Notanan'i Shina Ilay Mpisolovava Rehefa Avy Nanatrika Fivoriana Tao Tiananmen

Nogadrain'i Shina ilay mpisolovava malaza Pu Zhiqiang noho izy voampanga ho “nampisy korontana,” hita fa fikasana hanakana ireo mpikatroka tsy hankalaza ny fitsingeran'ny faha-25 taonan'ny famoretana ny fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia tao amin'ny Kianjan'ny Tiananmen izany.

Araka ny filazan'ny gazety South China Morning Post, nogadrain'ny polisin'ny Beijing tahaka ny mpamono olona i Pu Zhigiang rehefa avy nanatrika ny fivoriana ho fahatsiarovana ny famoretana ny hetsika hoan'ny demaokrasia 1989 sy “handinihana ny halaliny sy ny vokatr'izany ary hitaky ny amin'ny hanaovana fanadihadiana mikasika ny marina tamin'ny 4 Jiona.”

Farafahakeliny olona 15 – mpampianatra ambony, mpikatroka sy havan'ireo lasibatra namoy ny ainy nandritra ny famoretana tao amin'ny kiajan'i Tiananmen – no nanatrika ny fivoriana natao tamina tranon'olo-tsotra tao Beijing tamin'ny 3 Mey 2014. Olona dimy hafa farafahakeliny no nalaina natao famotorana taorian'ny fivoriana.

Photos of Xu protesting (photo from twitter)

Sarin'i Pu nandritra ny fihetsiketsehana 1989 tao Tiananmen. Sary nivezivezy tao amin'ny Twitter.

Olo-malaza tamin'ny hetsika Weiquan i Pu, nanao fisoloam-bava ireo mpanoratra sy mpanoratra an-gazety tamin'ireo raharaha goavana, anisan'izany ny raharaha momba ilay mpanakanto Ai Weiwei. Niseho tamin'ny gazetiboky izy tamin'ny fitarihany ny hetsika manohitra ny tobim-[panandevozana] mpiasa. 

Noho ny tsikerany mivantambatana ataony mikasika ny politika ofisialy, narahin'ny polisy maso i Pu Zhigiang, ka notànana sy natao famotorana imbetsaka. Noraràna tsy hiditra tamin'ireo sehatra bilaogy madinika ao Shina izy tamin'ny 2013 rehefa nampiasa izany ho fitsikerana ampahibemaso ny mpitarika efa misotrorononon'ny Antoko Komonista Zhou Yongkang.

Nandray anjara tamin'ny hetsika hoan'ny demaokrasia tamin'ny 1989 ihany koa i Pu tamin'izy mbola mpianatra.

Mbola voasivana ao Shina izay vaovao rehetra mikasika ny hetsika Tiananmen. Ny fikarohana ny voambolana “Tiananmen” ao amin'ny bilaogy madinika malaza Sina Weibo dia mampiseho hafatra milaza fa tsy hita ny fikarohana atao araka ny lalàna mifandraika amin'izany sy ny fitsipika manankery.

Mpisolovava marobe no naneho ny ahiahiany manoloana ny tranga mahazo an'i  Pu Zhigiang ary nitaky ny famotsorana azy tao amin'ny habaka Weibo. Na dia izany aza, marobe ireo hafatra manohana an'i Pu no voafafa.

Voafafa haingana ny hafatra nalefan'ilay mpisolovava ao Bejing Deng Shulin:

邓树林律师: 必须释放浦志强!抓律师是今后司法改革的方向吗?

Tokony havotsotra i Pu Shiqiang. Ny fisamborana ireo mpisolovava ve no torolalana vaovao amin'ny fanadiovana ny tontolon'ny fitsarana?

Mpilalao horonantsari-mihetsika malaza Shinoa Zhang Ziyi nangataka tamin'ireo mpanjohy azy ao amin'ny Weibo mba hijery horonantsary mikasika ny fomba fanandratan'ireo mpisolovava ny rariny:

《辩护人》一个追求民主、法制、公正为真理而斗争的律师让人肃然起敬。故事改编于韩国前总统卢武铉的真实事迹。在这儿无需再说电影拍得如何了,去看看人家拍的内容吧!

“Ilay mpanoro-hevitra”, tantaran'ilay mpisolovava manana ny hajany izay mitolona ho amin'ny demaokrasia, ny fanajana ny lalàna sy ny rariny. Nalaina avy amin'ny tantara marina mikasika ny filoha Koreana teo aloha Roh Moo-Hyun ny horonantsary. Tsy ilaina ny mamerina azy eto mikasika ny hatsaran'ny horonantsary, fa andeha jereo ny votoatiny!

Maya Wang, avy ao amin'ny Mpanara-maso ny Zon'Olombelona naneho hevitra tao amin'ny Twitter :

Dokambarotra tsara indrindra amin'ny tsingerintaona faha-25 ny fanagadrana an'i Pu sy ny hafa ary mahasarika indrindra ny saina amin'izay tsy tian'ny manampahefana hiseho.

Mpanao gazety Sui-Lee Wee nilaza lahatsoratra iray nosoratan'i Pu tao amin'ny Twitter:

Fotoana mety hamakiana ny boky nosoratan'i Pu momba ny 4 Jiona. « Raha manadino ny tsirairay, moa tsy hanokatra varavarana hoan'ny vono olona hoavy ve isika?»

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.