Ethiopia: Mangataka Fanalava-Potoana Hanohizana Ny Famotorana Ireo Bilaogeran'ny Zone 9 Ny Polisy

Tamin'ny Alarobia lasa teo, niakatra teo anoloan'ny fitsarana ao Addis Abeba ireo bilaogera Ethiopiana Atnaf Berahane, Zelalem Kibret ary Natnael Feleke, (mpikambana ao amin'ny vondron'ny bilaogera Zone 9 avokoa izy rehetra), sy ireo mpanoratra gazety Asmamaw Hailegeorgis, Tesfalem Waldyes ary Edom Kassaye, izay fotoam-pitsarana voalohany hatramin'ny nanagadrana azy ireo tamin'ny 25 Aprily ity. Nandritra ny fakàna ambavany naharitra fotoana fohy, nangataka fotoana lavalava kokoa hanaovana famotorana ny polisy.
 
Scene outside Addis Ababa court. Photo published with permission.

Zelalem sy Tesfalem arahin'ireo polisy tao amin'ny fitsarana Addis Ababa. Nahazoana alalana ny sary.

Araka ny filazan'ny mpisolovava azy ireo, miatrika vesatry ny fanekena fanampiana avy amin'ny ONG vahiny sy “fandrisihana hanao herisetra amin'ny alalan'ny media sosialy” ireo voagadra ireo.

Nosamborina tamin'ny volana Aprily lasa teo ireo lehilahy sy vehivavy enina miaraka amin'i Befeqadu Hailu, Abel Wabela sy  Mahlet Fantahun — izay mpikambana ao amin'ny vondrona Zone 9 avokoa— ary nampidirina am-ponja nanomboka teo. Mpanoratra malaza amin'ny resaka politika sy sosialy ao Ethiopia avokoa izy rehetra ary nandray anjara mavitrika tamin'ny fikarakarana adihevitra politika sy fihetsiketseha-panoherana antserasera.
 

Tsy azo natrehin'ny besinimaro ny fotoa-pitsarana, na dia teo aza ireo ezaka marobe nataon'ireo diplaomaty sy ny hafa hanatrehana izany. Araka ny filazan'ireo namana avy ao amin'ny fikambanana Global Voices izay nanatrika ny zava-niseho, noraràna tsy hiresaka tamin'ireo gadra ireo olona tao ivelan'ny trano fitsarana. Nanofahofa tanàna tamin'ireo gadra ireo mpanohana niandry tao ivelan'ny fitsarana ary novalian'izy ireo tamin'ny tsiky izany. Tsy afaka nanofahofa tanana izy ireo satria mifatotra rojovy ny tanany.

Nampihetsi-po tanteraka ny zava-niseho: nitomany ireo namana sy fianakaviana, ary hita fa tena reraka i Natnael Feleke. Hita nitomany izy raha niditra sy nivoaka ny efi-pitsarana. Natahotra ny olona fa mety niharan'ny fampijaliana izy, saingy ankoatra an'i Natnael, hita fa natanjaka sy naneho herin-tsaina ny ambiny.

Nahemotra amin'ny 17 Mey ny fotoam-pitsarana.

 

Fantaro ny momba ity tantara ity :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.