Mpianatra Nahita “Momie” Nandritra Ny Fikarohana Nataon'Izy Ireo Tao Amorontsirak'i Chile

Nosoratan'i Corresponsales avy ao amin'ny El Morrocotudo ny lahatsoratra nadika [es] navoaka tao amin'ny El Morrocotudo tamin'ny 26 Mey 2014

Launcho

Sary: Arsiva El Morrocotudo

Mpianatra folo avy ao amin'ny Akademian'ny Arkeolojia ao amin'ny sekoly monisipaly E 26 “Amerika” no niaina zavatra tsy hay hadinoina.

Tamin'ny naoty fampafantarana teny an-tanan'izy ireo, tonga tao amin'ny faritra akaikin'i Morro izy ireo, teo amin'ny havoana kely boribory mifanolotra amin'ny tanàna amorontsiraka El Laucho, mba hijery ireo (taolampaty) sisa tavela taorian'ny hovitrovitry ny tany tamin'ny volana Aprily.

Noho ny toerana vatovatoina be, dia niaraka tamin'ny masolavitra isan-karazany izy ireo ahafahana mandinika karandoha sy ireo taolana miparitaka sisa tavela.

Taorian'ny fikarohana nataon'izy ireo, nandray naoty mikasika izay zavatra hitany ny mpianatra tsirairay ary avy eo tsy maintsy manoratra tombatombana.

Faty Maina voatahiry (“Momie”) tsy nampoizina ho hita

Raha nanomboka nanangona ireo fitaovana nampiasainy nijerena ireo karaña sisa tavela ny vondrona mpianatra, nisy zavatra tsy nampoizina hita. Nanapa-kevitra hijery ny faritra eo akaiky ny vondrona tarihin'ilay mpampianatra Hans Neira sy ilay mpianatra Mijael Flores. Nihanika ilay faritra izy ireo, nahita zavatra hafa tavela ary afaka nahita tsara ny tapany ambany izay toa tahaka ny ankizy.

Nandroso am-pitandremana hijery ilay toerana izy ireo, nandray naoty sy naka sary mba hanaovana tatitra hoan'ny Akademia sy ny manampahefana tompon'andraikitra mitahiry ny karazan'itony zavatra hita itony.

“Dia mahafinaritra”

“Mino aho fa ity no tena faratampony amin'ny tsangatsangana lavorary, ny fahitana ireo sisa tavela, saingy fanairana ihany koa izany fa tokony ambenana ity faritra ity noho ny zavamisy ao aminy, rehefa mahafantatra fa fasana lehibe niorina talohan'ny fanjanahantany izay mivelatra mankany atsimon'ity faritra ity” ilay toerana, araka ny fanamarihan'ny mpampianatra.

“Nanaitra ny saiko ny fahitana ilay endri-javatra hafahafa, ahitana dikin'alika, ary rehefa nandinika azy tsara izahay no nahita ireo zavatra sisa tavela ireo”, hoy ilay tovolahy nientanentam-po, ary naniry hatry ny ela ho lasa arkeology rehefa lehibe.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.