Mihazakazaka Mankany Pyongyang Ny Aterineto Rosiana

What it might look like when global social network and search giants have to haul their servers into Russia. Based on Ilya Repin's seminal "Volga Boatmen." Images remixed by Andrey Tselikov.

Mety ho afaka hamindra ara-hita maso ny lohamiliny ho ao Rosia ny goavamben'ny tambajotra sosialy sy ny mili-pikarohana manerantany. Nifototra tamin'ny “Volga Boatmen” noforonin'i Ilya Repin. Sary natambatambatr'i Andrey Tselikov.

Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, ny Runet Echo dia nitatitra [lahatsoratra Global Voices] ny fikasan'ilay lefitry ny ben'ny tanànan'i Moskoa hitaky amin'ireo tambajotra sosialy lehibe mba hitahiry ny tahirin-kevitry ny mpiserasera Rosiana ao amin'ny zaratany Rosiana. Toa hita fa nohenoina izany fitakiana izany, na farafaharatsiny, nihevitra tahaka izany ihany koa ireo mpanao lalàna Rosiana. Tamin'ireo andianà fanitsiana volavolan-dalàna izay nolanian'ny antenimieram-pirenena Rosiana vao haingana manko, dia manomboka amin'ny 1 Aogositra 2014 ho avy izao, takiana amin'ireo mpamatsy votoaty antserasera rehetra ny hitehirizana ny ango-tseraseran'ny mpiserasera ao Rosia nandritra ny enimbolana.

Nampidirina ho anisan'ny lalàna “miady amin'ny mpampihorohoro” ireo fitsipika [ru] ireo izay mampihatra fanarahamaso henjana ataon'ny governemanta amin'ny Aterineto Rosiana – milaza [tatitra Global Voices] ny lalàna fa tafiditra ao anatin'izany ireo bilaogera manana mpitsidika mahatratra 3000 voarakitra izay heverina ho toy ny fampahalalam-baovao be mpamaky rehetra. Tsotra ny anton'ilay fitsipika fitehirizana mandritra ny enimbolana: mba hanerena ireo orinasa Aterineto vahiny hankatò izay fampafantarana tadiavin'ny governemanta Rosiana. Ao anatin'ny fitsipika vaovao, dia hanaja ny fampiharana ny lalàna ny haba-tranonkala rehetra amin'ny fanomezana ny mombamomba sy izay ataon'ireo mpiserasera ao aminy. Na dia ho voatahiry ao Rosia aza ny ango-tserasera, dia tahaka ny vonona ny tsy hanaiky ny hanome ny mombamomba ny mpiseraserany sy ny votoaty ampidiriny, na dia izany aza, ny tambajotra goavana tahaka an'ny Facebook sy Twitter.

Ny tsy fanajana ny fitsipika dia mitarika amin'ny fandoavana onitra amin'ny fanjakana izay mitentina 50 000 hatramin'ny 300 000 robla hoan'ny fandikàn-dalàna voalohany ataon'ireo fikambanana sy orinasa. Na dia hita fa somary vola kely aza izany (eo amin'ny 8500 dolara Amerikana) hoan'ireo orinasa tahaka ny Google, azo saziana amin'ny fanakatonana sy fanasivanana habaka ny tsy fanarahan-dalàna fanindroany.

Nankatoavin'ny filoha Putin ny lalàna – tamin'ny 24 Aprily , niresaka [ ru ] tamina valandresaka misokatra hoan'ny daholobe mikasika ny media izy, izay nilazany mivantana fa tokony hafindra ao Rosia ireo tahirin-tserasera miaty ny zavatra momba ny Rosiana. Noho ny ahiahy ara-piarovana no mety anisan'ny antony mahatonga izany toe-javatra izany. Nandritra ny valandresaka ihany, nanamarika tsara izy fa ny CIA no mamolavola ny tranonkala ary mbola arahin'ny sampan-draharaha maso izany (ny tiany lazaina angamba dia ny nidiran'ny DARPA tamin'ny fananganana ny aterineto ).

Amin'ity lalàna vaovao ity, mafy mihitsy ny hahazo ny RuNet, raha ny filazan'ireo bilaogera sasany. Ho sarotra mety tsy ho tontosa mihitsy ny fanarahana izay notinaky amin'ny lalàna raha jerena ny tontolon'ny Aterineto amin'ny ankapobeny, hoy i Egor Kotkin nanoratra. Izany no mahatonga azy hanahy mafy fa mety ho dingana fiomankomanana hanasarahana tanteraka ny Runet amin'izao tontolo izao ihany ny fanatanterahana izany – karazana fefin-tariby vaovao. Mieritreritra ny tahaka izany ihany koa ilay mpitarika tò-tenin'ny aterineto Rosiana, Anton Nosik. Niresadresaka amin'ny fahasarotan'ny lalàna vaovao izy nandritra ny antsafa tao amin'ny fahitalavitra Rain, niresaka momba ny fahasarotan'ireo lalàna vaovao izy:

В России устанавливается северо-корейская модель. Это не китайская, эта другая модель. Мы сейчас едем на полном ходу в Пхеньян, мы в Пекин не заезжаем по дороге.

Mampiditra ny maodely Koreana Tavaratra i Rosia. Tsy maodely Shinoa an, fa maodely hafa. Hatramin'izao isika mizotra haingana dia haingana mankany Pyongyang, ary tsy misy fijanonana mankany Beijing eny an-dalana. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.