Ny Elanelan-Karama Eo Amin'ny Lahy sy ny Vavy, Jery Avy Amin'ny Media Sosialy

Activists, community leaders and politicians gather on the steps of City Hall in New York to rally against pay disparity on Equal Pay Day. April 8, 2014. Photo by Richard Levine. Copyright Demotix.

Mpitolona, ​​solontena ao an-toerana ary mpanao politika mivory eo anoloan'ny lapan'ny tanànan'i New York, Miray Hina hanohitra ny hantsana eo amin'ny karama mandritra ny andron'ny fitovian-karama. 8 Aprily 2014. Sarin'ny Richard Levine. Copyright Demotix.

Niteraka fahasorenana ny maro teo amin'ny media sosialy, na mpanoratra gazety na mpankasitraka, ny nandrenesana fa nandray vola hatramin'ny 600.000 dollars amin'ny maha-iraka manokana azy ao amin'ny NBC ny zanakavavin'ilay filoham-pirenen'i Etazonia teo aloha, Bill Clinton, izay tsy iza fa i Chelsea Clinton tamin'ny herintaona.

Raha marina io tarehimarika io, dia midika fa  mahazo mari-karama betsaka kokoa noho ilay vehivavy talen'ny New York Times teo aloha antsoina hoe Jill Abramson, izay voaroaka iray volana talohan'io noho ny filazana nisian'ny fifandirana eo amin'ny elanelan-karama, i Chelsea Clinton.

Tsy mahasolo tena ireo vehivavy rehetra miasa amina fanaovan-gazety lehibe isan-karazany, eny fa na dia ny vehivavy afa-miasa amin'ny ankapobeny akory aza, ny karaman'ny vehivavy iray be loatra, saingy namelona indray ny adi-hevitra amin'ny tsy fitovian-Karama eo amin'ny lahy sy ny vavy ao Etazonia ny hatairana naterak'ity fanambaràna ity.

Maro tokoa ny fandalinana sy fanadihadiana natokana tamin'ny elanelan-karama ary nikaroka ny antony hahazoan'ny vehivavy mari-karama ambany noho ny lehilahy amin'ny ankapobeny ao Etazonia. Vao maika nahasarika ny maro kokoa izany lohahevitra izany ny volana Aprily teo, noho ny didim-panjakana navoakan'i Barack Obama, manome baiko ireo mpifampiraharaha amin'ny governemanta mba hamoaka ny tahirin-kevitra ara-karama ao amin'izy ireo sokajiana amin'ny alalan'ny mahalahy sy mahavavy ary ny fiavian'ny mpiasa ao aminy. Ny hevitra ambadik'izany dia ny hanomezana mangarahara hanomezana vahana kokoa ny vehivavy hitaky fitoviana ara-karama amin'ny asa mitovy ary hanerena ny mpampiasa hanadihady ny fielanelan-karama ao amin'ny sampan-draharaha goavana misy azy ireo izay tsy misy mijery amin'ny fotoana mahazatra.

Adihevitra malaza ao amin'ny media sosialy ihany koa ity resaka ity. Misy ireo mizara tantara manokana fohy mikasika io tsy fitovian-Karama eo amin'ny lahy sy ny vavy io amin'ny alalan'ny fampiasana solon'anarana.

Ireo vehivavy mazàna, saro-kenatra kokoa noho ny lehilahy  mandritra ny adivarotra, mitady karama kely rehefa tolorana asa, hany ka miafara amin'ny karama ambany izay hisy fiantraikany amin'ny fandraisam-bola mandritra ny fiainany. sans mari-Karama ambany eo amin'ny tolotr'asa, ka Manjary manomboka amin'ny tambin-Karama manaiky ambany tokoa ka miantraika amin'ny fivelomany mandritra ny avy eo fiainany. Mpitantana iray ao amin'ny orinasa iraisampirenena iray manoratra ao amin'ny subreddit Twoxchromosomes ao amin'ny Reddit :

I work for a large multinational tech company, I regularly hire woman for 65% to 75% of what males make.

Our process, despite the pay gap, is identical for men and women. We start with phone interviews, and move into a personal and technical interview. Once a candidate passes both of those, we start salary negotiations. This is where the women seem to come in last.
The reason they don't keep up, from where I sit, is simple. Often, a woman will enter the salary negotiation phase and I'll tell them a number will be sent to them in a couple days. Usually we start around $45k for an entry level position. 50% to 60% of the women I interview simply take this offer. It's insane, I already know I can get authorization for more if you simply refuse. Inversely, almost 90% of the men I interview immediately ask for more upon getting the offer.

Miasa amin'ny orinasan-teknolojia lehibe iray iraisampirenena aho, ary zatra mandray mpiasa vehivavy, izay mikarama 65 hatramin'ny 75% ny karaman'ny lehilahy.

Na dia eo aza ny fahasamihafan'ny karama, dia mitovy ihany ny zotra arahana eo amin'ny fandraisana ny lahy sy ny vavy. Manomboka amin'ny firesahana amin'ny alalan'ny antso, avy eo mandalo amin'ny firesahana manokana sy ara-teknika. Rehefa mahomby amin'ireo dingana ireo ny mpiadina, dia eo no hiresahana ny karama. Eo no tratra aoriana ny vehivavy.
Raha eo amin'ny toerako, ny antony tsy hitovian'ny karaman'izy ireo amin'ny lehilahy dia tsotra. Rehefa miditra eo amin'ny fifampiraharahana ny vehivavy iray, dia eo aho no miteny azy halefa any amin-dry zareo ny tarehimarika afaka iray na roa andro. Ny fahazaranay dia manomboka amin'ny 45000 Dollars ny karama ambany indrindra. 50 ka hatramin'ny 60% ny vehivavy izay anontaniako no manaiky tsotra fotsiny ny tolotra. Hadalana izany, izaho anefa mahafantatra tsara fa mahazo alalana hanome mihoatra raha toa ka mandà ianao. Etsy andaniny anefa, 90% ny lehilahy dia mangataka mihoatra avy hatrany.

Misy antony ny fisalasalan'ny vehivavy hiady varotra amin'ny rariny. Maneho izany ny fandinihan'ny Carnegie Mellon fa hiharan'ny fandavàna avy amin'ireo mpanadina, na lehilahy io na vehivavy ireo vehivavy miady varotra.

Mitantara momba ity tanoravavy iray vao nahazo mari-pahaizana teny amin'ny anjerimanontolo ny blaogy The Philosophy Smoker tamin'ny Martsa 2014, izay nomen'ny Oniversiten'i New York asa izay mety hitarika azy ho mpiasa raikitra tao amin'ny kolijy iray ao New York. Rehefa niady varotra hahazo karama ambonimbony kokoa sy enimbolana tsy iasana rehefa hiteraka ankoatra ny zavatra hafa izy dia nosintonina ny tolotra.

Noraisin'i Inside Higher Ed io tantara io, sy ny fanehoan-kevitr'i “MJL”, izay nanazava ny zavatra andrasana amin'ny kandidà mitady asa:

Female candidates are told never, ever to bring up maternity leave or imply in any way that child or elder care responsibilities will be an issue. Some are even advised to leave wedding rings at home and not admit to having a spouse or children, or ever wanting a spouse or children. We are also told to negotiate, and never warned that the offer could be withdrawn. Terror of unemployment has kept me from ever negotiating for more than increased moving compensation, though.

Ilazana ny kandidà vehivavy tsy hiresaka tsy fiasana noho ny fiterahana na hilaza resaka ankolaka andraikitra amina zaza na zokiolona fa mety hiteraka olana. Toroana hevitra ary ny sasany hanajanona ny peratra mariaziny any an-tranony ary tsy hanaiky fa manambady na manan-janaka, ka mody hilaza fa tsy maniry izany mihitsy. Nilazana ihany koa hiady varotra, saingy tsy nilazana mihitsy kosa ny mety hanafoanana ny tolotra. Na dia eo aza izany rehetra izany, ny tahotra tsy hanana asa no manakana ahy hatrany tsy hiady varotra mba hahazoana fitomboan-karama hatrany

Singa manampy trotraka ny hantsana ihany koa ny safidim-pomba fiainana. Voatazona ny fitovia-karama eo amin'ny lahy sy ny vavy hatreo amin'ny faha-telopolo taona. Rehefa manorin-tokantrano ka manan-janaka kosa avy eo ny olon-droa dia mampihena ny ora iasany ny vehivavy hany ka tsy ampy fidiram-bola mandritra ny androm-piainany sisa, araka ny asehon'ny sary avy amin'ny asehon'ny Pew Research Center, fikambanana Amerikana mpandini-draharaha iray. .

Maro kokoa ireo renim-pianakaviana no milaza fa tsy maintsy nanapaka ny asany mba hikarakarana ny fianakaviany

Mipetraka ary ny fanontaniana : “Noho ny safidin'asa diso ataon'ny vehivavy ve no mahatonga ny elanelan-karama eo amin'ny lehilahy sy ny vehivavy” mamaly izany ao amin'ny tranokalan'ny Quora Fanontaniana sy Valiny i Erica Friedman, mpanoratra sy mpitari-dresaka :

Women are subject to internal and external pressures and societal expectations that are different from men's. Little things like being expected to stop working to have a family and the very natural human tendency to prefer people similar to ourselves around us mean that a woman is unlikely to learn to negotiate her worth, be expected to leave at some point and generally not be one of the guys. This leads to “bad decision making” like needing a suboptimal job when her husband can't/won't/doesn't support the family, not having the internal and external power to change the terms of an agreement, or working too long and too hard for people who are disinclined to notice.

Iharan'ny teritery anatiny sy ivelany ny vehivavy, ary ireo adidy ara-piarahamonina izay tsy mitovy amin'ny an'ny lehilahy. Misy Ireo zava-madinidinika toy ny fijanonana amin'ny asa mba hananana (hisahanany ny) ankohonana, sy ny fironana maha-olombelona misafidy izay olona mitovitovy amintsika lasa midika fa tsy hianatra hiady hanasongadina ny maha-izy azy manokana ny vehivavy, ahiana hiala amin'ny asany amin'ny fotoana sasany nefa heverina fa tsy hanao izany ny lehilahy. Mitarika “fanapahan-kevitra ratsy” izany toy ny fitadiavana asa ambanimbany kokoa rehefa tsy mahavita/tsy te hamelona/tsy mahavelona ny fianakaviana ny asany, tsy manana hery anatiny sy ivelany hanova ny fifanarahan'asa, na miasa mafy sy ela nefa tsy tsikaritry ny olona loatra.

Resy lahatra i Dr Claudia Goldin, Profesora manana ny Mari-Pahaizana Toekarena Henry Lee  ao amin'ny Oniversiten'i Harvard sady talen'ny Birao Nasionalin'ny Fikarohana Ara-Toekarena ao amin'ny Fandaharan'asam-Pampandrosoana ny Toekarena Amerikana, fa hampihena ny elanelana ny fanovana ny kolontsain'ny toera-piasana:

The gender gap in pay would be considerably reduced and might vanish altogether if firms did not have an incentive to disproportionately reward individuals who labored long hours and worked particular hours

Hihena tanteraka ny tsy fitovian-karama eo amin'ny lahy sy ny vavy ary mety ho foana tanteraka aza rehefa miova ny fitondran'ny orinasa manome vahana ara-karama ireo miasa mandritra ny ora maharitra sy miasa amin'ny ora manokana.

Mety mahazo mihoatra noho ireo lehilahy mitovy sehatr'asa aminy i Chelsea Clinton, saingy mbola maro ny zavatra tokony hotanterahin'i Etazonia mba hampitovy ny mari-karama. Na dia tsy mbola miharihary mazava aza ny lalana hahatongavana amin'izany fitoviana izany, tsy maintsy tohizana ho laharam-pahamehana ny fanadihadiana ny olana sy ny fanovana tsikelikely.  Raha tsy izany dia araka ny lazain'i Neera Tanden filohan'ny fikambanana mpandinika iray hoe :

“Mizotra mankany amin'ny fahantrana ny fiarahamonina tsy manome lanja ny atsasaky ny mponiny.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.