SARIPIKA: Mamelana Ny Tabeboia Ao Trinite & Tobago

Nandalo vanim-potoana maina makiana dia makiana ny ao Trinite sy Tobago, ary maromaro tokoa ny doro-tanety nahatonga ny havoana manerana ny firenena ho maradratra sy miketroketrona.

Na izany aza, dia mbola manelatrelatra ihany ny hazo trompetra mavo sy volomparasy, manome famirapiratana farany eo am-piandrasana fatratra ny rano – ka ao anatin'izany ny fahaterahan'ny havoana maitso indray – soa ihany fa tsy mitanjaka izay manamora ny karazana tondra-drano izay tsy nahafahan'ny firenena nikofoka teo aloha.

Poui Tree: Image by Humberto GE, used under an Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic CC  license.

Hazo Tabeboia: Sarin'ny mpisera Flickr Humberto GE, miasa amin'ny alalana Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic CC.

Yellow Poui: Image by Flickr user Georgia Popplewell, who notes: "The flowering of the yellow poui normally signals the end of the dry season, but who knows what the weather's really up to these days?"  CC BY-NC-ND 2.0

Hazo Trompetra Mavo: sarin'ny mpisera Flickr Georgia Popplewell, izay nanamarika: “Raha ny tokony ho izy dia manamarika ny fiafaran'ny fotoana maina ny famelanan'ny tabeboia mavo, saingy iza moa no hahalala ny ho toetr'andro tokoa amin'izao vanin'andro izao?” CC BY-NC-ND 2.0

Ao Trinite sy Tobago, ny famelan'ny Tabeboia dia mitovy ara-kolontsaina amin'ny voaroy mamelana any Japan. Matetika ny olona no mitodi-doha mankany amin'ny Queen's Park Savannah ao Port of Spain hitsangatsangana ambany alokaloky ny hazo, mamelatra ny lambany ambonin'ny karipetran'ny voninkazo miraraka.

Poui Carpet: Image by Flickr user janinephoto, used under an Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic CC license.

Karipetran-tabeboia: Sarin'ny mpisera Flickr janinephoto, ampiasaina amin'ny alalan'ny lisansa Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic CC.

Pink Poui Blossoms: Image by Flickr user janinephoto, used under an an Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic CC license.

Tabeboia miloko raozy: Saripikan'ny mpisera Flickr janinephoto, alalana Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic CC.

Cherry Poui; Image by Flickr user janinephoto, used under an an Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic CC license.

Tabeboia voaroy; sary avy amin'ny mpisera Flickr janinephoto, ampiasaina amin'ny lisansa Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic CC.

Amin'ny Paska, fahazarana ny mandeha milalao papangohazo: ny fahitana papangohazo maromaro miloko isankarazany mikopakopaka ambonin'ny hazo tabeboia dia mitovy amin'ny fijeren'ny Triniteana lalao cricket ara-pirahalahiana isaky ny faran'ny herinandro.

Kites and Poui Trees: Image by Flickr user Nicholas Laughlin, used under an Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic CC license.

Papangohazo sy ny hazo Poui (Tabeboia): saripikan'i Nicholas Laughlin, lisansa Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic CC.

Poui Flare: Image by Flickr user janinephoto, used under an an Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic CC license.

Savovona Poui: saripika avy amin'ny mpisera Flickr janinephoto, nampiasaina avy amin'ny lisansa Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic CC.

Na antanandehibe na ambanivohitra, mamelana manerana ny firenena ny tabeboia. Ny sary eto ambany, ahitana ny tabboia mavo izay ao anatin'ny karazan'ny bromeliads, dia nopihana tao amin'ny tanànan'i Matelot, morona avaratra atsinanan'i Trinite.

Matelot Poui: Image by Flickr user Nicholas Laughlin, used under an Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic CC license.

Matelot Poui: saripikan'ny mpisera Flickr Nicholas Laughlin, ampiasaina avy amin'ny lisansa Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic CC.

Ny famelanan'ny vonikazo Pouis (Tabeboia) dia fampahatsiarovana isan-taona ny fanantenana sy ny fahaterahana indray, ny zavatra akaiky indrindra amin'ny lohataona any Karaiba.

Ny filazana rehetra momba ny lisansa CC amin'ny ankapobeny: ny Attribution dia mitaky ny hanononana ny anaran'ny naka ny sary, ny NonCommercial milaza fa azo atao ny manao fanovana saingy tsy amidy, NoDerivs milaza fa tsy misy alalana hanova ny sary, ShareAlike milaza fa zaraina araka ny fepetra voalohany namoahana ny sary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.