Vohitra Vaovao Ho An'i Yadua

Fanamarihana avy amin'ny Rising Voices: Fanavaozana ny tetikasa Tukuni Yadua, izay vatsian'ny Rising Voices avy ao amin'ny nosy Yadua ao Fiji. Anisan'ny iray amin'ireo mpandrindra izany tetikasa izany i Josefa Ravuso.

Ny tanjona ankapoben'io Tetikasan'ny Rising Voices ho an'i Yadua io dia ny haka traikefa sy fomba amam-panao izay iainan'ireo mponina ao amin'ny nosy Yadua amin'ny fizaran'ny mponina maina anatin'ny fiarovana ny natiora sy ny fiovaovan'ny toetrandro. Tanatin'iny taona lasa iny, nahita masoandro tany Yadua ny zotra fizarana ara-batana lehibe indrindra afaka andraisan'ny vondrom-piarahamonina iray anjara – ny fanamboarana vohitra iray amin'ny toerana avo kokoa, izay 300 metatra miala amin'ilay toerana nisy ny vohitra teo aloha. Tena nilaina izao tetikasa fanamboarana vaovao izao noho ny fahapotehana navelan'ny Rivodoza Evan tamin'ny 2012, sy noho ny fiakatry ny haavon'ny ranomasina vokatry ny fiovaovan'ny toetrandro.

Toerana misy ny vohitra vaovao ao amin'ny nosy Yadua. Sary nalain'ny tanora mpandray anjara.

Tara fahatongavana ireo fakan-tsary niomerika novidiana ho an'io tetikasa io ka tsy afaka naka an-tsary ireo fivoriana sy ny votoatin'ny fanamboarana ilay toerana ireo mpandray anjara, na izany aza anefa dia manome toky ny famadihana ireo zava-niainana voarakitra an-tsary nalain'ireo mpikambana tsirairay ao amin'ny vondrom-piarahamonina nandritra ny fotoana fanamboarana ho horonantsary fohy izay hovokarina mandritra ity tetikasa ity izahay.   

Ny fanohanan'ny vondrom-piarahamonina

Nandritry ny taona 2013 sy ny volana Janoary 2014, dia nandray anjara feno tamin'ny fananganana sy ny fanomezana hanina ho an'ireo mpanamboatra ny mponina tao an-tanàna, ka lasa nampiandry ireo atrikasa sy ireo fivoriana lehibe efa nomanin'ireo vahiny, ireo fikambanana mpiaro, ary ireo sampan-draharaha hafa ao amin'ny governemanta. Ny Tetikasan'ny National Trust mikasika ny Fizarana Amin'ny Fiovaovan'ny Toetrandro izay nanomboka tamin'ny tapaky ny taona 2012 dia nijanona ihany koa ny taona 2013. Nosokafan'ny Praiminisitra tany amin'ireo nosy Fiji ihany anefa ny toerana misy ny vohitra vaovao tamin'ny 17 Janoary 2014.

Izy no mpiandry Tanàna ara-pomban-drazana antsoina hoe Bati amin'ny teny Fijiana nandritry ny asa fanokafana. Sary nalain'ny tanora mpandray anjara.

Na izany aza, dia vitan'ny Trust ny nahazo fankatoavana faobe avy amin'ireo mpikambana ao amin'ny vohitra izay notsidihana tsirairay tany an-tranony sy nandritra ireo fe-potoana fialany sasatra. Tanora miisa telo izay nofidiana hikirakira ny resaka fakan-tsary no nofanina ora roa isanandro hatramin'ny fiafaran'ny taona.

Tanatin'ny fankatoavana, dia nanaiky fotokevitra maromaro hofakafakaina sy halaina sary ho an'ny Tetikasan'ny Rising Voices ihany koa ireo mponina, isan'izany :

  • Ny Iguane misy sanga ao Fiji
  • Ny fiarovana ny ao amin'ny nosy Yadua Taba
  • Ny fiarovana ny sokatra
  • Ny fiainana ao Yadua – ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana
  • Ny antanan-tohatry ny fiarahamonina
  • Ireo fomba – nentim-paharazana/finoana
  • Ireo fivoriana
  • Ny fiaraha-miasa
  • Ireo tetikasa lehibe manaraka
  • Ny loharano ahazoana rano fisotro madio
  • Ny fametrahana Jiro mandeha amin'ny masoandro
  • Ny fari-dranomasina voaaro
  • Ny fiatrehana ny fiovaovan'ny toetrandro
  • Ny toerana hametrahana Vohitra Vaovao
  • Ny fanjarian-tsakafo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.