#NETmundial2014: Manjavozavo Ny “Fanambarana ny Zo” Momba Ny Aterineto Notontosaina Tao Brezila

Mitatitra vaovao mivantana avy ao amin'ny NETmundial, fihaonambe iraisam-pirenena momba ny fitantanana ny aterineto izay notontosaina tamin'ny 23-24 Aprily teo tao Sao Paulo, Brezila ireo mpikambana ao amin'ny Advox, Marianne Diaz sy Sarah Myers. Solontena avy amin'ny firaisamonim-pirenena, orinasa sy governemanta manerantany no nivory mba hiadi-hevitra mikasika ny hoavin'ny fitantanana aterineto amin'izao tontolon'ny post-Snowden (aoriana ny Snowden) izao. Anisan'ny voalohany amin'ireo andiana fitantarana mikasika ny hetsika ity lahatsoratra ity.

Nisokatra tamin'ny Alarobia 23 Aprily tao Sao Paulo, Brezila tamin'ny 11 ora ny Fivorian'ireo mpandray anjara marobe Manerantany mikasika ny Hoavin'ny Fitantanana ny Aterineto — nisafidy handany ny lalàna Marco Civil da Internet ny Antenimieran-doholona (Senat) Breziliana, izay nosoniavin'ny filoha Dilma Rousseff tamin'ny ora nanombohan'ny fivoriana. Nosokajiana ho “Fanambarana ny zo” momba ny aterineto voalohany eto amin'izao tontolo izao, novolavolaina tamin'ny fomban'ireo sokajin'olona maro mandray anjara avy ao an-toerana hoatolotra any amin'ny fanaovan-dalàna, ny Marco Civil izay mametraka an'i Brezila ho tokana mpitari-dalana amin'ny fiadian-kevitra manerantany sy ny adihevitra momba ny ny zon'Olombelona sy ny teknolojia.

Na dia izany aza, efa nilaza sahady ireo mpikatroka fa efa nohalefahana sahady ny fomba fiteny tao amin'ny lalàna teo anelanelan'ny fandrafetana voalohany sy faharoa ny lalàna, nahatsiaro koa ny sasany fa natsonika ny fiarovana ny zon'olombelona tao amin'ny lahatsoratra farany.

Voalaza fa ny lalàna Marco Civil izay nolanian'ny Antenimieran-doholona tamin'ny Talata ary nosoniavin'ny filoha Dilma Rousseff dia nahitana fepetra ahafahan'ny mpamatsy votoaty tsy mamoaka angon-tserasera izay mety hanohintohina ny fiainana manokana. Mitovitovy amin'izany ihany koa, tsy dia mafonja tahaka ny tamin'ny voalohany nandritra ny nanaovana ny volavolan-kevitra holaniana ampamolavolana ilay lalàna eo amin'ny fiarovana ny tsy fitongilanàn'ny tambajotra. Nasian-teny ihany koa ny ahiahy fanaovana fifehezana ara-miaramila ny tontolon'ny aterineto sy ny fahavitsian'ny fisoloan-tena avy amin'ny sehatra sasany eo amin'ny fiarahamonina izay mety ho voahilika tamin'ny fivoriana.

A screen shows the vote tally as activists cheer for the bill from the upper level of the Chamber. Photo shared by Carolina Rossini via Twitter.

Nankatoavin'ny Antenimieram-pirenena ny lalàna Marco Civil tamin'ny volana Marta 2014. Sary nozarain'i Carolina Rossini tao amin'ny Twitter.

Ho setrin'izany adihevitra izany, nisy ny taratasy avy amin'ny firaisamonim-pirenena izay misokatra  hosoniavin'ny daholobe. Taratasy mitaky amin'ny governemanta mba hametraka lalàna henjana hiarovana ny fahalalahan'ny olom-pirenena sy ny tsy fitongilan'ny aterineto, ary mba “handraisan'izy ireo fepetra mahomby hamerina indray ny teknolojia ho eny am-pelatanan'ny olom-pirenena,” sy manome fahafahana hoan'izao tontolo izao ho afa-miditra sy mijery vaovao amin'ny aterineto ary hampitsahatra ny fifehezan'ny miaramila ny tontolon'ny aterineto atao amin'ny alalan'ny lalàna midadasika momba ny heloka antserasera.

Kinendrin'ny Fihaonamben'ny NETmundial ny hahatratra marimaritra iraisana manerantany mikasika ny maodely fandraisana anjaran'ny seha-pihariana maro amin'ny fitantanana ny aterineto, ao anatin'ny fotoana hahatsapan'ny firaisamonim-pirenena fa kitro ifaharan'ny fiarovana an-dry zareo izany. Taorian'ny ampamoaka nataon'i Snowden, izay milaza ny zava-dratsy ataon'ny governemanta sy izy misabàka amin'ny fiarovana ny fahalalahana sy ny fahafahana ao amin'ny aterineto, marobe ireo firaisamonim-pirenena nahatsiaro fa izao no fotoana ho azy ireo hametrahana maodely ifanarahana momba ny fitantanana ny aterineto ary karazana fitsipi-pipehezana matanjaka hoan'ny zo fototra mifandraika amin'ny aterineto.

Solontena avy amin'ny oniversite, firaisamonim-pirenena sy ny fikambanana momba ny teknolojia ary governemanta avy amin'ny firenena 90 eo ho eo manerantany no tonga tao Sao Paulo nanatrika ity fivoriana ity. Manana faniriana goavana ny firaisamonim-pirenena, saingy mazava fa tsy voavaha ao anatin'ny roa andro hanaovana ny fihaonana ireo fanontaniana lehibe tokony nodinihana. Manaiky ny ankamaroany fa tokony ho santatra ambavarano amin'ireo adihevitra midadasika ihany ny fihaonana, ary sehatra nametrahana ireo fepetra mba hahafahana manatanteraka izany fifanakalozan-kevitra izany sy hanangonana ireo hevitra marobe, anisan'izany ireo mpampiasa ny aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.