Tsy Nisy Hoe Palestina a?

Maromaro ireo mpampiasa Twitter avy ao Palestina sy ny faritra Arabo no naka ireo sehatra fitorahana bilaogy bitika mba handàvana ilay kabary iraisan-dry zareo Israeliana ilazàny fa tsy nisy velively izany Palestina izany. “Tsy misy zavatra tahaka izany mihitsy, toy ny  vahoaka Palestiniana”, hoy indray i Golda Meir, Praiminisitra fahiny tao Israely.

Fony tany amin'ny 2011, tao anaty lahatsary YouTube iray, ny Minisitra Lefitra Israeliana misahana ny Raharaham-Bahiny, Danny Ayalon, nilaza fa “tamin'ny 1967, tsy nisy firenena na fanjakana Arabo nitondra izany anarana Palestina izany”. “Raha ny marina, tena nisy tokoa va re izany?” hoy izy nanampy.

Juan Cole, bilaogera sady mpanoratra savaravina, dia nanoratra mikasika io kabary io :

Iray amin'ireo fanamafisana tsy misy porofo hitan'ny olona ao amin'ny fampielezan-kevitra Sionista ny hoe  “tsy nisy velively i Palestina.” Tsy marina tsotra izao fotsiny io filazana sadasada io. Nentina nanondro nandritry ny fotoana maharitra ny faritra atsimon”i Sidona sy ny avaratr'i Sinay ny hoe Palestina. Misy ny vola vy fampiasan'ny Silamo fahagola avy amin'izany faritra izany miaraka amin'ny soratra hoe “Filistina” (Palestina) misoratra eo ambonin'izy ireny. Tamin'ny taonjato fahasivy ambin'ny folo, voatahirin'ireo mponina any an-toerana izay nivahiny tany Damaskaosy ohatra ireo diary, ary nosoratan-dry zareo ny momba izay fahatsiarovany an'i “Filistina”, izany hoe i Palestina.

Ampiany:

Raha toa ny tsahotsaho lazaina manao hoe tsy nisy firenena-fanjakana antsoina hoe Palestina izany, farafaharatsiny talohan'ny nanangan'ny Leage des Nations iray, tsy misy fotony. Tsy nisy firenena-fanjakàna izany hatramin'ny taonjato faha-19. Tsy nisy ‘Italia’ izany talohan'ny 1870. Marobe ireo fari-piadidiana madinidinika, ny sasany amin'ireny no eo ambany fifehezana sy fiahian'ny hafa.

Nanomboka nandefa ny tenifototra there_was_no_Palestine ilay Ejiptiana mpanoratra tantara, Ahdaf Soueif, tamin'ny 15 Aprily ary nangataka ireo mpampiasa twitter handray anjara handefa sary momba ny fiainana tao Palestina talohan'ny 1948 nisian'ny fandroahana an-keriny ireo Palestiniana an'alinaliny hiala tamin'ny taniny sy ny tanànan'izy ireo :

Manomboka tenifototra hoe  #there_was_no_Palestine hanangonana ireo sarim-piainana an-tanan-dehiben'ny Palestiniana talohan'ny 1948 @arwa_th @muiz @RanaGaza @benabyad @PalFest

Fotoana fohy taorian'izay, nanomboka niraradraraka tao ny sary.

#there_was_no_Palestine #Map. Ny Atlas Britanika an'ny raibeko, dika tamin'ny 1939. #Beirut #Jaffa #Jerusalem #Damascus pic.twitter.com/mnBr8mS7DW

#there_was_no_Palestine karapanondro ho anà tovovavy Jiosy Alemàna niaina tao Haifa 1940, nasiana fitomboka hoe “FANJAKAN'i PALESTINA” Ahmed mrowat pic.twitter.com/oq4gcOdvrq

#there_was_no_Palestine Fikambanam-behivavy Arabo tao Ramallah1928 الإتحاد النسائي العربي في رام الله sary avy amin'i ahmed mrowat pic.twitter.com/pMckUjDKmN

Toerana fanamarinana teo anelanelan'i Libanona sy Palestina tany amin'ny taona 1930 tany, ka tsy nisy ve Palestina? #there_was_no_Palestine ? pic.twitter.com/On35Tbuo2u

1927 Palestinian Coin

Vola vy Palestiniana 1927

Laure Dakkash tao amin'ny Tranon'ny Fampielezampeo Palestiniana, Yafa, 1943. Avy amin'ny tahirin'i @arwa_th Ahmad Mruwwat  #there_was_no_Palestine pic.twitter.com/3Ii7JODAdI

Gazety tranainy Palestiniana Koa Ahoana No Hitenenanao Fa : tsy nisy i Palestina? #there_was_no_Palestine ?!! pic.twitter.com/dekDUBDdWo

#there_was_no_Palestine tahirin-tsary fampakarambady tao #Ramallah, #Palestine 1900 http://t.co/dkhu4Yg6TD  pic.twitter.com/IqtQ99Px1o

Nifidy ny hizara lahatsary iray i Ali Hussein El Helou, ahitàna lalao baolina fandàka nifanatrehan'i Aostralia sy Palestina tamin'ny 1939.

Lalao baolina fandàka Australia V Palestine  (1939): http://t.co/7cIf2PjXWi tao amin'ny @YouTube

Raha mila sary misimisy kokoa, nanangana lisitra sarim-piainana tao Palestina efa tany amin'ny taona 1900 tany i Haitham Sabbah.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.