Nahoana Ny Saodiana No Manoroka Ny Ramevany?

Na dia ny Coronavirus izay mahafaty aza da tsy mahasakana ny Saodiana tsy hifampikasokasoka amin'ny biby tiany indrindra – ny rameva.

Na ao amin'ny Twitter na ao amin'ny YouTube, dia mbola manohy ny famoahany sary na lahatsarin'izy ireo manoroka rameva ao anatin'ny fanentanana tsy voarindra ho fanoherana ny fampitandreman'ny governemanta fa mety ho avy amin'ny rameva no mahatonga ny fahazoana ny “aretim-pahasarotam-pisefoana Afovoany Atsinanana [Middle East Respiratory Syndrome (MERS)], noho ny fitomboan'ny tranga ao amin'ny fitondram-panjaka. Ny sioka dia mivoaka miaraka amin'ny diezy (#كورونا_و_الابل) izay midika hoe “Corona sy Rameva,” mampisongadina ny fitiavan'ny Saodiana Fatratra ity bibin'ny tanihay ity.

Na dia milaza aza ny manampahaizana momba ny fahasalamana fa ny rameva no heverina indrindra ho biby niavian'ny fifindran'aretina, tsy misy ny vakisiny na fitsaboana iadiana amin'ny viriosin'izy ity.

Indreto ny sasantsasan'ny sary ifampizaran'ny mpisera Twitter, izay manambara fa tsy misy aretina hanakatsakana azy ireo amin'ny ramevany.

@aaaa12200 nizara ity sary ity:

Saudis kiss their camels in defiance of a warning that the source of a deadly disease Coronavirus could be from camels. Photograph shared on Twitter by @aaaa12200

Manoroka ny ramevany ny Saodiany ho fihaikana amin'ny fampitandremana fa mety ho iavian'ny aretina Coronavirus mahafatyny rameva. Saripika zarain'ny mpisera Twitter @aaaa12200

Ary nanambara i Fahad bin Abdulla fa handany ny andro sisa hiainany miaraka amin'ny ramevany izy:

Twitter user Fahad bin Abdulla shares this photograph of himself with his camel. Source: @AlHaqbani

mpisera Twitter Fahad bin Abdulla mizara ity sariny miaraka amin'ny ramevany ity. Loharano: @AlHaqbani

Ny hafa aza moa dia manampy avy roa heny ny daoziny ho fihaikana ny fifandraisana misy eo amin'ny rameva sy ny coronavirus. Ny lahatsary manaraka dia mampiseho ny tompon'ny rameva manoroka ny roa amin'izy ireny sady mangataka amin'izy ireo hikohaka eo amin'ny tavany ho fampisehoana fa tsy matahotra ny ho tratran'ny aretiny avy amin'ireo bibiny izy:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.