Adin'ny Raozy Any Rosia

Russia's War of the Roses. (A spoof of the 1989 film starring Michael Douglas and Kathleen Turner.) Images mixed by author.

Adin'ny Raozy any Rosia. (Hatsikana nalaina tamin'ny tantara an-tsary tamin'ny 1989, nolalaovin'i Michael Douglas sy i Kathleen Turner.) Sary natambatry ny mpanoratra.

Eo ivelan'ny Kremlin mihitsy, misy kianja ho an'ny daholobe antsoina hoe Zaridaina Alexander, izay ahitanao tsangambato maro fahatsiarovana ny nandresen'ny Firaisana Sovietika an'i Alemana mpanao jadona, hita ao koa ny rindrina vita taminà takela-bato natolotra manokana ho an'ireo “tanàna 12 maherifo” tamin'ny ady. Talohan'ny nandraisan'i Rosia an'i Krimea tany ampiandohan'ity taona ity, dia tanindrazan'ny ” tanàna maherifo” telo samihafa i Okraina. Ankehitriny, taorian'ny fanjavonan'i Sevastopol, tanàna roa tahak'izany sisa no any Okraina: Odessa sy Kiev. Taorian'ny afo namono olona tamin'ny herinandro lasa teo tany Odessa, sy ny fifandirana nandritra ny volana maro nisy teo amin'i Moscow sy Kiev, tsy mahagaga raha tafiditra ao anatin'ny zavatra tsy maintsy ataon'ny politika Rosianina ny fahatsiarovana ireo tanàna maherifo. Andro maromaro lasa izay, andian'olona roa no nandravarava ny Zaridaina Alexander, nisy hafatra maro tiany havoitra tamin'izany.

Ary, izany eo ihany, ity i Odessa!

Tamin'ny5 May 2014, olona maherin'ny 7 arivo no voalaza ho hita nifamory teo anoloan'i Kremlin mba haneho fanohanana an'i Odessa, Kramatorsk, sy Slaviansk, nisy iray minitra fahanginana ho an'ireo olona niharan-doza tamin'izay noheverina ho tsy fahombiazan'ny governemanta Okrainiana. Nanatrika io fihetsiketsehana io ny solombavam-bahoaka ao amin'ny Duma, avy amin'ny “Rosia Miray”, antoko politika eo amin'ny fitondrana ankehitriny, nisaotra ireo tonga mba hanaingo ny finiavan'i Rosia hikatsaka ny fahatsaran'ny fiainan'ny Okraniana. Tonga nitondra voninkazo ny olona, nanarona ny rarivaton'ny Odessa tamin'ny raozy sy labozia maro.

Ilay natokana ho an'i Kiev ihany, no hany rarivato ho an'ny tanàna malaza tsy misy voninkazo, eo ivelan'i Kremlin ao amin'ny Zaridaina Alexander.

Toa tsy nisy na iray ary, nitondra voninkazo ho an'i Kiev. Ny andron'ilay fihetsiketsehana ho an'i Odessa, nandefa sarin'ilay rarivato natokana ho an'i Kiev tao amin'ny Zaridaina Alexander, tsy nisy voninkazo na dia iray aza, ilay mpaka sary Evgeny Feldman. Io no hany tanàna maherifo tsy nisy voninkazo tao amin'ilay kianja. Toa tsapa tsy fa tsy natao ho toy ny tanàna malaza intsony i Kiev, izay nipoiran'ny revolisiona nandrodana ny fitondrana mpiara-dia amin'i Moscow vao tsy ela akory izay. Tamin'ny niampangan'i Kremlin an'i Kiev ho nànana “tsy fandraisana andraikitra bevava” tamin'ny namelàny ireo olona maro ho may sy matin'ny afo tao Odessa, fanamelohana mahery ny tsy fanomezana raozy ho an'io tanàna io.

Vehivavy avy ao Moscow nametraka voninkazo teo amin'ny tsangambaton'ireo tanàna maherifon'ny Ady Lehibe Faharoa , ao Kiev. 7 May 2014. Facebook

Tsy ny mponina rehetra any Moscow no te-handefa io hafatra io.  Tanatin'ny roa andro taorian'io, voasarona voninkazo ihany koa ny rarivato natokana ho an'ny tanàna maherifo – Kiev. Olona am-polony no tonga niaraka tamin'ny raozy teny amin'ilay tsangambato natokana ho an'ilay tanàna voahilikilika, namaly ny fihetsiketsehana teo aloha tain'ny fombany manokana. Naka sary ny tenany ireo mpitondra voninkazo ary nibitsika ireny sary ireny avy eo, nampahatsiahy ireo mpampiasa ny aterineto fa mbola maro ireo Rosiana tsy vonona ny hanova ny tantara amin'ny fahafinaretany fotsiny hampikambana izany amin'ny governemanta vaovaon'i Okraina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.