Eny An-Dranomasina ho Fanohanana Ilay Gadra Politika Oscar López Rivera

Desde el Muelle 8 en San Juan hasta la Puerta de San Juan, se hizo la travesía para acompañar a Oscar representado en el cabezudo.

Fiampitana iarahana amin'i Oscar, izay soloan'ilay sarontava goavana iray misy ny endriny notontosaina niainga avy amin'ny fiantsonana laharana faha-8 ao San Juan ka hatrany amin'ny vavahadin'i San Juan.

Nifanao fotoana teo amin'ny helodranon'i San Juan, renivohitr'i Porto Rico, hanatontosa dia amin'ny alalan'ny kayak niainga avy eo amin'ny helodranon'i Bahía Urbana ka hatreny amin'ny vavahadin'i San Juan, toerana ahatongavan'ny mpandeha an-tsambo tamin'ny alahady 25 mey ny Portorikana anjatony. Ny tanjona amin'izany moa dia ny handraisana an-tsaimbolika (sariohatra) ilay Portorikana gadra politika Oscar López Rivera any amin'ny fireneny.

Ny 29 mey lasa teo no nanamarika ny faha-33 taona nitazonana an'i Oscar am-ponja [en], sazy lava indrindra nihatra tamin'ny gadra politika portorikana.  Tsy nisy porofo velively amin'izay heloka bevava nataony ; na izany aza dia nomelohina ho “manomana fanakorontanana” izy noho ny fifandraisany amin'ny Tafi-Panafaham-Pirenena (FALN), izay nanafatrafatra ny hampiasa hery handrodanana ny fanjanahan'i Etazonia an'i Porto Rico.

Misy ireo olo-malaza avy amin'ny firaisamonina iraisampirenena, tahaka ny arsheveka anglikana Desmond Tutu na ilay mpikatroky ny fandriampahalemana Irlandey Tavaratra Mairead Corrigan Maguire, nifanindran-dalana tamin'ny olona an-tapitrisany manerana izao tontolo izao hiampanga ny fanamelohana tafahoatra ampiharina amin'i Oscar.

Nanambara i Oscar fa ny tena alahelovany indrindra dia ny mahita ranomasina. Noho izany toe-javatra izany no nanomanana ny hetsika eny ambony rano, ho vavlombelona amin'ny fanatanterahana izany faniriana izany. Ny hetsika dia nomanin'ny 32 x Oscar, vondrona mpikatroka iray mitolona amin-kafanampo ny mba hamotsoran'ny Filohan'i Etazonia, Barack Obama, ny helony. Ity lahatsarin'ny Noticel ity no ahitana ny sary sasantsasany nandritra io tontolo andro io.

Nizara tamin-kitsimpo ny sasantsasany tamin'ireo sary mandrakitra ny hetsika tamin'ny Global Voices ny mpaka sary mpanoratra gazety Ricardo Alcaraz Díaz.*

A la llegada a la Puerta de San Juan, fue recibido por su familia. En la foto, Clarisa, la hija de Oscar, lo recibe.

Rehefa tonga teo am-bavahadin'i San Juan izy dia noraisin'ny fianakaviany. Eto amin'ity sary ity moa dia ny zanak'i Oscar vavy, Clarisa, no nandray azy.

 

Acompañado por integrantes del grupo teatral Y no había luz,y el público presente, hace el recorrido hacia El Morro.

Nizotra ho any Morro izy niaraka tamin'ny tropy mpanao tantara tsangana Y no había luz, sy ireo vahoaka nanatrika teo.

En El Morro se hizo una hermosa presentación teatral basado en textos de las cartas que Oscar ha escrito a su nieta Karina.

Notontosaina tao Morro ny tantara tsangana mahafinaritra iray miresaka momba ireo taratasy nosoratan'i Oscar hoan'ny zafikelivaviny Karina.

Se lanzó al aire una enorme chiringa con la imagen de Oscar.

Papangohazo goavana iray misy ny sarin'i Oscar nalefa eny an'habakabaka.

Clarisa y Karina, hija y nieta respectivamente de Oscar, se dirigen al público.

Clarisa sy Karina, zanakavavy sy zafikelivavin'i Oscar mikabary amin'ny mpanatrika.

*Ny sary rehetra dia nopihan'i Ricardo Alcaraz Díaz ary nahazoana alalana avy aminy. Avy aminy ihany koa ny filazalazana ny sary eo ambaniny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.