Raha Nandeha Nandevina Ny Renibeny Tany Bosnia Izy, Dia Tondraky Ny Rano Ny Tranony Tany Serbia

Photographer: Marija Trbojevic

Hetsika famonjena voina tao Balkans. Mpaka ny sary: Marija Trbojevic. Nalaina tao amin'ny 350.org. Nahazoana alàlana ny fampiasàna azy.

Ity lahatsoratra ity nosoratan'i Rastko Šejić tao amin'ny 350.org ity dia horonantsary mirakitra ny zava-nitranga nandritra ireo andro vitsivitsy voalohany nisehon'ny tondradrano tao Balkans. Navoaka tao amin'ny Global Voices izy ity  ho ampahany amin'ny fifanarahana iray fifampizaràna votoaty.

16 May – Tondraky ny rano ny trano fonenako tao Serbia

Tamin'ny 6:00 maraina, naharay hafatra avy amin'i Rastislavany anabavikeliko aho, izay nanaitra ahy indray maraina vao mangiran-dratsy. Avy be ny orana nandritry ny telo andro. Toy izao ny vakin'ny hafatry ny anabaviko, “Dobo rano ny tranon'ny mpifanolobodirindrina amintsika.” Tonga dia niantso azy avy hatrany aho.

Avy eny amin'ny rihana fahatelon'ny tranonay tao Obrenovac, Serbia, tsy nahita na inona na inona afa-tsy rano miloko volontany ny anabaviko, mihoatra ny 1 metatra ny haavon'ny rano. Tsy afaka mivoaka mandeha tongotra izy, tsy misy herinaratra ary tsy misy rano mandeha. Ny feon'anjomara fanairana noho ny loza no nanaitra azy.

Aty Bosnia aho. Ka inona moa no azoko atao? Miezaka mampitony ny anabaviko aho, nasaiko nangorona ireo entana vitsivitsy tena ilaina izy ary hiandry ny ekipa miandraikitra ny vonjy taitra…avy eo tapaka ny fifandraisana tamin'ny tambajotra finday. Tsy mitsahatra ny miezaka miantso ny fianakaviako sy ny namako tany Obrenovac aho nefa tsy mety mahazo azy ireo. Fahanginana tanteraka mandritry ny ora maromaro.

Tsy ela dia hitako ny sary voalohan'ny tranonay tao amin'ny aterineto. Efa tonga tany ambany rihana ny rano.

Nahazo hafatra avy amin'ny anabaviko ihany aho nony farany tamin'ny 18:30. Navoakan'ny ekipa mpamonjy voina avy ao an-tranonay ny reny sy ny zaza rehetra. Tsy ampy ny lakana. Te hilaza amin'ny anabaviko aho mba hanana faharetana sainy tsy mety lasa ny hafatra soratako.

Farany, naharay antso avy amin'ny anabaviko ihany aho ny 17 May tamin'ny 2:30. Any anaty fiara fitateram-bahoaka izy. Kotsa tanteraka nefa voavonjy. Avotra ny anabaviko! Resin-tory teo ambonin'ny solosaina keliko aho.

Ny andro taorian'io, nanome vaovao ahy ireo namako sasany. Velona soa aman-tsara izy ireo, na izy ireo voavonjy na mbola any an-tranony any Obrenovac. Niantso ahy ary nanontany vaovao mikasika ny fianakaviako ireo namako maro manodidina ny tanànanay, nanolotra ny tranony hipetrahana ary nanampy. Nisy ny ranomaso, fihomehezana, fitiavana sy haromontana vokatry ny zava-nitranga. Tsy nanafoana ny fifankatiavanay ny adin'i Balkan sy ny baomban'i OTAN.

18 May- Vonjy taitra tao amin'ny tanànan'i Renibeko tao Brcko, Bosnia

Nisy fanambarana mikasika ny vonjy taitra vokatry ny tondradrano tao Brcko, Bosnia sy Herzegovina, izay misy ahy amin'izao fotoana izao. Handevina ny renibeko no nandehanako taty. Ny faran'ny herinandro talohan'ny tondradrano izy no maty. Angidimby an'ny miaramila no misidina eny ambonin'ireo faritra nisy tondradrano manavotra ireo tsy afa-mihetsika any an-tranony.

Avy eny amin'ny lavarangan'ny trano nipetrahan'ny renibe malalako, eny amin'ny rihana fahadimy aho no mahatazana ny arabe tsy ahitana na iza na iza afa-tsy ny tanàna mampivarahontsana, nozarain'ny reniranon'i Brka ho roa. Lasa nihataka amin'izao tontolo izao ny tanàna nohon'ny tondradrano.

Avy eo an-davarangana avy any ambadika indray aho mahita ny reniranon'i Sava tondraka izay mandrahona ny fiainan'ny vahoaka an-tapitrisany tao Bosnia, Croatia ary Serbia. Ery ampitan'ny renirano, hitako ny rano mamirapiratra eny amin'ny tanànan'i Gunja, Croatia izay tondraky ny rano.

Rano misy poizina ao Obrenovac tanànako

Milaza ny manampahaizana fa io no tondradrano ratsy indrindra araka ny tatitra voaray. Nolazaina fa  ny nahazo ny tanàna fonenako Obrenovac no kapoka  mafy indrindra.

Niverina ho toy ny tamin'ny taona 1970 ny lakan-dranon'ny renireno Kolubara, izay nandrava tanteraka an'i Obrenovac, mihabetsaka ny arintany afaka loarana avy ao amin'ny toerana fitrandrahana azy ao Kolubara. Izy rehetra afa-tsy iray monja amin'ireny toeram-pitrandrahana arintany ireny no tondraky ny rano. Lasa nampisy poizina ny renirano tao Obrenovac ny lavenona sy ny potika arintany ary ny fako rehetra avy aminà faritra mihoatra ny 1.000 hektara.

Namolaka ny zava-boahary manodidina antsika isika hatramin'izay, nitrandraka  azy toy ny fananantsika manokana. Mety fotoana izao hieritreretana zavatra hafa indray ho an'ireo fanjakana tao anatin'i Iogoslavia fahiny izay miankin-doha amin'ny fitrandrahana arintany .

The beginning of the floods in Obrenovac, Serbia. Photographer: Marko Ristic

Ny fiantombohan'ny tondradrano tao Obrenovac, Serbia. Mpaka ny sary: Marko Ristic. Nalaina tao amin'ny 350.org. Nahazoana alàlana ny fampiasàna azy.

Ampiraisin'ny fahoriana sy ny fijaliana, ny fitiavana sy ny fifankahazoana izahay

Mahatsiravina ireo sary ao amin'ny aterineto sy ao amin'ny fahitalavitra. Aina maro no nafoy, tanàna manontolo difotry ny rano, tany mihotsaka sy trano fonenana maro potika tanteraka, vahoaka an'aliny no nafindra toerana, ny ankizy mitomany, tsy misy ny herinaratra, tsy misy rano fisotro ho an'ny vahoaka an-tapitrisany.

Mihamitombo ny isan'ny aina nafoy. Tratry ny aretim-po ny namana irain'itompokolahy raiko ary namoy ny ainy 30 minitra taorian'ny nitondrana azy tao amin'ny efitra fanaovana fanatanjahan-tena, foiben'ny mpamonjy aina tao Belgrade. Fantatro ny sasany amin'ireo olona 750 izay notaterina ho tsy hita.

Loza voajanahary goavambe iray nampiray ny vahoaka manerana ny faritra tao anaty fahoriana sy ny hirifiry, ny fifankatiavana ary ny fifankahazoana. Asehon'izy ireo ny toetra tsara indrindra any amin'izy ireo. Olona tena mahery fo izy ireo, ary tena namana tokoa.

Nanongotra ny zavatra ratsy rehetra ilay voina, ny ankosotra sy endrika ivelan'ny politika andavanandro, ny hazakazaka arahin-tosika iainantsika rehetra. Manjaka ny fahatsapana fa olombelona isika ary mifankahazo tsara daholo. Tonga nanolotra fanampiana tao Serbia sy Bosnia ny ekipan'ny vonjy taitra avy any Makedonia, Slovenia ary Croatia. Fa ny fanjakana tsinona tsy miraharaha izany. Fiainan'ny mponina andavanandro io.

Tonga avy hatrany ny fanampiana maneran-tany nohon'ny fisian'ny voina. Ny mpifanolo-bodirindrina akaiky indrindra aminay no tonga voalohany nanampy niaraka taminà milina, ekipa mpamonjy voina, fiara, sakafo sy rano. Saingy vao manomboka mihitsy ny ady atao hiverenana amin'ny fiainana andavanandro any amin'ny faritra tratry ny tondradrano. Very zavatra maro izahay. Ny sasany moa dia tena namoy ny fananany rehetra mihitsy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.