Ny Adin'ny Fanonganam-panjakana Sy Ny Fanapariaham-Baovao Ao Thailand

Anti-Coup demonstrators in Thailand. Photo by Prachatai via Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fanonganam-panjakana ao Thailand. Sary avy amin'i Prachatai tao amin'ny Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Misy adin'ny fampitam-baovao ao Thailand. Misy ny sivana, ankoatry ny lalàna miaramila sy ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila. Nakaton'ny miaramila ny “cable”, ny foibe fampielezam-peo, sy ny sasantsasany tamin'ny fahitalavitra ary nilaza tamin'ireo eny anaty media sosialy “mba hitandrina fatratra” — izany rehetra izany alohan'ny hilazàna hoe fanonganam-panjakana.

Zara raha misy tatitra mivoaka ao Thailand tato ho ato raha vao vaovao momba ny politika. Nangatahan'i Prayuth Chan-Ocha, lehiben'ny tafika ireo fantsom-pahitalavi-panjakana mba tsy hamoaka vaovao afa-tsy vaovao avy amin'izay loharano efa neken'ny tafika. Ireo fanambaràna miverimberina ataon'ny tafika no hitan'ireo Thais eo amin'ny fahitalavitra, isanandro vaky. Mampahatahotra ny “tsy fahampian'ny” vaovao, ao anatin'ny fotoana izay mampangetaheta fatratra ny vahoaka hahalala izay mitranga. Raha efa zatra amin'ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina ny ankamaroan'ny Thais — efa betsaka izy ireny tato anatin'ny folo taona farany fotsiny — ny fahafahana mahalala izay mitranga ao amin'ny fireneny dia efa afaka hanampy ny sain'ny Thais iray manontolo izay nomena baiko hijanona any an-tokantranony. Ary manan-jo hahafantatra izay miseho ao amin'ny fireneny izy ireo.

Na dia mandeha ho azy aza ny mahita ny lalàna miaramila arahana fameperana ny fahalalahan'ny gazety sy ny fanehoana hevitra, dia naneho fitandremana fatratra ny miaramila tamin'ity indray mandeha ity. Tsy toy ny tamin'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 2006, nanao fanambaràna hentitra sy mivantana ry zalahy mitafy fanamiana ireto, na io ho an'ny mpampita vaovao mahazatra, na ho an'ireo media vaovao taty aoriana, sy ho an'ny mpanjifa mba hitandrina amin'ny fitondrantenany. Novoriana sy nilazàna ireo media sy mpanome tolotra aterineto ary nampitandremana matetitetika tsy hanao fihetsika “tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy” eny anaty media sosialy.

Amin'ireo fanambaràna ofisialy miisa 19 nataon'ny Filankevi-pirenena vao naorina tsy ela Ho an'ny Fandriampahalemana sy ny Fitandroana ny Filaminana, enina no mitodika manokana amin'ny vaovao sy ny fivezivezen'ny vaovao. Miteny ny miaramila fa tsy maintsy hanara-maso ny TV, ny fampielezampeo ary ny aterineto ho toy ny làlana iray hiantohana fa “marina” sy “mahitsy” ny vaovao aparitaka ho an'ny vahoaka. Voalaza fa miasa saina manokana momba ny fifandraisana amin'ny media sosialy ilay Filankevitra, izay tsy ananan-dry zareo fifehezana mivantana ary nambarany ampahibemaso fa mety hametraka fanamby bebe kokoa ho an'ny fitondràna miaramila sy ny fanjakana manontolo ireo vaovao tsy voasivana miparitaka any.

Fanambaràna iray avy amin'ilay Filankevitra no mitaky ny fanarahamason'ireo mpanome tolotra aterineto ireo tambajotra ety anaty serasera sy hamafàny ireo vaovao izay mety “hiteraka korontana” eo amin'ny firenena. Mivaky toy izao ilay fanambaràna :

Mba hanapariahana vaovao marina ety anaty serasera ho an'ny vahoaka – hisorohana ny fanodinkodinana saim-bahoaka izay mety hiteraka tsy fifankahazoana sy fifandirana… ireo mpanome tolotra aterineto dia tsy maintsy:

  1. manara-maso sy manakana ireo fanapariahana vaovao izay mety hiteraka korontana eto anivon'ny fanjakana na mety hitondra fiantraikany ratsy amin'ny fahamarinan-toeran'ny fanjakana sy ny toe-tsain'ny vahoaka.

  1. manatrika ny fampiantsoana fivoriana alefan'ny Ofisim-pirenena momba ny Fampitampeo sy ny Kaomisionan'ny Fifandraisan-davitra….

Inona no atahoran'ny miaramila? Betsaka amin'ireo ahiahy no atosiky ny fandrahonana hisian'ny “fampielezan-kevitra mihantsy herisetra afafin'ireo olona ratsiratsy toetra.” Mino ny tafika fa misy vondrona “miafina”  ao Thailand, vonona ny hitondra faharavàna ao amin'ny firenena.  Manahy ry zareo fa raha tsy vofehiny sy voavondrony ny fanapariaham-baovao, dia ho votsotra amin-dry zareo ity ady ity. Tsy ny ady eo amin'i Shinawatra sy “ny ambiny” fotsiny, fa na ny eo amin'ny fanjakana sy ireo “mpanohitra azy” aza.

Hatramin'ny namoahana ny lalàna miaramila, nanomboka nisambotra olona ny mpitandro filaminana, ireo izay manana fitondrantena mampiahiahy ho mpanohitra ary voalaza ho mitàna fitaovam-piadiana miaramila. Ny sasany tamin'ireny fitaovana ireny no nahiana ho an'ireo olona manana fifandraisana amin'ireo hetsika fanoherana mitam-piadiana.

Azo hamarinina ve ny fikasan'ny miaramila hifehy ny media? Ny fanonganam-panjakana tamin'ny 2006, rehefa nametraka fameperana samihafa ny tafika momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, dia tsy tonga tamin'izao dingana fanakendana ny vaovao izao. Marobe amin'ireo fantsom-pahitalavitra ara-barotra ao Thailand no saiky tsy manao politika: andian-tantara no betsaka fandefan-dry zareo, lalao sy lahatsarin-kira. Natao hamafazana tahotra angamba io efa toy ny fanakanana ny media io. Na angamba mino ny tafika fa hanampy azy amin'ny fanampenam-bava ny mpanohitra azy izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.