’ Ireo Mpanohitra Ny Fanonganam-Panjakana

Anti-coup protesters in Bangkok show a three-finger salute representing liberty, equality, and fraternity. Photo by  Yostorn Triyos, Copyright @Demotix (6/1/2014)

Manao ny fiarahabana amin'ny rantsana telo ho fanehoana ny fahalalahana, ny fitoviana ary ny firahalahiana ireo mpanohitra ny fanonganam-panjakana any Bangkok. Sary avy amin'i Yostorn Triyos, Copyright @Demotix (6/1/2014)

Nahita fomba hafa hanehoany ny fanoherany ny lalànan'ny tany misy hotakotaka ampiharina any Thailandy ireo mpanohitra. Betsaka ireo naka ny fomba fiarahabana amin'ny fananganana rantsana telo avy tamin'ilay sarimihetsika Hollywood ‘Hunger Games’  mba hilazàna ny fanirian'ny olona ho amin'ny “fahafahana, fitoviana ary firahalahiana”.

Isan'ny toromarika voalohan'ny fitondrana mpanongam-panjakana tany Thailandy ny tsy fahazoan'ny olona maherin'ny dimy mivorivory imasom-bahoaka. Na dia izany aza anefa dia tsy nahasakana ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fanonganana tsy hivory amin'ny toerana maro samy hafa izany, niha-tsy nisy fandeferana tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro filaminana ary nisambotra izay sahy mandika io lalàna io.  

Misy  lahatsary izay nanjary nalaza tato aoriana mampiseho mpitandro filaminana iray tsy manao fanamiana manery vehivavy mpanao fihetsiketsehana iray hiditra ao anaty fiarakaretsaka. Nolazain'ireo manampahefana fa nalefa any amin'ny foiben'ny mpitandro filaminana io vehivavy io mba hohadihadiana. 

Ireto ambany ireto misy sarin'ireo mpanao fihetsiketsehana vitsivitsy tany Bangkok miaraka amin'ny fiarahabana  ‘Hunger Games’ :

Lamaody Hunger Games. MT @c4sparks: fiarahabana miserana fanoherana ny fanonganam-panjakana amin'ny rantsana telo atolotr'ireo vehivavy ao amin'ny tranombarotra BKK pic.twitter.com/ZLaw5bnWds

Anti Coup protesters raise their hands in a three finger salute as a symbol of struggle. Photo by Gonzalo Abad, Copyright @Demotix (6/1/2014)

Mpanohitra ny fanonganam-panjakana manangan-tànana amin'ny fiarahabana rantsana telo, mariky ny ady. Sary avy amin'i Gonzalo Abad, Fizakàmanana @Demotix (6/1/2014)

Fa etsy ankilan'ny fiarahabana amin'ny rantsana telo, dia manao hetsika famakian-teny amin'ny toerana vory vahoaka ireo mpanohitra mba hanamafisana ny fanoheran'izy ireo ny fanonganam-panjakana. Tsy milanja sorabaventy ry zareo, tsy midina an-dalàmbe fa mipetraka amin'ny toerana be olona ary mamaky boky momba ny politika. Ankoatra ny boky momba ny politika Thai, dia tian'izy ireo ny mamaky ny boky 1984-n'i George Orwell. Ohatra ny hoe tian'ireo mpitandro filaminana hamafisina kokoa ny fifehezan'izy ny fiarahamoninaThai.  

Mpanohitra am-pahanginana ny #ThaiCoup  (fanonganam-panjakana Thai) . Eo am-pamakiana ny bokin'i Orwell “1984” eo amin'ny fiantsonana Chong Nonsi any Bangkok. @CoconutsBangkok pic.twitter.com/2qUOS59748

Thai anti coup protesters continued to defy the military ban on gatherings by silently reading books in public places. Photo by Lillian Suwanrumpha, Copyright @Demotix (5/31/2014)

Mbola mihantsy ny fandraràna ataon'ny tafika amin'ny fiarahana mamaky boky mangina eny amin'ny toerana vory vahoaka ihany ireo mpanohitra ny fanonganam-panjakana. Sary avy amin'i  Lillian Suwanrumpha, Fizakàmanana @Demotix (5/31/2014)

Nambaran'ny tafi-panjakana Thailande tamin'ny 20 May ny lalàna mifehy ny tany misy hotakotaka  ary dia nisy ny fanonganam-panjakana roa andro taty aoriana. Nampanantena ny hikarakara fifidianana ny tafika saingy aorian'ny filaminan'ny fanjakana sy fanavaozana ny rafitra politika.

Taorian'ny efa ho roa herinandro sahady nametrahany ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina manerena ny firenena, dia nanapa-kevitra ny hanafoana izany any amin'ny faritra malaza falehan'ny mpizahatany any Pattaya, Samui ary Phuket ny mpitandro filaminana.

Nofehezin'ny tafika ny fandefasana onjam-peo sy ny fahitalavitra nandritra ny andro voalohany tamin'ilay fanonganana. Fahitalavitra maherin'ny 600 mandeha avy amin'ny zanabolana no nakaton'ny tafika. Fahitalavitra 40 no nahazo alàlana handefa ny fandaharana mahazatra azy tamin'ity herinandro ity isan'izany ny CNN, BBC ary ireo fandaharana sarimiaina fijerin'ny olona.  

Mbola tena arahana akaiky ny haino aman-jery ary hentitra ny tafika amin'ny fampitandremana ny mpiserasera amin'ny aterineto tsy hitsikera ny fitondrana. Ny mahaliana dia nampitandreman'ny mpanolotsaina iray ao amin'ny fitondrana ny vahoaka fa mety hanjadian'ny ” aretin-tsaina noho ny fanjifàna  vaovao marobe tafahoatra”. Fa mbola io mpanolotsaina io ihany koa anefa no nandrisika ny vahoaka ho tony amin'ny tsy famakiana afa-tsy ny vaovao omen'ireo loharano tantànan'ny fanjakana.

Nampanantsoin'ny tafika ireo mpianatra eny amin'ny Oniversite sy mpanao gazety an-jatony andro vitsy lasa izay. Maro amin'izy ireo no mpanohitra ary tsy manaiky ny Junta (fitondràna miaramila apetraka aorian'ny fanonganam-panjakana). Soa ihany fa afaka sahady ny sasany tamin'izy ireo ka afaka nitantara ny zavatra niainany.

 Zarain'i  Thanapol Eawsakul ny zavatra hitany tao amin'ny biraon'ny tafika :

Fomba politika ny fanaovan'ny tena tatitra. Fangatahana fiaraha-miasa izany. Raha misy ny manome, dia misy ny afaka mamerina. Fa raha misy tsy afaka hiara-miasa amin'ny tafika dia lazainy fa hampiasa ” fanafody henjana” ry zareo hampilamina ny toe-draharaha.

Ohatra ny hoe mpandray anjara amin'ny fandaharana zava-misy marina Big Brother ( Razoky be) i Pravit Rojanaphruk, mpanao gazety mamim-bahoaka,:

Lazaina fa tsy mahazo mampiasa finday izahay. Nisy finday roa  azonay  nampiasaina araka izay tianay teo  fa tsy maintsy manome ny laharana ary misy olona mijoro eo akaikinay eo, mihaino rehefa miantso izahay.

Hafahafa izany. Hafahafa ny zavatra rehetra. Nanaitra ahy fa toy ny any anaty karazana fandaharana ‘Big Brother’ izany foana izahay.

Heveriko fa fitsapana ny hafanam-pon'izay nanatrika teo izany. Ny sasany tezitra. Ny sasany mitomany ary ny sasany mitalaho.

Na dia maro aza ny Thai nanohana ny fanonganam-panjakana, maro no manery ny tafika hanatanteraka fifidianana sy hamerina ny fahefana amin'ny vahoaka. Mety ho tafaverin'ny tafika ihany ny fandriam-pahalemana eny an-dalàmben'i Bangkok, renivohitra, saingy vita amin'ny famotehana miandàlana ny fahalalahan'ny olom-pirenena izany. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.