Mpihira Hafa ao Shina Nosamborina Noho Ny Fanandratana Ny Mari-Panondroana Sy Ny Kolontsaina Tibetana

Popular Tibetan singer Gepe was arrested after singing in a music concert. Screen capture from YouTube.

Tibetana Mpihira malaza Gepe nosamborina rehefa avy nanao fampisehoana an-kira. Pikantsary avy amin'ny YouTube.

Nosamborina ny Tibetana Mpihira iray, Gepe, tamin'ny 24 May 2014 tao amin'ny farintanin'i Sichuan, taorian'ny fampisehoana iray nataony natrehin'olona an'arivony. 

Nahazo alalana tamin'ny manampahefana tao an-toerana ity fampisehoana nomanin'ny vondrona tanora Tibetana ity araka ny tatitra nataon'ny “Voice of America”, ary natao hanambarana ny mahazavadehibe ny teny sy ny kolontsaina Tibetana..

Mpihira malaza avy any Ngaba ao Amdo i Gepe. Raha itodihana ny tamin'ny taona 2012, taorian'ny namoahany rakikira iray manambara ny fahoriany tafasaraka amin'ny mpitarika azy ara-panahy sy ny faniriany mafy ho amin'ny firaisan-kina Tibetana, dia nanjavona nandritra ny fotoana maharitraritra ihany izy. Eto ambany ny iray amin'ny hirany, “Tonga aho” miaraka amin'ny dikantsoratra amin'ny teny anglisy nataon'i Grey Buffalo :

Tsy i Gepe akory no mpihira Tibetana voalohany hotsaraina any Shina. Hatramin'ny nisian'ny korontana tao Lhasa tamin'ny Marsa 2008, dia lasa lasibatry ny famotehana ara-politika ny artista Tibetana. Tibetana mpanoratra sady poeta Tsering Woeser nilazalaza ny andiam-panenjehana ho “mitovy amin'ny politikan'ny revolisiona ara-kolontsaina saingy amin'ny anarana hafa”.

Tamin'ny herintaona ny volana desambra, nosamborina tao amin'ny Firaisam-pokontanin'i Diru i Thinley Tsekar sy i Gonpo Tenzin. Samy mihira momba ny mari-panondroana sy kolontsaina ary fiteny Tibetana izy reo ireo. Nodidiana higadra an-tranomaizina sivy taona i Thinley fa hoe “manao izay hampisy fihetseham-po manohitra ny governemanta amin'ny Tibetana mihaino ny hirany”. Indro ny iray amin'ny hirany hita ao amin'ny YouTube:

Tamin'ny Avrily 2012, nosamborina ilay Tibetana mpihira malaza Lo Lo rehefa namoaka rakikira nampitondrainy ny lohateny hoe, “Atsangano ny sainan'i Tibet ry zanaky ny ranomandry”. Nodidiana higadra enintaona an-tranomaizina ilay mpihira tamin'ny Aogositra 2013. Eto ambany ny iray amin'ny hirany ao amin'ny YouTube:

Misy mivaky toy izao ny tonony amin'ny hirany:

To promote loyalty to the Land of Snows, For the complete independence of Tibet, With a realised understanding of our objectives, Raise the flag of Tibet- sons of the snow

Ho fampiroboroboana ny fankatoavana ny Tanin'ny Ranomandry, ho amin'ny fahaleovantena manontolon'i Tibet, miaraka amin'ny fahazoana ny tanjontsika, Atsangano ny sainan'i Tibet ry zanaky ny ranomandry

Tamin'ny Marsa 2012, nogadraina ny mpihira malaza iray Ugyen Tenzin rehefa namoaka rakikira mitondra ny lohateny hoe, “Fikoriana tsy mitsahatry ny rà ato am-poko”. Natao ho an'ireo mpitarika ara-panahy ahitana ny Dalai Lama sy ny Karmapa ny sasantsasany amin'ny hirany. ity ambany ity ny lohahevitry ny rakikirany, “Mikoriana ny rà ao am-po”, izay ahitana dikantsoratra notontosain'i “tampon-tendrombohitra tany madio”:

Tamin'ny 2011, vehivavy mpihira fanta-daza iray, nosamborina mialoha ny hanatrehany ny seho tibetana ara-kolontsaina iray tao amin'ny firaisam-pokontanin'i Sangchu miaraka amin'ny Tibetana mpihira sy mpitendry mozika i Hortsang Lhalung Tso. Indro ny iray amin'ny hirany ao amin'ny YouTube:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.