Rwanda: Triatra Atahorana Ny Mariboninahitr'i Paul Kagame

Prévention du recrutement d'enfants soldats  par l'académie de la paix  au Rwanda - domaine public

Fikaonan-doha momba ny fisorohana ny fanaràmana ankizy ho miaramila ataon'ny RPA – Sehatra ho an'ny daholobe

Tsy ho indray mandeha akory dia ho voafafa ireo halozàna sy fifamonoan'ny mpifanolo-bodirindrina, niafàra tamin'ny fanaovana vonomoka olona efa ho 800.000 ka hatramin'ny 1.000.000 , izany hoe manodidina ny 80 isan-jaton'ny Tutsis sy Hutus marobe, (manodidina ny ampaha-enin'ny vahoaka manerana ny firenena) tao anatin'ny herinandro vitsy monja. Roapolo taona aty aoriana, mbola lavitra ny làlana hodiavin'ny dingana ho fampihavanana. Kanefa, manomboka manome vokatra ireo finiavana ara-politika asehon'ny governemanta. Eo amin'ny lafiny lalàna, dia mitsangana ao amin'ny firenena ankehitriny ny  Kaomisionam-pirenena misahana ny fampiraisana sy ny fampihavanana. Natsangana tamin'ny 2001, tanjona napetrany ny hampiroborobo ny firaisankina, ny fampihavanana sy ny fifamatorana sosialy eo amin'ny samy Rwandais ary ny hanangana firenena iray hisian'ny fitovian-jo ho an'ny rehetra sy handraisany anjara amin'ny fitondràna tsara tantana.
Susan Thomson, profesora mpampianatra momba ny politika afrikana amin'izao vainandro ankehitriny izao, ao amin'ny  Five Colleges (Hampshire College, Amherst, Etazonia), dia manoratra ao anaty lahatsoratra iray ao amin'ny tranonkalan'ny Cairn hoe:

Teo ambany fitondràna tsy refesi-mandidin'ny RPF, nandray anjara betsaka tamin'ny famerenana ny fandriampahalemana, hamerina ny firaisam-pirenena sy ny fampihavanana manerana ny lafivalon'ny firenena ny fitondràna talohan'ny fifamonoana. Ny rafi-panjakana Rwandais, mafy sy mivondrona, dia nanamora ny fanarenana tamin'ny fomba haingana. Samihafa tsy toy ireo firenena Afrikana hafa, vitan'i Rwanda ny nampihatra fifehezana ny lafintaniny tamin'ny fomba faran'izay mahomby. Tafaverina daholo ireo andrim-panjakana rehetra. 

Natsangana koa ny Rwanda Peace Academy (RPA) tamin'ny 2009 niaraka tamin'ny fanohanan'i Japana sy ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana Momba ny Fampandrosoana (PNUD). Iraka tontosainy ny: manao fikarohana, mandrafitra sy manome fampiofanana ara-asa ary fandaharam-panabeazana eken'izao tontolo izao, mba hanomezana fahalalàna sahaza ho an'ireo miaramila, polisy ary olon-tsotra hiatrehany ireo fanamby amin'izao fotoana sy ny hoavy mbola manahirana momba ny fandriampahalemana sy ny fitoniana aty Afrika.

Iray amin'ireo zava-miavaka vitan'i Rwanda ny nampiroboroboany ny miralenta teo amin'ny sehatra maro. Ao Rwanda no misy ny isanjato ambony indrindra erantany amin'ny isan'ny vehivavy ao amin'ny antenimiera, efa ho 64 isanjato, araka ny fandaharana nataon'ny Fikambanana Iraisampirenen'ireo Antenimiera tamin'ny 1 Febroary 2014, taminà firenena 189.

Louis Michel, minisitra belza fahiny sady kaomisera eoropeana, dia manamarika ao amin'ny bilaoginy manokana hoe

Mampitolagaga ireo vokatra ireo : tao anatin'ny folo taona latsaka, olona maherin'ny iray tapitrisa no afaka tao anaty fahantrana lalina ary nahitàna fitomboana ara-toekarena marin-toerana teo amin'ny 8% isan-taona tao amin'ilay firenena. Maherin'ny 95% amin'ny ankizy amin'izao fotoana izao no afaka nahavita ny dingana rehetra fianarana eny amin'ny ambaratonga voalohany, nidina 61€ ny taham-pahafatesan'ny zaza raha telo ampaha efatry ny mponina kosa no afaka mahazo rano fisotro. Farany, manodidina ny 50% amin'ny vehivavy no afaka manaraka fanabezana aizana, ….. Mametraka an'i Rwanda ho ao anatin'ireo firenena ankavitsiana aty Afrika afaka hanamafy fa nahatratra ny tanjon'ny taonarivo izany (OMD) amin'ny 2015.

Natomboka tamin'ny  2001, ny drafi-pampandrosoana dimy taona voalohany ny sehatry ny teknolojia vaovao dia nahafahana nanatratra fandrosoana azo tsapain-tànana. Tao anatin'ny ampahany faharoa tamin'io drafitra io, izay nifàrana tamin'ny 2010, dia nahatratra 8 900% ny fitomboan'isan'ireo mpampiasa voarakitra tao Rwanda raha toa ka 2 450% ho an'ny sisa rehetra ao amin'ny Tanibe Afrikana ary 444% ny salanisa maneran-tany. Nampahafantarin'ny tranonkala africarenewal/fr ihany koa fa sampana efatra amin'ny sehatrasa ho an'ny vahoaka (ministera, masoivoho, faritany ary distrika) ary efa ho ny ampahatelon'ny sehatra tsy miankina no hita tety anaty aterineto. Ankoatry ny toerana voalohany tànany, dia mitàna anjara asa ihany koa i Kigali amin'ny fitantanana manotolo ny fanaraha-maso sy fivezivezena ary ny fifandraisana an'habakabaka any amin'ny faritra.

Niainga tamin'ny foto-kevitra lalàin'ny filoha rwandais, Paul Kagame, izay manao hoe ” tolotra ilain'ny sarambabem-bahoaka ny aterineto, toy ny rano sy herinaratra”, ary iaraha-miasa amin'ny Rwandan Telecentre Network (RTN), nametraka drafitra iray ny governemanta ho amin'ny fampiroboroboana ny aterineto any amin'ny faritra ambanivohitra. Lahatsoratra iray nivoaka tao amin'ny balancingact-africa.com no nilaza fa:

Nanome tànana ny ezaky ny governemanta ny Rwandan Telecentre Network (RTN)  ary nanome toky hanangana tambajotra nasionaly misy foibe TIC 1.000 hatramin'ny faran'ny 2015 sy hanofàna mpiasa avy ao an-toerana.

Mbola ao anatin'ny sehatry ny fahafahana miditra amin'ny teknolojia vaovao hatrany, ao anatin'ireo firenena afrikana mpandray anjara amin'ny fandaharanasa One Laptop per Child (ankizy iray, solosaina finday iray), dia i Rwanda no lasa aloha indrindra amin'ny fanatanterahana azy io: Araka ny fanavaozam-baovao natolotry ny Wikipedia tamin'ny 28 aprily 2014:

By 2013, 400.000 XO-XS laptops have been distributed. 

Tamin'ny 2013, 400.000 solosaina finday XO-XS no voazara.

Ny fanimbazimbàna zon'olombelona ao Rwanda 

Saingy indrisy, voapentin'ny fanimbazimbàna mahatsiravina atao amin'ny zon'olombelona io asa mahafinaritra io, fanimbazimbàna izay taterin'ireo fikambanana miady amin'izany. Fomba fanao efa nisy nandritry ny taona vitsivitsy. Efa tamin'ny 2012 sahady, taorian'ny nandefasany iraka maro ho ao amin'io firenena io, no efa niampanga izany ny Amnesty International :

Teo anelanelan'ny Martsa 2010 sy Jona 2012, nahangona antontan-kevitra miresaka tranga 45 ny Amnesty International momba ny fihazonana tsy ara-dalàna, ary18 momba ny fampijaliana na fomba ratsy hafa fitondra ireo olona tao amin'ny Toby Kami, tao amin'ny toby miaramila ao Mukamira sy tany amin'ireo toerana fihazonana tsy ara-dalàna misy ao an-drenivohitra, Kigali. Notazonin'ny J2 nandritry ny fe-potoana 10 andro ka hatramin'ny 9 volana tsy afaka naka mpisolovava ireny olona ireny, tsy afaka nifandray tamin'ny mpitsabo na ny havany.

Nisy ny tatitra momba ny famonoana ireo mpanohitra na dia tany ivelan'ny firenena aza. Nosamborina ireo mpanao gazety na mpitarika politika fahiny, izay nanodidina akaiky ny filoha rwandais, na novonoina. Voamarina ny fisamborana faramparany tamin'ny fiandohan'ny volana Aprily 2014. Mampita ny fisamborana ilay mpihira malaza Kizito Mihogo ny tranonkala arretsurimages.net, mpihira izay tafavoaka velona tamin'ny vonomoka rwandais, ary niampy olona telo hafa, izay mpanao gazety ny iray, noho ny fiampangàna azy ireo ho nikotrika fanafihana taminà grenady ny tranobe iray tao Kigali. Nefa, fantatra amin'ny fandalàny ny filaminana i Kizito Mihigo. Izy mihitsy aza no nanorina ny ONG ho fanabeazana  momba ny fandriampahalemana. Azo vakiana ao amin'ny bilaoginy Kizitomihigo ny hoe:

Hatramin'ny 2003, niasa hisian'ny famelan-keloka izy, ny fampihavanana ary ny firaisana eo amin'ireo rwandais ampielezana any Eoropa. Tamin'ny 2010, rehefa tafaverina tao Rwanda izy, dia nanangana ny Fondation KMP (Kizito Mihigo pour la Paix), ONG iray mampiasa ny taokanto (mozika, teatra, poezia, ..) ho amin'ny fanabeazana momba ny fandriampahalemana, ny fampihavanana ary ny Tsy fampiasàna herisetra taorian'ny vonomoka.

Nanambara tena ho meloka ilay mpihira, saingy betsaka ny fisalasalana mampiahiahy miainga etsy sy eroa momba ny endrika samihafan'ity raharaha ity.

Etsy ankilany, hatramin'ny taona maromaro lasa izao, nihenjankenjana ny fifandraisana diplaomatika teo amin'i Kigali sy  firenena maro. Niala amin'ny naha-firenena nisolelafan'ny tandrefana azy, efa miha-lasa tsy azo ifaneraserana ankehitriny i Rwanda ary mihamaro ny fanafoanana ireo fanampiana ara-tafika sy ho an'ny fampandrosoana. Henjana ny fifandraisana diplaomatika amin'i Afrika Atsimo, taorian'ny famonoana ireo mpanohitra tao amin'io firenena io. Efa nisy sahady ny fifandroahana diplaomaty teo amin'ny roa tonta. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.