Fipoahana Tao Amin'ny Garan-Dalamby, Nahafaty Olona 3 Sy Naharatrana Ampolony Tao Shina

Explosion at Urumqi train station killed three. Screen capture from NTD China News.

Fipoahana tao amin'ny garan-dalambin'i Urumqi nahafaty olona telo. Pikantsary vaovaon'ny NTD China.

Nahafaty olona telo sy naharatrana olona hatramin'ny 79 ny fipoahana tao amin'ny garan'i Urumqi, faritra andrefan'i Shina indrindra ao Xinjiang, mampisongadina ny fanamby miandry amin'ny fiarovana sy ny fifanenjanana ara-poko miotrika ao amin'ny faritany mitovy velaran-tany amin'i Iran.

Mameno ny gara moa ny mpandeha amin'izao fotoana fanombohan'ny fety manerana ny firenena maharitra telo andro manomboka ny voalohany volana mey izao.

Nosokajian'ny Sampana fampahalalam-baovaom-panjakana Xinhua ho nataon'ny mpampihorohoro izao fipoahana izao ary nilaza izy fa nisy ny andian'olona nanindrona antsy ny sivily sy ny fandrenesana fipoahana maromaro.

Nitranga ao anatin'ny fitsidihan'ny filoha Shinoa Xi Jinping ao amin'ny faritra, nampanantenany hanaovana “hetsika mahery vaika” hanoherany ny “mpampihorohoro” izao fipoahana izao, mampivoitra ny ezaka ataon'ny mpitantana hisoroka ny fanafihana mitsitapitapy hiitatra ho hetsika itambarambe ho fampisintahana an'i Xinjiang, izay itoeran'ny vitsy an'isa Uighurs, izay manana fiteny hafa.

Efa nahitana adim-poko tao Urumqi, renivohitr'i Xinjiang, tamin'ny 2009 izay nahafatesan'olona hatramin'ny 200. Nirohotra tany amin'ny faritra ny foko maro an'isa Han ary efa manakaiky ny atsasaky ny mponina amin'izao fotoana izao. Nilaza i Beijing fa nampanakarena an'i Xinjiang izany ary ataony mitovy tantana ny foko rehetra, saingy omen'ny vondrona mpandala ny zon'olombelona Uighur tsiny ny manampahefana ho manampim-bava ny fahalalaham-pivavahana sy nampihatra ny fanavakavahana.

Ho setrin'ny fipoahana tao amin'ny garan-dalamby, nilaza ny Filoha Xi, “Tsy maintsy miaiky isika fa lavitr'ezaka, sarotra ary lalina ny ady amin'ny fampihorohoroana. Tsy azo atao ny miraviravy tanana rehefa miady amin'ny fampihorohoroana ary tsy maintsy maka fepetra henjana hanafoanana ny fanafihan'ny mpampihorohoro”.

Niato ora roa ny fanaovan-draharahan-dalamby tao Urumqi vao nosokafana indray.

Niasa haingana ny mpiasan'ny sivana hanaisotra ny sarin'ny fipoahana tao amin'ny Sina Weibo, mpanao raharaham-pamahanam-bilaogy madinika malaza indrindra tao Shina, fa ny hany navela dia ny sarin'ny polisy mijoro ho mpiambina teo amin'ny sehatra nitrangan'ny voina.

Ireto ambany ireto ny resaka politika vitsy tsy manohina loatra ka tafajanona ao amin'ny Sina Weibo. Luda Cici nanoratra:

对少数民族国家其实做的还不错,我也觉得少数民族没什么,恐怖分子之所以活跃在少数民族聚集地就是为了让我们觉得有少数民族的地方就是恐怖主义然后要求少数民族分离出去。

Tsara fikarakarana ny foko vitsy an'isa ihany i Shina, ary mieritreritra aho fa tsy an'ny foko vitsy an'isa ny fahadisoana, ny antony mampavitrika ny mpampihorohoro any amin'ny toerana sasany izay onenan'ny foko vitsy an'isa dia ny itiavany ahatsapantsika fa izay toerana ahitana foko vitsy an'isa dia misy fampihorohoroana, ary rehefa manao izany ry zareo dia manantena fa hampisarabazana ny foko isan-karazany ao amin'ny faritra.

Nandrisika i Xiaoshidai Dafangke, izay niaina tao Xinjiang :

我在新疆,而且现在在基层,普通维族群众都是朴素善良的,只是那些受宗教极端思想和民族分裂主义势力影响的一小撮人干的,希望每个人正确看待问题,不要把对一小撮的愤怒放大到整个民族身上

Eto Xinjiang aho ary monina ao anaty fiarahamonina kelikely, mahafinaritra sy tsara fo tokoa ireo olona Uighur, [ny fanafihana] dia nataon'ny mpivavaka mahery fihetsika sy ireo resy lahatry ny fisintahana. Manantena aho fa hahita ny olana amin'ny maso mahitsy ny rehetra ka tsy hanakiana ny foko iray manontolo.

Naneho hevitra momba ny politikan'ny foko ao amin'ny Twitter i Jan Henryk Dabrowski:

Tahaka ny politika ara-poko diso tany amin'ny Firaisana Sovietika, izay niteraka ny krizin'i Okraina, dia hiteraka voka-dratsy ihany koa ny politika ara-politika tsy mety ampiharin'ny Antoko Komonista Shinoa. Indray andro any dia hisy ny ady eo amin'ny Han sy ny Uighurs.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.