Fitsarana Ny Raharaham-Pamonoana Mpanao Fihetsiketsehana Tao Torkia Notantaraina Twitter Mivantana

Nitatitra ny andro fihainoana faharoa nataon'ny Fitsarana tamin'ny raharaham-pamonoana an'i Ali İsmail Korkmaz tao amin'ny Zaridaina Gezi, notontosaina androany [12 Mey  2014] tao Anatolian Afovoany faritanin'i Kayseri ny mpiserasera maro nanerana ny firenena.

Nafindra – noho ny antony filaminana araka ny nolazaina – ny fitsarana ka tsy natao tao Eskişehir, toerana nisian'ny famonoana, araka ny tatitra nataon'ny gazety mivoaka isan'andro Hürriyet. Na dia nisy aza ny famindrana toerana, nifandamina ny mpikatroka maro avy amin'ny toerana samihafa nanofa fiara fitaterana sy nanatrika ny fotoa-pitsarana.

Korkmaz, 19 taona tamin'ny fotoana namonoana azy, dia nodarodarohan'ny polisy manao fanamiana sivily mitondra kibay raha nandray anjara tamin'ny fihetsiketsaha-panoherana tao Eskişehir tamin'ny 2 Jona 2013. Tao anatin'ny fihetsiketseha-panoherana manerana ny firenena izay namafa ny firenena tamin'ny volana Mety (tamin'ny herintaona) izany, rehefa nanambara ny fikasana handrava ny zaridaina Gezi tao amin'ny kianja Taksim ao Istambul ny governemanta.

Mety ho maty noho ny ratra nahazo azy i Korkomaz. Maro ny mpisolovava sy ny mpiserasera hafa no nanao tahaka ny mpanangom-baovao nandritra ny fitsarana mba ahafahan'ny besinimaro mahazo vaovao bebe kokoa momba ity raharaha mampalahelo ity.

Ao amin'ny Twitter, mpisolovava sy mpitati-baovao mailaka Efkan Bolaç nizara ity sary tao amin'ny fitsarana feno mpanatrika ity:

Efkan Bolaç shares this photograph of the court room full of attendees (Source: Twitter)

Efi-pitsarana ny raharahan'ny mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny zaridainan'i Gezi, Ali İsmail Korkmaz, feno olona (Source: @efkanbolac)

Manaraka ity raharaha ity ihany koa ny Amnesty International Turkey ary nametraka ity afisy ity:

Amnesty International shared this photograph to draw attention to Ali İsmail Korkmaz's Trial

Afisin'ny Amnesty International manaitra amin'ny fitsarana ny raharaha Ali İsmail Korkmaz. (Loharano: https://twitter.com/aforgutu/status/465763951242797056)

Ankoatra izany dia mbola nanohy ny fanentanana amin'ity diezy Twitter (#CezasızlığaSon) ity ny Amnesty International [Vita hatreo ny tsimatimanota]:

AI supports a Twitter campaign which translates to End to Impunity

Amnesty International manohana fanentanana amin'ny Twitter izay midika ny hamaranana hatreo ny tsimatimanota

Misy ny olo-tsotra toa an'i Abdurrahman Uyan, izay nanaraka ny raharaha hatramin'ny voalohany, nampiasa ny Twitter izarana vaovao isa-minitra avy ao amin'ny fitsarana:

Misy ny mpisolovava sy mpiserasera hafa nitantara ny fotoa-pitsarana toa an'i @cerenkali, @AvGurkanKorkmaz, @apouyan ary @cigdemmater.

Tranga mampalahelo ny raharaha namonoana an'i Korkmaz ary nanaitra ny fifantohan'ny olona maro dia maro. Nisy nidarodaroka hatramin'ny nahafatesany tao amin'ny lalana ambadika izy teo ampandosirana ny polisy. Sady ahitana polisy no ahitana tompon'ny tranombarotra tamin'ireo ahiahiana ho namono. Volana maromaro taty aoriana, hita ny lahatsary nahitana ny famonoana, raha notsipahina ny fisian'izany tamin'ny voalohany:

Ao amin'ny tranga hafa mahavaky fo, nanatrika miaraka amin'ny sarin'i Ali İsmail eny an-tanany nandritra ny fotoa-pitsarana ny ray aman-dreniny ary tsy niala mihitsy tany amin'ireo voampanga ho namono azy ny mason'izy ireo:

Mandritra ny fotoa-pitsarana androany, mahita maso ny vavolombelona fa polisy, olona hafa ahiahiana ary tompon'ny fandraharahana iray no mpanafika an'i Korkmaz.

Misy sary sy vaovao tselatra hafa azonao jerena amin'ny lahatsoratro manaraka ao amin'ny Erkan's Field Diary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.