Kolombià: Miverina Ho Ben'ny Tanànan'i Bogotá i Gustavo Petro

Petro se queda

Sary an'i Arttesano tao amin'ny Flickr. CC BY-SA 2.0.

Mitohy ny ady araka ny lalàna any amin'ny fitsaràna Kolombiana mikasika ny raharahan'i Gustavo Petro, nesorin'ny Filoha Juan Manuel Santos teo amin'ny toerany tamin'ny 29 Martsa 2014. Taorian'ny tsy nanajàn'ny Filoha Santos ny fepetra navoakan'ny Kaomisiona iraisan'i Amerika momba ny Zon'Olombelona (IACHR), avy eo naveriny i Petro, nifanaraka tamin'ny didin'ny Fitsaràna Ambony ao Bogotá, nanaraka ny fangatahana fampiatoana didy napetraky ny olom-pirenena iray.

Lasa toerana voatokana hamoahana izay fanavaozam-baovao mikasika izay zava-miseho amin'io dingana io ny Twitter. Tany amboalohany, ny fihetsika voalohany nataon'i Gustavo Petro no notaterina, nefa koa ny vaovaon'ny naneken'ny Filoha Kôlombiana ilay fanapahan-kevitra:

Niaro ny zo ara-politika ny Fitsarana Ambony tao Bogotà tamin'ity indray mitoraka ity, izay zon'olombelona amin'ny maha-olompirenena ao Bogotà—an'i Bogotá sy ahy.

Nosoniaviko ny didim-pitondràna mamerina amin'ny toerany an'i Petro, Ben'ny tanàna. Ny andraikitro amin'ny maha-Filoha ahy, dia, ary ho izay hatrany, ny manaraka ny lalàna.

Ao amin'ny Twitter, mitohy hatrany ireo hafatra fanohanana ho an'i Petro :

Fahombiazana ho an'ny fitantanan'i @petrogustavo. Azo antoka fa hahomby izy. Ravo ny demaokrasia.

Misaotra anao, ry Ben'ny Tanàna, amin'ny maha-mpitarika malaza sy mitsinjo ny sahirana anao. Andriamanitra anie hitahy anao.

Misy ihany koa ireo izay maneho ny fideràny sy mametraka azy ho toy ny Filohan'i Kolombià:

Avy any amin'ny Lemak'i Tulua aho ary miangavy anao tsy handiso fanantenana ahy, ianao no tokony ho filohanay! Ry Filohako.

Mahita ihany koa isika hafatra fampisaintsainana sy fandalinana, toy ireo avy amin'i Gustavo Bolivar, mpanoratra sady mpandrindra an-tsehatra, ho an'ireo mpanjohy azy:

Ny hafatr'ireo mafia eo amin'ny fahefàna miaraka amin'ity fanaovana antsojay mivandravandra be an'i Gustavo Petro ity dia: mangalàra ary avelao hangalatra fa raha tsy izany dia hataonay tsy vanombanona ny fiainanao.

Etsy ankilany, niteny mafy ihany koa ireo olona sasany tsy manohana an'i Gustavo Petro :

Raha tsy tia an'i Petro aho tany aloha, amin'izao fotoana aho mankahala azy, sy ny antokony, ary ireo rehetra manatevn-daharana manodidina ny sainàny, sy ireo Kiobàna namany.

Fanesoesoana ny dingana efa voapetraka ny famerenana an'i Petro. Raha tsy mety io, ekeo dia soava tsarà.

Kanefa, misy fahalainana tsinjo misoko eny amin'ny vahoaka, araka izay azontsika tarafina amin'ny fanehoan-kevitr'ireto roa ireto, izay mametra-panontaniana momba ireo dingana:

Leo an'ity tantara “Petro” ity aho. Lasa resaka ady seza sy fahefàna ilay izy, izay tsy manao ho laharam-pahamehana ny fiadànana sy ny fitonian'ny olom-pirenena.

Mandreraka ahy ny filalaovan-dry zareo an'i Bogotà, ny vahoakany ary ny demaokrasia-ny. Fa miverina sa miala i Petro e? Mba mendrika hajaina ihany izahay an.

Ny sasany ao amin'ny Twitter nisafidy ny hiatrika ireo zava-misy ireo amin-kanihany sy vanitika :

Petro ho ben'ny tanàna indray, tsiaaaaaaa vazivazy ratsin'ny fitsarana… hahaha… fampisehoana re izany!…

Atolotry ny Fetiben'ny Seho an-tSehatra eto Bogotà ho anao: Petro ho ben'ny tanàna indray.

Ao amin'ny bilaoginy “Nueva Era” [es] antsoin'i Santiago Villareal Cuellar ho tantara foronina ireny zava-mitranga ireny :

Como si se tratara de una novela de aquellas en que la novia deja al novio y viceversa, se ha convertido la alcaldía de Bogotá.

Tahaka ireny tantara an-tsoratra ireny, ahitàna ny hoe lasa nisintaka nandao an-dralehilahy i ravehivavy nampakariny, dia mifanolosolo eo, izany ny toeran'ny ben'ny tanàna ao Bogotà.

Fintininy tsy mihambahamba:

Así las cosas, de este proceso que más parece ficción que realidad, nuevamente Petro regresará a la alcaldía de Bogotá y ahora tendrá que afrontar de nuevo otro desafío, el de la revocatoria de su mandato por parte del electorado bogotano. En cualquier momento, otro capítulo de esta que parece una novela de ficción. 

Araka izany, ity dingana ity izay tahaka ny noforonina fa tsy tena izy, hiverina indray amin'ny toeran'ny ben'ny tanànan'i Bogotà i Petro, ary dia hiatrika fanamby iray hafa,  ny fanafoanana ny fanendrena azy hataon'ny mpifidy ao Bogotà. Amin'ny fotoana rehetra, pejy iray vaovao amin'ity, izay toy ny tantara an-tsoratra.

Manaitra antsika i Ramiro Bejarano Guzmán mikasika ny loza ateraky ny didy fanakànana noho ilay Lehiben'ny Fampanoavana Alejandro Ordóñez rehefa izy miteny tao amin'ny El Espectador [es]:

Lo único que nos falta es que, por cuenta del enredo que se ha creado con el empeño del procurador Ordóñez de tumbar a Petro, salga damnificada la acción de tutela, la única conquista y garantía democrática que vela por los derechos de los ciudadanos de a pie.

Ny zavatra hany tsy ampy dia, noho ny korontana nateraky ny ezaka nataon'ny Lehiben'ny Fampanoavana, Ordóñez, mba hanilihana an'i Petro, ilay fitoriana fanafoanana didy no voa mafy, ilay hany fitakiana sy antoka demaokratika miantoka ny zon'ireo olom-pirenena tsotra.

Ary amafisiny ao anatin'ny fandalinany :

No se nos puede olvidar que el causante de todo este gran galimatías, de un alcalde que un día lo destituyen y otro lo restablecen, no es la acción de tutela, sino el procurador Ordóñez y su siniestro plan de lanzarlo del Palacio Liévano [nota del editor: lugar en donde funciona la Alcaldía Mayor de Bogotá]. No hay que confundirse; la acción de tutela ha sido el remedio, no la enfermedad.

Tsy azontsika hadinoina fa ny anton'ity resabe ity, hoe ben'ny tanàna iray nesorina indray andro dia naverina napetraka amin'ny toerany indray avy eo, dia tsy asa vokatry ny fangatahana ho fampiatoana didy, fa noho ny Lehiben'ny Fampanoavana sy ny drafitrany mampiahiahy hanilihana azy hivoaka ny Lapa Liévano [fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: lapa fiasàn'ny ben'ny tanànan'i Bogotà]. Aza manao hadisoana: ilay didy fampiatoana dia fitsaboana, fa tsy ny aretina akory.

Na teo aza ny hoe nànana ben'ny tanàna telo nifandimby tao anatin'ny telo andro monja i Bogotà -Rafael Pardo, María Mercedes Maldonado ary ankehitriny i Gustavo Petro- tsy mifarana eto akory ny olana: ny Filoha Santos sy ny Lehiben'ny Fampanoavana, Ordóñez, dia hihantsy ilay fanapahan-kevitra eo anoloan'ny Fitsaràna Sivily sy ny Fitsaràna Ambony.

Ny zava-marina aloha izao dia ny fiverenan'i Petro, Ben'ny tanàna, azo eritreretina ny fampiantsoana amin'ny volana Jona, ka ao anatin'izay fotoana izay no hanapahan'ny vahoaka amin'ny latsabato na ho tavela eo amin'ny toerana na tsia i Gustavo Petro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.