Raha Handalo Aty Madagasikara Ianao

Hoan'ireo sambany vao tonga, mety ho olana hatrehina ny fitateram-bahoaka  eto Madagasikara. Maro ny antony mahatonga izany. Manana velaran-tany 590 000 km2, efa antitra sy tsy misy fivoarana intsony ny foto-drafitrafisan'ny lalana ato amin'ny firenena. Mivelatra ny lalamby saingy mbola tsy misy izany amin'ny ankamaroan'ny tanàndehibe.

Ao afovoan-tanàndehibe, voafetra amin'ireo fiara salantsalany mpitatitra olona feno hika ny fiara fitateram-bahoaka ary mijanona ho tetikasa hoan'ny renivohitra, Antananarivo, fotsiny ihany ny lalamby an-tanandehibe.

Anisan'ny olana fantatra tsara ao andrenivohitra ny fitateram-bahoaka. Renivohitra ahitana mponina roa tapitrisa sy fiara tombanana eo amin'ny 110 000 eo ny isany. Matetika ahitana fitohanan'ny fiara ireo lalàna eto an-drenivohitra araka ny hita amin'ity sary eto ambany ity:

Urban traffic in Antananarivo via Mada aventures CC-NC-2.0

Fitohanan'ny fiara ao andrenivohitra Antananarivo, sary tao amin'ny Madagascar-aventures. CC-NC-2.0

Hita amin'ity sary manaraka avy amin'ny viva Madagasikara ity ny fiantraikan'ny fitohanan'ny fiara eto an-drenivohitra

Anisan'ny tsy zakan'ireo mponina ity karazana fitohanan'ny fiara ity ka mandinika ny tokony hametrahana lalana fitatera-mihantona eo amin'ireo tampon'ny vohitra be olona indrindra ao an-tanàndehibe ny fitantanana an'Antananarivo:

Cette ligne devra desservir la Haute Ville et Mahamasina. Toutefois, le PDS n’a pour l’instant fourni aucun détail quant au début des travaux ni au coût financier du projet.
En ce qui concerne l’utilisation de téléphérique urbain, la Capitale se dotera de ce mode de transport en commun après la Paz.

Ity zotra ity dia hampitohy ny Tanàna Ambony amin'i Mahamasina. Na dia izany aza, mbola tsy nanome ny antsipirahany mikasika ny fanombohan'ny asa na ny tetibolan'ny tetikasa ny Filohan'ny Delegasiona Manokana. Mikasika ny fampiasana izany fitatera-mihantona andrenivohitra izany kosa, hampihatra ity rafitra fitaterana iombonana ity aorian'i La Paz ny renivohitra.

Manoloana ny vola ilaina amin'ity tetikasa ity (tombanana ho € 166 tapitrisa na 230 tapitrisa dolara tamin'ny fananganana tao La Paz) sy ny fahantrana lalina ao andrenivohitra, maro ireo manontany raha ilaina marina ny tetikasa tahaka izany. Marc Harmelle nanoratra hoe [fr]:

Plutôt que de penser construire un téléphérique, ne faudrait il pas commencer à raser les bidonvilles , reloger ces gens comme des êtres humains , soigner et scolariser leurs enfants ?

Raha mihevitra hanamboatra fitatera-mihantona, tsy aleo ve manomboka amin'ny fikakasana ny tanànam-barìka, mamindra toerana ireo olona any amin'ny toerana mendrika ny maha-olona, manome fitsaboana sy mampianatra ireo ankizy?

Fitateram-bahoaka eto Madagasikara

Raha anisan'ny olana goavana ao an-tanàndehibe ny fitohanan'ny fiara, mila asa fanamboarana goavana ihany koa ireo lalana rezionaly. Nanamarika ny lohatteny lehibe tao amin'ny gazety Tribune fa mbola maro ny zavatra tokony atao [fr]:

11 700 km de routes à réparer dans tout Madagascar en 6 mois […] l’OTU (Office des travaux d’urgence) va se consacrer aux travaux d‘urgence et aux entretiens provisoires des routes endommagées par les catastrophes naturelles

Lalana 11 700 km no mila amboarina manerana an'i Madagasikara ao anatin'ny 6 volana […] Hisahana ireo lalana mila fanamboarana maika sy izay tokony hamboarina vonjimaika simban'ny loza voajanahary ny OTU (Biraon'ny Asa Vonjimaika)

Nampitandrina ireo mpamaky mikasika ny toetry ny lalana ao amin'ny Lalam-pirenena faha-2 mampitohy ny renivohitra sy ny seranan-tsambon'i Madagasikara ao Toamasina ny fikambanana tsy miankina antsoina hoe Lalana:

Le patrimoine routier du pays se dégrade. La crise politique a complètement chamboulé le mécanisme de financement du programme d’entretien routier et des travaux d’urgence. Des dégâts, laissés par les cyclones qui ont frappé le pays, l’année dernière, ne sont toujours pas réparés à l’heure actuelle. C’est le cas, entre autres, de la route nationale 2, reliant Antananarivo à Toamasina. Plusieurs mini-éboulements, des portions de route emportées par les torrents

Miha-simba ny foto-drafitrasan'ny lalana manerana firenena. Nokorontanin'ny krizy politika ny fandehan'ny famatsiam-bola amin'ny fandaharan'asa fikojakojana sy ny asa vonjimaika. Tsy mbola nisy fanamboarana akory ankehitriny ireo fahasimbana navelan'ireo rivo-doza izay namely ny firenena tamin'ny taon-dasa. Tahaka izany ohatra ny lalam-pirenena faha-2 mampitohy an'Antananarivo amin'i Toamasina. Marobe ny tany mihotsaka sy ny arabe nofaohin'ny riaka. 

National roads in Madagascar - viaTananews- Public domain

“Fiara fitaterana eny ambanivohitra” mandalo lalampirenena eto Madagasikara. Tao amin'ny Tana News. Sary azon'ny rehetra ampiasaina

Mbola hafa ihany ny fandehanana mitsidika an'i Madagasikara. Amin'ny alalan'ny fiaram-pitaterana “taxi-brousse” eny ambanivohitra no fomba tsotra hivezivezena. Maro ireo karazana fiara manao “taxi-Brousse”, saingy ny “fiara-salantsalany” no tena maro, araka ny hita tamin'ity sary farany eto ambony ity. Rehefa tonga amina tanàna ivelan'ny renivohitra kosa dia afaka mandeha “posiposy”, araka ny hita amin'ity lahatsary manaraka ity:

Nanipika i Ariniaina, mpanoratra ato amin'ny Global Voices monina eto Madagasikara fa niova ny lalàna mikasika ny posiposy eto Madagasikara, saingy mbola fitaovam-pitaterana be mpampiasa hoan'ireo mponina marobe ao amin'ny faritra (Antsirabe) izany:

Rickshaw as a mean of transportation pulled by a human being has been considered a violation of human rights. So the Commune [city hall] of Antsirabe [the second largest city in Madagascar] launched the “cyclopousse” – a rickshaw pulled by a bike.  Yet, “traditional” rickshaws are still the main transportation for many Antsirabe residents.

Nosokajiana ho fanitsakitsahana ny zon'Olombelona ny posiposy izay fitaovam-pitaterana tarihin'olombelona. Ka nanao ny “cyclopousse”-posiposy tarihim-bisikileta ny fiadidian'ny tanàna [lapan'ny tanàna] ao Antsirabe [tanàn-dehibe faharoa eto Madagasikara]. Na dia izany aza, mbola fitaovam-pitaterana fampiasan'ireo mponina marobe ao Antsirabe foana ny posiposy “nentim-paharazana”.

Ariniana posing with a rickshaw owner and his rickshaw in Antsirabe, Madagascar (with her permission)

Ariniana maka sary miaraka amin'ny posiposy sy ny tompony tao Antsirabe, Madagasikara. Nahazoan-dalana.

Miezaka manatratra ny fitombon'ny mponina ny fitaterana iraisam-bahoaka, fa noho ny fisian'ny fetra ara-toekarena, dia antenaina haharaka izany – na dia ao anatin'ny fotoana fohy aza aloha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.