Jamaika: Andao Hiaraka Ary Hahatsapa Ho…Mahantra?

Vao haingana, ny Ivontoerana “Cato”no namoaka lisitra ny filaharan'ny firenena miankina amin'ny “tahan'ny fahantrany”. Ny mari-pandrefesana ny fahantrana dia miankina amin'ny toekarena, voafaritra amin'ny “fitambaran'ny fiakaran'ny vidim-piainana sy ny tahan'ny olona tsy an'asa.” Amin'ny filaharana amin'ity taona 2014 ity, Venezoela no eo amin'ny laharana voalohany. Jamaika kosa eo amin'ny laharana faha 5, noho ny “zanabola” izany. Nahatonga resaka tamin'ny media sosialy io filaharana io: tsy gaga tamin'izany ny maro mpisera amin'ny aterineto – raha ny sasany kosa – na dia manaiky aza fa manana olana maro i Jamaika – dia mampiseho ho tsy resy lahatra ihany.

Niezaka nametraka io filaharana io tao anatn'ny vanim-potana iainana ny vohikala diGJamaica.com, nitanisa hatramin'ny antony mampahantra an'i Jamaika aza: 

Andeha hejerentsika akaiky izany ary hijery ny fitambaran-javatra misy isika. Tany amin'ny laharana faha 75 isika tamin'ny lisitry ny fahasambarana tamin'ny herintaona, nilatsaka 40 be izao oharina ny tamin'ny taona 2012. Raha ny valin'ny tamin'ny taona 2013, mihena ny hasambaran'ny Jamaika raha oharina amin'ny fanadihadiana tanyaloha natao ny taona 2005-2007 (faha 40).

Voafehin'ny Jamaikana tsara ny haikanton'ny fampiasana ny ‘kin teet’ ho ao amin'ny  ‘kibba heart bun’ (fanafenana ny fijaliana amin'ny alàlan'ny tsiky sy hehy) noho izany, mahay mandainga amin'ny hafa tsara isika amin'ny fieritreretana fa ny zava-drehetra dia ‘tsy olana.’ Kanefa, tsy miafina amin'izao tontolo izao fa miatrika olana maro mampiahiahy isika, eny fa na dia eo aza ny ‘tsy misy olana’ ataontsika tsangan-kevitra. 

Nanamafy ny heviny tao amin'ny Jamaica Journal i Kate Chappell fa sarotsarotra kokoa noho io fomba nampiasaina io ny fandrefesana ny “fahantrana”: 

Hita fa, tsy mahagaga raha jerena ny firehan-kevitry ny fikambanana “Cato”, izay anomezana lanja kokoa ny lafiny toekarena amin'ny fanadihadiany. Marina fa tena mifanaraka amin'ny zava-misy ireo. Tsy hisalasalana fa miatrika olana arabola maro i Jamaika, izay mihanaka be amin'ny lafiny rehetra amin'ny fiainan'ny tsirairay ary miantraika amin'ny kalitaon'ny fiainany. Na dia izany aza, misy ireo lafiny tsy azo tsapain-tanana no tsy nojeren'ireo mpikaroka ary tsy nampiasainy tamin'ny fanadihadiany, toy ny hoe: firy ny fianakaviana sy ny kasinga amin'ny vondrom-piarahamonina monia eto, hatramin'ny fahaizan'ny Jamaikanina miaina ampifaliana, na inona na inona mitranga. Maro ireo lafiny tsy azo tsapain-tanana anisan'ny kolontsaina aty izay mitondra ny anjarany amin'ny fahatsaran'ny fiainana.

Nampiany hoe: 

Tena mibaribary be fa olana sarotra io, satria maro ireo singa ao toy ny hoe misy ireo firehan-kevitra izay ampiasaina amin'ny fanamaritana zava-dehibe toy ny “mari-pandrefesana ny fahantrana”. Eto izao, amiko, dia karazana fanatsorana be fahatany indray io ary fanaovana tsinontsinona ireo tantara an-tapitrisany izay tokony hotantaraina sy hazavaina.

Tsy mba gaga tamin'ilay filaharana i Warren: 

Toy ny hoe manangana tarehimarika amin'ny toerana tena diso isika. Androany izao, nitatitra ny “Jamaica Gleaner” fa any amin'ny laharana faha 5 i Jamaika amin'ny firenena mahantra indrindra eran-tany ka iza indray no mbola ho gaga amin'izany. Miresàha fotsiny amin'ireo vahoaka manodidina anao amin'ny fiainany andavan'andro, ny fahadisoam-panantenany, ireo tantaram-bintana ratsiny, ary ny fahatsapàna fa toa tsy misy zavatra mihatsara amin'ity firenena ity. Ny mahaliana amin'ity tatitra ity izao dia izy nivoaka andro iray taorian'ny nanaovana fitsapan-kevitra nilaza fa nihatsara ny amin'ny lafiny fandraharahana sy ny fitokisan'ny mpanjifa.

Noresahana tao amin'ny vondrona Facebook Real Change For Jamaica (Fiovàna Tena Izy Ho an'i Jamaika) io olana io. Nahatsapa i Gyntag Gsg, izay nanomboka azy, fa ambany loatra io filaharana io raha ny tena marina:

LAHARANA FAHA 5 FOTSINY VE???? [mendrika] ho #1  isika.. sady amin'izay ange tsy ny zana-bola fotsiny io e!!

Nieritreritra i Pete Edwards fa tokony hijanona tsy hitaraina ny olona:  

 Ny sasany aminareo tokony mandeha mitady asa, miala eo amin'ny aterineto eo ary mitsahatra tsy manameloka ireo mpanao politika ireo…efa manao izay ho afany mihintsy izy rehetra ho antsika rehetra…ny sasany aminareo mitady bebe kokoa miainga amin'ny zavatra tsy misy. Efa sahirana mihintsy aza ny Governemanta mampandoa hetra anareo, [ianareo indray] no te-hanao fiainana be miainga amin'ny tsy misy akory. Tsy mahangona hetra sahaza afaka andoavana ny fandaniana ho an'ny firenena akory ny Governemanta, ary raha [mindrana] izy ireo, nefa ianareo mitaraina raha tsy manao izany indray ry zare, mitomany indray ianareo fa hoe matin'ny hanoanana, maro loatra aminareo no mitady ny mpanao politika [mba] ho maàla-tànana.

Earl Smith nanome lanja ny mety ho nataon'ireo mpitondra taloha tao Jamaika: 

Manontany tena fotsiny hoe ny amin'izay nataon'ireo mahery fontsika ireo amin'izao fotoana izao raha izy ireo no teo. Mahita ny firenena amin'izao toerany izao. I Bustamante sy Norman Manley [nandresy lahatra] ny vahoaka hifidy ny vondrona tsy miankina, mba hihatsara isika. Nandany ny vola “pound” i Jamaika tamin'ny taona 1962, ary izao lasa tsy misy vidiny intsony ny volantsika. Miresaka ny zava-bita izay nampitotongana ny firenena ny praiminisitra, zava-bita ve izany, sa kosa tokony antsoina hoe [fanalam-baràka].

I Stafford Jenkins mahita hoe tsy mitombina mihintsy izany fomba fihevitra izany:

Raha laharana faha#5 i Jamaika noho ny tahan'ny zanabola, tokony ho laharana #1 izany i Etazonia…

I Thelma Fairweather-Siegel nihevitra fa ireo mpiaraka amin'ireo mpanao politika ireo no tompon'antoka:

Mendrika an'izao isika, satria tsy olom-pirenen'i Jamaika isika, fa ny PNP sy ny JLP, ireo mpanao politika ireo kosa tsy tokony hanoratra [tantara] vaovao, fa nandray ny efa tao anaty tahiry fotsiny izy ireo.

Nisy fanehoan-kevitra vitsivitsy koa tao amin'ny Twitter:

tsy misy dikany ireny fanadihadiana ireny RT @ShopinJA: Mitondra ny laharana faha 5 i Jamaika amin'ny firenena mahantra indrindra eran-tany http://t.co/3i2F0C6VNH

@ThePhillipMyers satria ataony mifandraika amin'ny harena ny fahantrana, ary fantany hoe iza isika, nefa izy ireo mbola tsy nahita mihintsy ny toerana onenantsika.

Mahatsapa io mpampiasa Twitter io fa nentina nandaminan-javatra fotsiny ny antony nanaovana io fandaharana io:

Mamaky ilay gazety aho izao. Any amin'ny laharana faha dimy i Jamaika amin'ny firenena mahantra indrindra voalohany indrindra i Portia, fa nolazaina fa tahan'ny zana-bola.

Tsy nahita loatra fahantrana mivangongo izany ny mpitsidika iray nandritra ny fitsidihany tany :

Vao avy nahita hoe firenena faha dimy mahantra indrindra i Jamaika. Tena marina ve? Tsy mba nahatsapa izany aho tamin'ny nandeha tany.

Tamin'ny farany, iray mpampiasa ny Twitter no namehy ny resaka, niteny hoe:

Tamin'ny taona lasa, tao anatin'ny firenena 5 falifaly indrindra i Jamaika, izao indray, faha dimy amin'ny firenena mahantra indrindra isika kanefa tsy nanao rotaka? Lesona: ny fitaovana ampiasaina no tsarain'ireo antontanisa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.