Arahaba Tratry Ny Fetin'ny Reny, Amin'ny Fiteny Mixe!

Marobe manerana izao tontolo izao no hifamory miaraka amin'ny fianakaviany hankalaza ny andro Alahady iray natao ho Fetin'ny Reny, 11 May. Ao Meksika, i Silvana Ávila, artista, dia nihevitra fa mety ho fotoana tsara fanararaotra io hanomezana voninahitra ny reny rehetra amin'ny fitenin'ny tompontany avy ao amin'ny fanjakàn'i Oaxaca. Nosoratany tao amin'ny bilaoginy Tumblr, “marolafy sy fifangaroan-kolontsaina maro ny fireneko. Tsy ny fiteny Espaniola irery no fiteny eto.”

Namorona andianà karatra fiarahabàna izy, misy sary manaingo azy arahana fehezanteny nalainy tao amin'ny hira Ayuujk (Mixe) iray mitondra lohateny hoe Tääku'nk, nosoratan'i Palemón Vargas. Afaka jerena ao amin'ny bilaoginy ireo karatra ireo.

cardmixe

dikanteny: Na dia lavitra aza aho, tsy hanadino anao aho, ry Neny.

cardmixe2cardmixe3

Fandikàna nataon'i: Tajëëw Díaz Robles. Sary fanaingoana nahazoana alàlana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.