GV Face: “Aziatika” Loatra Teo Ampivoahana? Ny Kolontsaina Sy Ny Faharendrehan'ny Ferry No Voatsiny

Araho ity lahatsary hangout mivantana amin'ny 2:30 hariva UTC [tamin'ny zoma] ao amin'ny Google Plus ity

Miraikitra tanteraka ny fitsarana an-tendrony momba ny Koreana Tatsimo any amin'ny ankamaroan'ireo vaovao milaza ilay sambo ferry nilentika nitarika fahafatesan'olona maherin'ny 200, izay tanora handeha hanao fitsangatsanganana fandratoam-pianarana ny ankamaroan'ny mpandeha tamin'izany. “Mora mankatò loatra” ve izy ireo raha hiala an-tsambo? Amin'ny #GVFace androany [zoma], hiresaka amin'i Yoo Eun Lee, mpanitsy lahatsoratra Koreana ato amin'ny Global Voices isika mikasika ny fihetseham-pon'i Koreana manoloana ny fampahalalam-baovao iraisampirenena, ny halalin'ny voina ho an'ireo ao an-tanindrazana, ary izay tokony tsiniana.

Vakio ihany koa: Ampangain'i Koreana Tatsimo ho miala bala momba ny Ferry ny governemanta

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.